Fivoriana ho amin’ny asa fanompoana
30 Septambra — 6 Oktobra: Fampisongadinana ny gazety Mifohaza! sy Réveillez-vous!
a) Ahoana no hampifandraisanao ny foto-dresaka amin’ny zavatra atolotra?
b) Fanazavana inona eo amin’ireo pejy faha-4 sy faha-5 amin’ny nomerao tsirairay avy no azo ampiasaina?
7-13 Oktobra: Fampidiran-dresaka
a) Nahoana no zava-dehibe ny hampiasana fampidiran-dresaka mandaitra? (rsMG p. 9)
b) Fampidiran-dresaka inona no ampiasainao?
14-20 Oktobra: Mifandray amin’ny foto-dresaka
a) Ahoana no hanjohianao hevitra raha milaza ilay tompon-trano fa efa manana ny fivavahany izy? (rsMG p. 17-18).
b) Inona no holazainao raha milaza aminao ilay tompon-trano fa tsy liana izy? (rsMG p. 16-17).
21-27 Oktobra: Fiverenana mitsidika
a) Fiomanana inona no ilaina hatao?
b) Ahoana no hampidiranao resaka rehefa miverina mitsidika ilay olona ianao?
28 Oktobra — 3 Novambra: Fampiasana ny zavatra atolotra amin’ny Novambra
Hevitra voafaritra tsara inona avy ao amin’ny boky Vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra no azo asongadina?