FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/91 p. 5
  • Fizarana faha-4: Mifampahereza hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fizarana faha-4: Mifampahereza hatrany
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fiaraha-miasa Amin’ny Mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona Misy Antsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Nahoana Isika no Mila ny Fianarana Boky?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Fizarana faha-3: Foibe iray ho an’ny asa fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 10/91 p. 5

Ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona

Fizarana faha-4: Mifampahereza hatrany

1 Afaka manana anjara misy heviny amin’ny fitomboan’ny hafa ao amin’ilay antokon’olona miara-mianatra ny bokin’ny kongregasiona iray ny tsirairay avy ao. Tiantsika rehetra ny hankatò ny baiko araka ny Soratra masina mba ‘hampandroso ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, indrindra satria mihantomotra ny farany’. — Heb. 10:24, 25.

2 Aoka Isika Hifanampy: Afaka manampy ny rehetra mba hisian’ny rivo-piainana feno hafanam-po sy fisakaizana ao amin’ny fianarana ny boky. Rehefa mampiseho fiheverana manokana ny mpikambana hafa ny tsirairay avy amintsika, dia mampitombo ny fifanakekezan’ny mpikambana ao amin’ilay antokon’olona. Ao amin’ny Galatiana 6:10 dia omena toromarika isika mba “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. Voamarikao ve, ohatra, rehefa misy marary ka tsy tonga any amin’ireo fivoriana ny sasany ao amin’ny fianarana ny boky? Angamba ianao afaka mifandray aminy an-telefaonina na mitsidika azy mihitsy. Mampifanatona kokoa ireo rahalahy ao amin’ny antokon’olona miara-manao fianarana ny boky ny toe-tsaina toy izany.

3 Moa ve misy mila fampaherezana noho ireo fanerena isan’andro, andraikitra ara-pianakaviana na zava-manahirana hafa? Inona no azonao atao mba hanampiana? Manaova fiezahana manokana mba hampidirana ny hafa ao amin’ny resaka ifanaovana any amin’ireo fivoriana, fa tsy hianina amin’ny fiarahabana azy ireo fotsiny. Ny sasany toa saro-kenatra nefa mitady olona hiresahana ary hanao izany raha hatonin’ny hafa. (uwMG p. 137-138). Nampirisika ny kristiana mba “hanao teny fampiononana amin’ny fanahy ketraka, hanohana ny malemy, hahari-po amin’ny rehetra” ny apostoly Paoly. (1 Tes. 5:14, MN). Raha marary na feno fahakiviana ny olona iray, dia mitondra fampaherezana toy inona moa ny fandalovan’ny namana mba hitsidika na hanolotra fanampiana! Matetika ny fahafantarana fotsiny fa misy olon-kafa miahy anao dia ampy.

4 Tiantsika koa ny hanaraka ireo fandaharana amin’ny asa fanompoana. Tokony hiezaka ny hiara-miasa amin’ny olona samy hafa ao amin’ilay antokon’olona isika. (2 Kor. 6:11-13; 12:15). Indraindray isika dia mety hangatahin’ilay mpitarika ny fianarana ny boky mba hanampy olona. Ahoana no ho fihetsitsika? Mahazo tanjaka lehibe ilay antokon’olona miara-manao fianarana ny boky rehefa miara-miasa ny mpitory tsotra sy ny mpitory maharitra eo am-panaovana ireo lafiny samihafa amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra.

5 Ohatry ny tena manokana: Misy fomba hafa ahafahanao mandray anjara amin’ny fandaharana amin’ny fianarana ny boky. Zava-dehibe ny ohatra tsara omenao. Ohatra, rehefa manao fitafiana toy ny rehefa hamonjy fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana ianao, dia mampiseho fanajana. Manome ohatra manorina ho an’ireo izay mety ho namboly fahazarana hanao fitafiana tsy mihaja loatra ianao. Ataonao fahazarana ve ny ho tonga ara-potoana mba tsy hanembantsembana ilay fivoriana?

6 Ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia fandaharana feno fitiavana avy amin’i Jehovah izay mila ny fanohanantsika feno. (Isaia 40:11). Izy io dia toerana ahafahantsika mahazo fanampiana manokana sy manome koa famelombelomana ara-panahy ny hafa. Aoka isika rehetra “tsy hitsahatra hifanome fampiononana sy fampaherezana” amin’ny fanohanana io fandaharana io amin’ny fomba feno. — 1 Tes. 5:11, MN.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara