FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/91 p. 5
  • Ny ilàn’ny fianakaviana ireo Index

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny ilàn’ny fianakaviana ireo Index
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny fana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika an’ilay Fanjakana amin’ny maha-Vavolo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • ‘Aoka isika hitady teny mahafinaritra, teny mahitsy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana eny amin’ny saha fitor
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 5/91 p. 5

Ny ilàn’ny fianakaviana ireo Index

1 “Aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony.” Izany no anasan’ny 1 Timoty 5:4 ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana. Marina tokoa fa ny fampiharana ny fifikirana amin’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy, dia hianarana. Mila ny fitarihan’Andriamanitra isika amin’izany, satria ny fikarakarana ny ankohonana dia adidy kristiana. Ireo Index des publications de la Société Watch Tower dia manampy antsika hahita izany fitarihana izany amin’ireo toe-javatra maro mampiavaka ny fiainam-pianakaviana.

2 Miforona ny atao hoe fianakaviana rehefa mivady ny lehilahy iray sy vehivavy iray. (Gen. 2:24) Moa ve ianao mieritreritra marina tokoa ny hanambady? Eo amin’ny teny hoe “Fanambadiana”, ianao dia hahita ny lohateny kely hoe “Fisafidianana vady”. Ireo fakàn-teny tondroina dia mitondra anao ho amin’ny torohevitra sarobidy momba io fanaovan-javatra indraindray sarotra io. Ao amin’io lohateny io dia ahitana koa ireo lohateny kely hoe “ny andraikitry ny lehilahy vady” sy “ny andraikitry ny vehivavy vady” izay mitondra ho amin’ny fanazavana mahasoa ho an’ireo izay maniry ny hanambady sy ho an’ireo izay efa manana. Ankoatra izany, ny lohateny kely toy ny hoe “fifampiresahana”, “fifankazarana” na “fiadanana” dia mamela hahita hevitra mety hanatsara ny fanambadiana. Misy zava-manahirana mipoitra ve? Ny lohateny kely hoe “zava-manahirana” dia mitondra anao ho amin’ny torohevitra mandaitra mba hamahana olana.

3 Lova avy amin’i Jehovah ireo ankizy. (Salamo 127:3) Ahoana no fomba hanabeazan’ireo ray aman-dreny azy ireny “amin’ny famaizana sy fananaran’ny Tompo”? (Efes. 6:4.) Ny fitarihana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny mpanompo mahatoky sy malina dia manan-danja lehibe. Tokony hahatakatra ny fihetseham-po sy ireo zavatra ilain’ireo zanany ireo ray aman-dreny. Ao amin’ireo Index, ianao dia manana torohevitra sy fanoloran-kevitra mahasoa ao amin’ireo lohateny hoe “Ankizy” sy “Zatovo”. Ahoana no fomba hambolena ny lalàn’i Jehovah ao amin’ireo fo tanora? Mitondra ho amin’ny lahatsoratra voafakafaka tsara momba ireo lafiny rehetra amin’ny fanabeazana ny ankizy, tafiditra ao anatin’izany ny fomba hanampiana azy ireny hampifamatotra fifandraisana manokana amin’i Jehovah sy hianatra ho tia ny fahamarinana ny lohateny hoe “Fanabeazana ao an-tokantrano”.—1 Petera 2:2.

4 Manomàna fiaraha-midinika ara-baiboly iarahan’ny mpianakavy. Tena ilaina izy ireny mba hahombiazan’ny fiainam-pianakaviana. (Deot. 6:6-9; Isaia 54:13; Efes. 5:25, 26) Ny lohateny hoe “Fianakaviana” dia hanome anao hevitra azo ampiasaina mba hanaovana fiaraha-midiniky ny mpianakavy mahafinaritra. Ahitana fehintsoratra toy ny hoe “fanaovana azy ho mahafinaritra” na koa “fanaovana azy ho mandaitra” eo ambanin’ny lohateny kely hoe “fianarana Baiboly”, ao amin’ny Index 1986-1988. Na koa, nahoana raha mamaky indraindray fitantarana momba ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ny lohateny hoe “Fanompoana manontolo andro” dia mitondra anao ho amin’ny fitantarana momba ny fiainan’olona anankiray mitondra ny lohateny hoe “Azoko izay nirin’ny foko” na koa hoe “notahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitro” ohatra. Fitantarana hafa mitovy amin’izany no nosokajina ao amin’ny lohateny hoe “Misionera”. Farany, dia misy lisitra feno eo ambanin’ny lohateny hoe “Fitantarana ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah”.

5 Fitaovana tsara ho an’izay maniry hanangona torohevitra momba ny fiainam-pianakaviana ireo Index des publications de la Société Watch Tower. Maniry izahay ny hanampian’izany anareo hiantsoroka amim-pahafinaretana ny andraikitrareo ara-pianakaviana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara