Ny Fivoriamben’ny Distrika 1991 “Ireo Tia Fahafahana”
1 Nandritra ny lohataonan’ny taona 1990, ny fitahian’i Jehovah dia niharihary tamin’ny fomba niavaka tao amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio” telo natao nanerana an’i Madagasikara. Nisy tampon’isan’ny mpanatrika 8 796 tamin’izay ary 233 no natao batisa. Ary ankehitriny, eritrereto kely ange, tonga sahady ny fotoana hanombohana hanaovana fandaharana mba hanatrehana ny Fivoriamben’ny Distrika 1991 “Ireo tia fahafahana” haharitra telo andro. Ho any ve ianao sy ny fianakavianao?
2 Hampahery sy hanosika hanao zavatra ny fandaharana omanina ho amin’io fivoriambe io. Ny torohevitra sy ny fampianarana miorina amin’ny Baiboly omeny dia avantana amin’izay rehetra mihevitra ho sarobidy ny fahafahana ananan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ary miandry amim-pahafinaretana ny hanana fahafahana tonga lafatra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (Rom. 8:20, 21). Ataovy izay hanaovana ireo fiomananao ho amin’ny fivoriambe amim-pitandremana sy amim-bavaka mba hahafahana ho eo ka hankafỳ ireo andro telo rehetra amin’ny fandaharana mahafinaritra sy mahafa-po ara-panahy, manomboka amin’ny hira fanombohana ka hatramin’ny vavaka famaranana. Rehefa manao ireo volavolan-kevitrao ianao, amim-pitiavana, dia ampidiro ao koa ny hafa izay mety hila fanampiana. Amin’ny fomba manokana dia anehoy fiheverana ireo liana vao haingana, mba hahafahany manatrika koa ny fandaharana rehetra. (Gal. 6:10). Hanomboka amin’ny 10 ora sy fahatelony ny fandaharana ny zoma maraina ary hifarana amin’ny 4 ora ny fandaharana farany ny alahady hariva. Nomena mba hanampiana anao amin’ny fiomananao mialoha ny fanazavana manaraka.
3 IREO IZAY MILA FANAMPIANA MANOKANA: Ity fandaharana ity dia natao ho an’ireo mpitory sy ny zanany, izay tsara laza ao amin’ny kongregasiona, ihany. Tokony hataon’ny kongregasiona misy azy ireo fandaharana mba hiahiana ireo olona manana zavatra ilaina manokana. Ireo loholona na olona hafa mahafantatra ny toe-javatra misy ny olona iray dia afaka mitondra fanampiana amim-pitiavana. Izany matetika dia mitaky ny hiheveran’ny mpitory tsotra izay ilain’ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro, ireo be taona, ireo kilemaina, ireo marenina ary ny hafa koa angamba. Mety hitondra fanampiana amin’ny olona toy izany ireo mpitory amin’ny fandraisana azy hiaraka aminy na amin’ny fiahiana izay ilainy amin’ny fomba hafa. — Jak. 2:15-17; 1 Jaona 3:17, 18.
4 Mazava ho azy fa hiezaka hanome toeram-pilasiana mety ho an’ireo mpitory mila fanampiana manokana ny Sampandraharahan’ny filasiana raha tsy afaka mahazo fanampiana avy amin’ireo ao amin’ny kongregasionany izy. Azon’ireny mpitory ireny atao ny miresaka momba ny toe-javatra misy azy amin’ny sekreteran’ny kongregasiona, ary mangataka aminy taratasy hofenoina amin’ny Fangatahana efitrano ho an’izay mila fanampiana manokana amin’izay fotoana izay. Tokony hiteny voalohany indrindra amin’ny Komitin’asan’ny kongregasiona aloha ny sekretera mba hahitana raha azon’ny kongregasiona atao ny manampy ireny olona ireny hikarakara ny filasiany. Raha tsy afaka manolotra ny fanampiana ilaina ny kongregasiona dia azon’ny sekretera atao ny manome ireny olona ireny taratasy Fangatahana efitrano ho an’izay mila fanampiana manokana. Ireo izay mila fanampiana manokana ihany no hany tokony hameno io taratasy io. Tokony haverina any amin’ny sekretera izany ary hojereny tsara raha feno sy marina ary azo itokiana ireo toe-javatra izay hamaritra raha tokony hahazo ny fiahiana natao ho an’ireo mila fanampiana manokana ilay na ireo olona. Ireo toe-javatra dia tsy maintsy hazavaina amin’ny antsipiriany ao amin’ilay toerana natao ho amin’izany ao amin’ilay taratasy. Izany rehetra izany dia tokony hatao aloha be ny fotoana anaovana ny fivoriambe. Avy eo ny sekretera dia handefa ilay taratasy any amin’ny Sampan-draharahan’ny filasiana. Hampahafantarina mivantana momba ny filasiana ilay nanao fangatahana.
5 TSY tokony handeha any amin’ny fivoriambe ary hangataka efitrano rehefa tonga any ireo izay mila fanampiana manokana, satria ny Sampan-draharahan’ny filasiana dia tsy maintsy mahazo ny fanamarinana avy amin’ny Komitin’asan’ny Kongregasiona.
6 Ny filasiana amin’ny tranon’olona manokana, amin’ny ankapobeny, dia natokana ho an’ireo izay hahatsapa zava-tsarotra marina raha tsy nisy ny filasiana toy izany. Izy ireo dia tsy natao ho an’ireo izay afaka maka efitra any amin’ny hôtely nefa maniry hahazo efitrano maimaimpoana na mora mba hitsitsiana vola fotsiny. Toy izany koa, tsy mety ho an’ny mpamonjy fivoriambe ny manararaotra ny fahaizan’ireo rahalahintsika mampiantrano vahiny amin’ny fanantenana ny homena filasiana mandritra ny andro fanampiny mba hitsidihana toeram-pialan-tsasatra, na mba hanaovana zavatra hafa aloha na aorian’ny fivoriambe. Natao ho amin’ny fotoan’ny fivoriambe ihany ireny efitrano ireny. Ireo mahazo filasiana toy izany dia tokony hiahy ny amin’ny hanajan’ny tenany sy ny zanany ny tranon’ilay mampiantrano azy ireo sy tsy hanimbany na inona na inona na hikarokarohany ao amin’ny fananany na hitsofohany any amin’ny faritra manokana ao amin’ilay trano. Raha mahita zava-manahirana amin’io lafiny io ireo tompon-trano dia tokony hampahafantatra avy hatrany ny Sampan-draharahan’ny filasiana any amin’ny fivoriambe izy ireo ary ireo rahalahy ao dia ho faly hanampy azy.
7 MPAMONJY FIVORIAMBE TSY NANENDRENA AZY: Saika amin’ny toe-javatra rehetra, ny toerana notendrena halehanao dia ilay akaikin’ny kongregasionanao indrindra. Ny isan’ny fitoerana, ny zavatra vita an-tsoratra, ny sakafo ary ny efitrano filasiana ampy sy ny sisa sy ny sisa dia miorina amin’ny fiheverana mialoha fa hanatrika ny fivoriambe nanendrena ny kongregasionany ny ankamaroan’ny mpitory. Kanefa, raha toa misy antony tokony hanatrehanao fivoriambe hafa noho ilay nanendrena anao ka mila filasiana, ny sekreteran’ny kongregasiona dia afaka manome anao ny adiresin’ny biraon’ny fivoriambe izay irinao hatrehina.