FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/90 p. 4
  • Ny fahatsiarovana—fankalazana kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahatsiarovana—fankalazana kristiana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FANOMANANA IANTSOROHAN’IREO LOHOLONA
  • NY FIOMANANA MANOKANA
  • Fankalazana Ilay Fahafatesana Izay Manome Fanantenana Fiainana Mandrakizay
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ilay andro lehibe indrindra amin’ny taona 1991
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 4/90 p. 4

Ny fahatsiarovana—fankalazana kristiana

1 Nanorina ny Fahatsiarovana i Jesosy ny 14 Nisana, taona 33, ary nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny izy: “Izao no ataovinareo [hatrany, NW] ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19). Nohazavain’ny apostoly Paoly fa raha manao toy izany ny kristiana dia ‘manohy manambara ny nahafatesan’ny Tompo mandra-pihaviny’ (1 Kor. 11:26.) Mety ny hankalazana ny nahafatesan’i Jesosy noho ny anjara asa lehibe tanany eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy tokoa no mahaforona ny fanorenan’ny finoantsika mihitsy sy manome antsika fanantenana ny fiainana ho avy.

2 Mahatsiaro amim-pahatokiana ny nahafatesany ireo mpianatr’i Jesosy hatramin’ny niorenan’ny kongregasiona kristiana. Raha ny momba ny androntsika dia tondroin’ny tatitra fa vao tamin’ny 1899, dia olona 2 501 no nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana tany Etazonia. Tamin’ny taona lasa, izany hoe 90 taona aty aoriana, dia teto Madagasikara fotsiny no nisy mpanatrika 16 205. Amin’ity taona ity, ny 14 Nisana dia mifanitsy amin’ny talata 10 aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ary antenaina fa olona maromaro kokoa no hitandrina an’io fankalazana io.

NY FANOMANANA IANTSOROHAN’IREO LOHOLONA

3 Noho ny maha-zava-dehibe an’io fisehoan-javatra io sy ny hamaroan’ny olona andrasana, dia manao fanomanana ny kongregasiona (1 Kor. 14:40). Tsy fanao misy fombafombany izany. Tsia, satria voamaritsika ao amin’ny Matio 26:26-30 ny fahatsorana nentin’i Jesosy nanorina an’io fankalazana tena lehibe io. (1 Kor. 11:23-26). Ilaina anefa ny manaja antsipiriany sasantsasany raha ta hankalaza ny Fahatsiarovana amin’ny fomba tsara. Inona moa izany antsipiriany izany?

4 Hataon’ireo loholona izay hahazoana antoka tsara, ankoatra ny zavatra rehetra, fa anehoana fanajana ny Sakafo harivan’ny Tompo, amin’ny fihazoana ireo marika sahaza. Azo atao ny mampiasa mofo tsy misy lalivay toy ny mofo tsy misy masirasira jiosy (azyme), natao tamin’ny lafarinina varimbazaha sy rano fotsiny. Tsy tokony hampiasa afa-tsy divay mena tsy misy fangarony koa, toy ny “beaujolais”, na “bourgogne” na “bordeaux”. Mety ny divay atao ao an-trano raha toa ka tsy nasiana siramamy na zava-manitra na zavatra mampitombo ny heriny.

5 Hihevitra koa ireo loholona ny amin’ny hifidianana rahalahy manome ohatra tsara sy ampy fanandraman-javatra, tsaratsara kokoa raha loholona na mpikarakara momba ny asa, mba hampandalo ny marika. Tokony ho voalamina tsara ireo rahalahy ireo sady hahafantatra tsara momba ny asany. Tokony hohazavaina amin’ireo anisan’ny mpikarakara ny fandraisana olona ny andraikitr’izy ireo, toy ny fitarihana ny olona miditra na mivoaka avy ao amin’ny efitrano, ohatra, na ny fandaminana ny fifamoivoizan’ny fiarakodia, maro kokoa noho ny mahazatra. Tena ilaina indrindra izany rehefa kongregasiona maromaro no mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, na ao amin’ireo Efitrano Fanjakana ao amina trano lehibe iray ihany. Hatao koa izay hahazoana antoka fa efa fantatry ny mpandahateny ny ora sy ny toerana marina hanaovana ny fankalazana.—Raha ny amin’ny fampahatsiahivana hafa mahakasika ny fanomanana ny Fahatsiarovana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 may 1985, pejy faha-17, sy tamin’ny 15 may 1990, pejy faha-16 ka hatramin’ny faha-18; Ny fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny martsa 1989, pejy voalohany.

NY FIOMANANA MANOKANA

6 Tokony hiezaka avokoa isika rehetra mba handray soa feno avy amin’io fankalazana masina tokoa io. Azontsika atao indrindra ny miomana ara-tsaina amin’ny fanarahana amim-pitandremana ny fandaharana famakiana Baiboly natao ho an’ny 5 ka hatramin’ny 10 aprily, izay hita ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1990. Aoka tsy hohadinointsika koa ny manasa olona faran’izay betsaka ho amin’io fisehoan-javatra tena manokana io. Farany, dia ho tiantsika ny handray amin-kafanana ireo izay hanatrika izany.

7 Amin’ny fiomanantsika amim-pitandremana no hampisehoantsika fa heverintsika ho toy ny tombontsoa sy fahafahana haneho fankasitrahana ny soron’i Kristy ny fahatongavantsika amin’ny Fahatsiarovana. Enga anie ny Fahatsiarovana hankalazaina amin’ity taona ity ka ho fotoana hampandroso sy hampahery ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra! Hameno antsika rehetra fatokiana nasehon’i Jesosy anie izany! Ny fatokiantsika an’i Jehovah no hanampy antsika handresy izao tontolo izao sy hahazo ny valisoantsika avy.—Jaona 16:33; 2 Pet. 1:10; Apok. 7:9, 10, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara