Ampiasao Hampianarana Baiboly ny Bokikely Vaovao Tsara
1. Inona no mampiavaka ny bokikely Vaovao Tsara?
1 Hitantsika tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay fa anisan’ny fitaovana tena ilaina hampianarana Baiboly ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! Tsy nosoratana ao izay voalazan’ny andinin-teny, ka afaka mijery ny Baiboliny mivantana ilay olona rehefa mianatra. Azon’ny olona ianarana manokana ny ankamaroan’ny boky fianarana Baiboly ampiasaintsika. Io bokikely io kosa anefa natao hianarana miaraka amin’ny mpampianatra. Tokony hasehontsika amin’ny olona àry ny fomba fianarana azy io, rehefa manolotra azy isika. Ho hitany amin’izay fa mahafinaritra ny mianatra ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly.—Mat. 13:44.
2. Ahoana no azo ampiasana ny bokikely Vaovao Tsara rehefa mitory?
2 Rehefa mitory: Afaka miteny ianao hoe: “Sahiran-tsaina ny olona hoe hanao ahoana no hiafaran’ny fiainantsika. Araka ny hevitrao, mety hihatsara ihany ve izany? [Avelao izy hamaly.] Misy vaovao tsara ao amin’ny Baiboly, ary mahavelom-panantenana ilay izy. Valiana ao, ohatra, ireto fanontaniana ireto.” Omeo bokikely izy, ary asaivo mifidy fanontaniana iray eo amin’ny pejy 32. Atoroy azy ny fomba fianarana an’ilay izy, ka ampiasao ny fehintsoratra voalohany amin’ilay lesona nofidiny. Mety koa raha efa mifidy lesona iray mialoha ianao, ary fanontaniana miorina amin’io lesona io no anombohanao resaka amin’olona. Atoroy azy avy eo ny fomba hampiasana an’ilay bokikely, mba hahitana ny valiny ao amin’ny Baiboly. Raha misy video mifandray amin’ilay lesona koa ao amin’ny jw.org, dia azo aseho an’ilay olona.
3. Ahoana no atao rehefa mampianatra amin’ny bokikely Vaovao Tsara?
3 Rehefa mampianatra Baiboly: 1) Vakio aloha ny fanontaniana sora-matevina, mba hahatonga an’ilay mpianatra hifantoka amin’ny hevi-dehibe. 2) Vakio avy eo ny fehintsoratra. 3) Vakio ny andinin-teny natao sora-mandry, ary mametraha fanontaniana mety tsara, mba hanampiana azy hahita ny valin’ilay fanontaniana sora-matevina. 4) Raha mihoatra ny iray ny fehintsoratra eo ambanin’ilay fanontaniana, dia avereno isaky ny fehintsoratra ny dingana faha-2 sy faha-3. Afaka mampiseho video koa ianao. 5) Farany, apetraho amin’izay ilay fanontaniana sora-matevina mba hahalalana raha azony tsara ny fianarana.
4. Inona no hanampy anao hahay hampiasa tsara an’io bokikely io?
4 Ataovy izay hahaizanao mampiasa an’io fitaovana sarobidy io, ary ampiasao foana izy io. Eritrereto mialoha ilay mpianatra, sy ny fomba handresen-dahatra azy amin’ny alalan’ireo andinin-teny ao amin’ilay lesona. (Ohab. 15:28; Asa. 17:2, 3) Ho anisan’ny fitaovana tena tianao hampianarana Baiboly izy io, rehefa hainao tsara ny mampiasa azy.