Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amin’ny fanolorana fampianarana Baiboly any an-tokantrano
1 Ny takelaka fanampiny tamin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny volana Aogositra 1991 dia nampahatsiahy antsika ny amin’ny andraikitsika hamboly sy hanondraka eo amin’ny asa fanaovana mpianatr’i Kristy. Izy io dia nampiseho fa tokony ho voatosika hitarika fampianarana Baiboly noho ny fitiavantsika ireo olona izay manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana, isika. Ny fanolorantsika fampianarana Baiboly any an-tokantrano dia hanampy antsika hanatanteraka ny asa fanaovana mpianatra nasaina hataontsika. — Matio 28:19, 20.
2 Mahafinaritra ny mahita fa maro amintsika no nanomboka nanaraka ilay fampirisihana tsara dia tsara nomena. Mampiseho ireo tatitra fa maro be kokoa ny fampianarana Baiboly tarihina. Ny isan’ireo fampianarana Baiboly namerenana filazana asa teto Madagasikara dia nitombo teo amin’ny 10 isan-jato teo ho eo teo anelanelan’ny volana May 1990 sy ny volana May 1991. Azo antoka fa faly ireo izay vao nanomboka nitarika fampianarana fa anisan’ireo nanao ny asa fanaovana mpianatra. Ahoana anefa no hahafahan’ny maro kokoa ihany handray anjara amin’io lafiny mitondra valisoa amin’ny fanompoantsika io?
3 Ampiasao ny Zavatra Atolotra amin’ny Volana: Mety indrindra mba hanombohana fampianarana Baiboly vaovao ny volana Novambra. Hanolotra ny boky Vaovao tsara isika. Ny fomba tsara iray mba hampitomboana ny fahalianan’ilay tompon-trano dia ny fampiasana ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
4 Azontsika asongadina ny Baiboly amin’ny fampiasana ireo fampidiran-dresaka atolotra eo amin’ny pejy faha-10 sy faha-11 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Misy fomba dimy samihafa hitarihana ny saina ho amin’ny Baiboly voatanisa eo. Mety hanokatra ny lalana ho amin’ny fampianarana Baiboly ny fampirisihana ny olona hitady valiny ao amin’ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniana mipoitra eo amin’ny fiainana.
5 Eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Fianarana ny Baiboly any an-tokantrano” eo amin’ny pejy faha-12 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, dia misy fanoloran-kevitra roa izay mety hanampy mba hitarihana ny saina ho amin’ny boky Vaovao tsara. Izy roa ireo dia samy mampirisika ny fampiasana ilay boky amin’ny fomba voalamina tsara. Raha mampiasa ny fanolorana mivantana ianao, dia afaka manaraka ireo fanoloran-kevitra tsara dia tsara raketin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny volana Septambra 1991.
6 Mitokia amin’i Jehovah: Mba hahombiazana amin’ny asa fampianarana Baiboly, dia tsy maintsy tadidintsika fa tsy ho azo ny fahombiazana eo am-panolorana fampianarana Baiboly raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah. Izy no manana ny anjara raharaha lehibe indrindra eo amin’ny ezaka ataontsika mba hanampiana olona. (1 Kor. 3:6). Noho izany, dia tokony hivavaka isika, tsy hoe mba hahitana olona hampianarina fotsiny, fa momba ny fandrosoan’ireo izay hitantsika koa. (Jaona 16:23). Tsy maintsy tadidintsika fa “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika. — 1 Kor. 3:9.