Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amin’ny alalan’ireo taratasy mivalona
1 “Nandalo teo anoloan’ny vehivavy iray izay nanolotra taratasy mivalona ara-baiboly ahy aho”, hoy ny nosoratan’ny lehilahy iray tamin’ny Fikambanana. “Izao no vakiny: ‘Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao’. Ketraka aho talohan’ny namakiako azy io, nefa taorian’izay dia nihamaivamaivana sy tony aoka izany aho.” Naniry fanazavana bebe kokoa ilay lehilahy ary nangataka izany an-tsoratra tamin’ny fanazavana hoe: “Manantena mafy sahady ny hahazo ilay boky ‘Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany’ avy aty aminareo aho.”
2 Marina tokoa fa maro amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny no nanana ny hetahetany ara-panahy nofohazin’ny taratasy mivalona. Mampiasa taratasy mivalona ve ianao eo amin’ny fanompoanao? Maro no manao toy izany. Any Brooklyn fotsiny dia mihoatra ny 122 tapitrisa no natonta tamin’ny taratasy mivalona Fiadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao, ary koa 250 tapitrisa teo ho eo amin’ny taratasy mivalona telo hafa: Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly?, Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? ary Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?
3 Tsy tokony hanamaivana na oviana na oviana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra araka ny anazavana azy ao amin’ireny hafatra fohy ireny isika. (Heb. 4:12; ampitahao amin’ny Zakaria 4:10; Jakoba 3:4, 5.) Nanoratra toy izao ny Vavolombelona iray avy any Arizona (Etazonia): “Namaky taratasy mivalona maro avy amin’ny Fikambanana Watch Tower aho ary tamin’ny farany dia nanjary nahalala ny fahamarinana.” Nanazava toy izao izy: “Eto amin’ity tontolo mihazakaza-dava ity, dia tsy maniry haka fotoana betsaka hamakian-teny ny olona matetika; ny taratasy mivalona anefa dia ampy fahalavana hiraketana hafatra lehibe nefa tsy lava loatra ka hampiodina ny olona alohan’ny hijereny izany akory.”
4 Noho ny antony maro samihafa, dia misalasala handray boky avy amintsika ny olona matetika. Kanefa maro no vonona hanaiky taratasy mivalona fotsiny. Nanazava ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray fa mampiseho ireo taratasy mivalona ao anaty fonon-javatra kely plastika izy amin’ny famelana ilay tompon-trano hifidy iray izay tiany. “Ny taratasy mivalona voafidy imbetsaka indrindra”, hoy ny nosoratany, “dia ilay hoe Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?”
AMIN’NY FIFAMPIKASOHANA VOALOHANY
5 Hitan’ny mpitory sasantsasany fa fomba iray mahomby hanombohan-dresaka ny fanomezana taratasy mivalona iray. Amin’ny fanolorana iray amin’izany, ny tompon-trano iray izay miahotra ny hamoha ny varavarana dia mety ho voatosika hanao izany.
6 Raha hita miharihary fa sahirana na ory ilay tompon-trano, ny taratasy mivalona iray fotsiny dia mety ho amin’izany indrindra. Ny vehivavy iray dia nampiononin’ny taratasy mivalona ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty aoka izany, hany ka nanoratra tamin’ny Fikambanana izy mba hahazoana fanazavana bebe kokoa. Rehefa tsy misy olona ao an-trano dia azo avela ny taratasy mivalona iray ho an’ny tompon-trano eo amin’izay tsy hahitan’ny mpandalo azy.
AMIN’NY FIVERENANA MITSIDIKA
7 Amin’ny fiverenana any amin’izay nahitana fahalianana sasany teo aloha dia mety hilaza toy izao ny mpitory iray: “Manao ahoana ianao, Atoa na Rtoa [lazao ny anarany]. Tena faly tokoa aho mahita anao ato an-tranonao. Fony nihaona voalohany isika dia nanohina ahy mafy ny nakanao fotoana hiresahana ny amin’ny Baiboly. Manana fanazavana fanampiny sasany izay heveriko fa mety hahaliana anao aho. Izany dia hita ato amin’ity taratasy mivalona ity: Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Raha tsaroanao, teo aloha isika dia niresaka nikasika ny fampanantenan’ny Baiboly fiadanana marina sy maharitra ho an’ny taranak’olombelona. Kanefa, satria maro no mihevitra ny any an-danitra ihany rehefa mamaky ireo fampanantenana ireo, dia mariho fa ny Salamo 37:29 dia manambara fa ireny fitahiana ireny dia hitranga eto an-tany. [Vakio ny andinin-teny, amin’ny fampisehoana amin’ilay tompon-trano ilay toerana misy azy ao amin’ilay taratasy mivalona.] Tsy hitanao ho mahaliana ve izany? [Mandiniha fehintsoratra maromaro.] Misy andinin-teny mampahery maro fanampiny ato amin’ity taratasy mivalona ity, ary ho hitanao fa mahafinaritra toy izany ihany koa izy ireny. Amin’ny fotoana manaraka hahatongavako aty dia angamba ho afaka hamaky ny sasany amin’ireny miaraka isika toy ny nataontsika androany.”
8 Marina tokoa fa ireo taratasy mivalona ananantsika dia fanomezana avy amin’i Jehovah. Enga anie isika hampiasa ireny fanampiana sarobidy ireny amim-pahakingana eo am-panatanterahana fanompoana mandaitra ho fiderana Azy sy ho fitahiana antsika mandrakizay. — Ohab. 22:29.