Fivoriana ho amin’ny asa fitoriana
1-7 JOLAY
Foto-dresaka vaovao
1. Amin’ny fomba ahoana no hampidiranao ny bokikely “Indro”?
2. Amin’ny fomba ahoana no hifindranao avy eo amin’ny foto-dresaka ho amin’ilay bokikely atolotrao?
8-14 JOLAY
Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao mampiasa taratasy mivalona
1. Mba hampahafantaranao ny tenanao?
2. Rehefa sahirana ilay tompon-trano?
3. Mba hanombohana fampianarana eo amin’ny fitsidihana voalohany?
15-21 JOLAY
Fanehoana fahaiza-manavaka
1. Inona no mety hibaiko ny fotoana hijanonantsika ao amin’ny tranon’ny olona iray?
2. Raha sahirana ilay tompon-trano, inona no azonao lazaina mba hanokafana ny lalana ho an’ny fitsidihana any aoriana?
22-28 JOLAY
Amin’ny fanolorana bokikely
1. Iza amin’ireo bokikely no hatolotrao, ary nahoana?
2. Amin’ny fomba ahoana no hampifandraisanao ny fanolorana amin’ny foto-dresaka?
3. Amin’ny fomba ahoana no hitarihanao izany ho amin’ny fampianarana Baiboly?
29 JOLAY — 4 AOGOSITRA
Mba hanolokoloana ny fahalianana hita
1. Nahoana no zava-dehibe ny hitadidiana an-tsoratra ny fahalianana hita?
2. Inona avy no mamaritra ny fotoana tokony hiverenana hitsidika ilay olona?