Ny fivoriamben’ny distrikan’ny Mpianatra ny Baiboly 1992 “Ireo mpitondra fahazavana”
1 Anisan’ny tapany lehibe tamin’ny fiainan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah efa hatramin’ny ela ireo fivoriambe. Niara-nivory an-jatony sy an’arivony maro noho ny fisehoan-javatra nanokana nandritra ny taona ny Isiraely fahizay tamin’ireo andro firavoravoana, na “fivoriambe masina”. (Lev. 23:1-36, MN). Ireny fiaraha-niangona goavana ireny dia nanome fahafahana hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah Andriamanitra, hifanerasera tamin’olona maro anisan’ny vahoakany ary mba hampianariny. Ireo fivoriambe amin’izao andro izao dia manolotra fahafahana toy izany koa ary ankafizin’ny olona an-tapitrisany maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa ny ankamaroanareo dia anisan’ireo mpanatrika 8 410 nahazo fitahiana tamin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana” natao tamin’ny herintaona teto Madagasikara. Ny sasany aminareo koa dia faly fa anisan’ireo 206 natao batisa. Izao dia efa fotoana hanombohana ireo fanomanana mba hanatrehana ny fiaraha-mivory mampientana iray hafa haharitra telo andro — ny Fivoriamben’ny distrika 1992 “Ireo mpitondra fahazavana”. Hanatrika izany ve ianao sy ny fianakavianao? — Deot. 31:12.
2 Amboarina mba hifanentana tsara amin’izay ilain’ny vahoakan’Andriamanitra, izay mampiely ny fahamarinana maneran-tany amin’ny maha-mpitondra fahazavana azy, ny fandaharana. Amin’izao andro ratsy amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra izao isika dia mila ny fampaherezana sy ny antony manosika ho azo avy amin’ny fanatrehana izany mba handraisana ireo fitahiana ara-panahy tondraka miandry antsika. Ataovy azo antoka fa hanao ireo fanomananareo ho amin’ny fivoriambe, amim-bavaka sy amim-pitandremana ianareo mba hahafahanareo hanatrika izany ka hankafy ireo andro telo rehetra haharetan’ny fandaharana ara-panahy mahafinaritra, hatramin’ny hira fanombohana ka hatramin’ny vavaka famaranana. Ampidiro amim-pitiavana ao amin’ny fanaovanareo fanomanana ireo izay mety hila fanampiana, indrindra fa ireo olona vao liana, mba hahafahan’izy ireny koa hanatrika ireo fotoam-pivoriana rehetra. (Gal. 6:10). Hanomboka amin’ny 10 ora sy fahefany maraina ny fandaharana ny zoma ary hifarana amin’ny 5 ora hariva. Ireo fotoam-pivoriana ny asabotsy dia hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ary hifarana amin’ny hira sy vavaka amin’ny 5 ora hariva. Ny alahady, dia hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny fandaharana ary hifarana any amin’ny 4 ora sy sasany any ho any. Ny fanazavana manaraka dia hanampy anareo hanao ny fanomananareo.
3 Araka ny efa rentsika tamin’ny lahateny famaranana tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana”, dia hisy fivoriambe dimy hatao eto Madagasikara amin’ny taona 1992, raha sitrapon’i Jehovah Andriamanitra. Ny voalohany dia hatao eto Antananarivo manomboka ny 4 ka hatramin’ny 6 Septambra 1992. Hisy fivoriambe “Antananarivo Faharoa” manomboka ny 18 ka hifarana ny 20 Septambra 1992. Hisy fivoriambe koa hatao any Toamasina ny 11 ka hatramin’ny 13 Septambra 1992. Ny any Fianarantsoa, dia hanomboka ny 18 ka hifarana ny 20 Septambra, ary farany, ny any Antsiranana dia hanomboka ny 25 ka hifarana 27 Septambra 1992. Fandaharana tena mahasoa nataon’i Jehovah Andriamanitra izao, amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso. Satria ny kongregasiona sasantsasany dia mbola tsy maintsy manao dia lavitra mba hahazoany manatrika ny iray amin’ireo fivoriambe ireo, dia ampirisihina ny mpikambana rehetra mba samy hiomana mialoha, ka tafiditra amin’izany ny fanangonana ny vola ilaina mba handoavana ny saran-dalana. Dieny izao dia tokony hanao zavatra isika mba hahazoan’ny mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika tsirairay hanatrika ny fivoriamben’ny distrika “Ireo mpitondra fahazavana”.
4 Tamin’ny taon-dasa, izany hoe tamin’ny fivoriamben’ny distrika 1991, dia toy izao ny isan’ny mpanatrika teto amin’ny Nosy: Antananarivo: 7 321 no isan’ny mpanatrika ary 184 no natao batisa. Antsiranana: 494 no isan’ny mpanatrika ary 18 no natao batisa. Fianarantsoa: 787 no isan’ny mpanatrika ary 4 no natao batisa. Satria Jehovah Andriamanitra manampy amim-pitiavana ireo olona izay mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakany ho eo amin’ny toerana voalohany, dia azontsika antenaina fa hisy ny fitomboana noho ny fiezahana hataon’ny fianakaviana tsirairay sy isam-batan’olona mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika. Eo am-piandrasana izany, dia enga anie isika hanohy hitory sy hanao mpianatra ary ho tonga amin’ny fivoriamben’ny distrika 1992 “Ireo mpitondra fahazavana”.