Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fampiasana amim-pahombiazana ireo taratasy mivalona
1 Tamin’ny 1987, nandritra ny fivoriamben’ny distrika “Matokia an’i Jehovah”, dia nambara ny hivoahan’ny taratasy mivalona vaovao efatra mitondra ny lohateny hoe: Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly; Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao; Manantena inona ny olon-tiana nodimandry? Mampiasa azy ireo amim-pahombiazana ve ianao amin’ny fanompoana?
2 Mpitory maro be no mamela taratasy mivalona eo amin’ny varavara tsy nahitany olona. Omeny ireo olona sahirana loatra ka tsy afaka mihaino azy amin’ny fandalovany koa izany. Nahamarika ny sasany fa raha mampiasa taratasy mivalona izy mba hampidiran-dresaka rehefa eny am-baravarana, izany dia manampy azy hanaitra ny fahalianan’ilay olona iresahana. Ny hafa indray tia kokoa ny manolotra izany ho an’ireo olona izay tsy nandray zavatra vita an-tsoratra, nefa nampiseho fahalianana.
Rahoviana ary ahoana no hampiasana azy ireny
3 Mety hanana fahafahana betsaka hanolotra taratasy mivalona ianao raha mahay mampifanara-javatra sy mailaka hanararaotra ny fahafahana miseho. Azo ampiasaina izany, ohatra, rehefa manao fanambarana amin-kavana akaiky isika. Afaka mampiasa taratasy mivalona ianao mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra, rehefa miantsena na misy dia lavitra atao, any an-tsekoly na any am-piasana. Moa ve misy taratasy mivalona foana any aminao, angamba any anaty kapaoty na any am-paosin-dobakao, na any anaty poketra na any anaty kitaponao? Raha toa ianao ka manana taratasy mivalona amin’ny fotoana rehetra, dia hanosika anao hanao fanambarana tampotampoka izany. Nahoana no tsy mitady fahafahana hanolotra taratasy mivalona?
4 Azo atao koa ny mampiasa taratasy mivalona mba hanaovana fanambarana mandaitra kokoa. Na dia fohy aza ny hafatra raketiny dia tena mampiaiky sady tohanan’ny fanaporofoan-kevitra ara-baiboly mazava. Misy sary mahafinaritra ireo taratasy mivalona ireo ary mety ho fitaovana mahasoa mba hanatanterahana asa tsara eo amin’ny fanompoana. Aoka ianao ho mailaka hanolotra azy ireny amin’ny olona amin’ny toerana rehetra.
Amin’ny fanompoana
5 Eo amin’ny asa isan-trano, moa ve ianao mampiasa ny lohatenin’ireo taratasy mivalona ireo izay mahatonga hieritreritra, mba hanairana ny fahalianan’ny olona ho amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? Ny mpitory sasany mampiharihary ny lohatenin’ny taratasy mivalona iray raha vao manao fampidiran-dresaka fotsiny. Nahoana no tsy manandrana izany fomba fanao izany? Afaka miteny ianao hoe: “Manao ahoana tompoko. Faly aho mahatratra anao ato an-trano. Izaho moa dia mandray anjara amin’ny fampielezana hafatra iray tena lehibe izay ho hitanao ato anatin’ity taratasy mivalona ity, izay mitondra ny lohateny hoe: Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Inty ny anjaranao. Maimaimpoana izy ity. [Omeo ilay olona iresahanao izany, ary sintony ny sainy ho amin’ny sary eo amin’ny fonony]. Tsy mba tianao ve ny hiaina ao amin’ny faritra milamina toy izao?” Raha mamela ny toe-javatra dia tohizo ny resaka amin’ny famelabelarana ny foto-dresaka sy amin’ny fampisehoana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
6 Arakaraka ny toerana misy anao dia angamba ho hitanao fa mahasoa ny hilazana fa miorina amin’ny Baiboly ny hafatra entinao. Mety hiteraka vokatra tsara ao amin’ny faritaninao ilay taratasy mivalona mitondra ny lohateny hoe Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly. Azonao atao, ohatra, ny miteny hoe: “Mametraka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly maimaimpoana amin’ny mpiara-belona aminay izahay androany. Inty ny anjaranao. [Omeo an’ilay olona izany.] Araka ny ahitanao azy dia miresaka momba ny Baiboly izy iny. Mihevitra ve ianao fa tsy mitoky amin’ny Baiboly intsony ny olona amin’izao androntsika izao? [Avelao hamaly ilay olona.] Ity taratasy mivalona ity dia hanampy anao hahita ny antony ahafahantsika mitoky amin’izay lazain’ny Baiboly.” Tohizo amin’ny foto-dresaka izany, amin’ny fampisehoana ireo fitahiana omanin’i Jehovah ho an’ny olombelona.
7 Ny fampielezana taratasy mivalona momba ny Baiboly dia fomba iray azo antoka sady mandaitra mba hampahafantarana ny “vaovao tsara”. (Matio 24:14, MN). Mitana toerana lehibe eo amin’ny fanompoana ampahibemaso ataontsika sy amin’ny fitoriana tampotampoka ny taratasy mivalona. Aoka isika hampiasa amim-pahombiazana ireo taratasy mivalona mahafinaritra ananantsika mba hanaovana fanambarana tsara dia tsara sy mba hanampiana ireo mpiara-belona amintsika hahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra.