FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/93 p. 1-3
  • Fanombohana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanombohana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Aoka isika hanomboka fampianarana amin’ny alal
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amin’ny fanolorana fampianarana Baiboly any an
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 9/93 p. 1-3

Fanombohana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano

1 Ny iray amin’ireo fanandraman-javatra misy vidiny sy mahafa-po hitan’ny Kristiana marina dia ny mampianatra olona iray ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Kanefa, mety tsy handray anjara amin’io endriny andraisan-tsoa amin’ny fanompoana io ny sasany noho ny fiheveran’izy ireo fa tsy mahay manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly izy ireo. Efa mba nihevitra toy izany ny mpitory sy ny mpisava lalana havanana maro. Kanefa, tamin’ny fitokiana tamin’i Jehovah sy tamin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, dia nianatra ny fomba hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly izy ireo ka nampitombo ny fifaliany teo amin’ny fanompoana. Azonao atao ny manana tanjona mitovy amin’izany.

2 Fampiasana ny fomba mivantana sy ireo taratasy mivalona: Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hanombohana fampianarana dia ny fomba mivantana. Ny ilain’ny olona sasany fotsiny dia fanasana azy ireo amin-kafanam-po mba hianatra ny Baiboly. Azo atao izany amin’ny fanontaniana fotsiny ilay tompon-trano toy izao: “Ho tianao ve ny hanana fampianarana manokana ny Baiboly atỳ an-tokantranonao sy hampitombo ny fahalalanao ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany?” Na ho azonao atao ny hilaza amin’ilay tompon-trano fa ho faly ianao hampiseho aminy ny fomba hitarihana fampianarana Baiboly ao an-tokantrano. Na dia mety handa izany fanolorana izany aza ny olona maro, dia eritrereto ange ny ho fifalianao amin’ny fahitana olona iray hanaiky izany e!

3 Ny fomba hafa iray hanombohana fampianarana Baiboly dia ny fampiasana iray amin’ireo taratasy mivalona ananantsika. Na dia kely velarana aza izy ireny, dia manolotra hafatra izay sady mahery no mandresy lahatra. Amin’ny fomba ahoana no azo anombohana fampianarana ao amin’ny taratasy mivalona iray? Amin’ny fanomezana fotsiny an’ilay tompon-trano taratasy mivalona iray, izay inoanao fa hahaliana azy. Avy eo, dia manomboha zavatra ary asao ilay tompon-trano hamaky ny fehintsoratra voalohany miaraka aminao. Jereo ireo andinin-teny voasoratra, ary iaraho mandinika ny fomba iharan’izy ireo amin’ny zavatra dinihina. Amin’ny fitsidihana voalohany, dia mety tsy handinika afa-tsy fehintsoratra iray na roa monja ianareo. Arakaraka ny hahatongavan’ilay tompon-trano amin’ny fankasitrahana fa mianatra zavatra mahaliana avy ao amin’ny Baiboly izy, dia mety ho afaka hampitombo ny fotoana laninao amin’ny dinidinika ataonareo ianao.

4 Fampiasana ny Baiboly fotsiny: Indraindray dia manaiky hiara-mandinika ny Baiboly ny olona iray nefa toa misalasala ny hanaiky fampianarana Baiboly araka ny fomba fanao na amin’ny fampiasana iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Kanefa azonao atao ny manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly amin’ny fanomanana dinidinika mahaliana avy ao amin’ny Soratra Masina, miorina amin’ireo fizarana ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay na ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, nefa amin’izay dia amin’ny fampiasana ny Baiboly fotsiny rehefa mitsidika ilay olona liana. Miankina amin’ny toe-javatra, dia mety haharitra 15 na 20 minitra, na elaela kokoa, ny dinidinika toy izany. Raha atao tsy tapaka sy amin’ny fomba miandalana ny fampianarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia efa nanomboka fampianarana Baiboly ianao, ary azo soratana eo amin’ny filazana asa izany. Rehefa mety ny fotoana hanaovana izany, dia ampidiro ny boky Hiaina Mandrakizay ary mitariha fampianarana ao amin’izy io araka ny fomba fanao.

5 Ankoatra ny fahitana ireo fahafahana eny amin’ny asa fanompoana, efa niezaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny mpiara-monina, tamin’ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra, na tamin’ireo anisan’ny fianakaviana ve ianao? Efa elaela ve izay? Efa nanandrana indray ve ianao tato ho ato? Raha tsy nahomby ny fomba fanaovan-javatra iray, efa mba nihevitra ny hanandrana hafa ve ianao?

6 Afaka ny hahita fahombiazana ianao amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly raha mampihatra ireo fanoloran-kevitra nomena, raha maharitra amin’ny asa fanompoana, ary raha matoky an’i Jehovah noho ny fitahiany. Aza manambany mihitsy ny herin’ny fahamarinana sy ny fanampiana omen’i Jehovah. Enga anie ianao hampitombo ny fifalianao eo amin’ny fanompoana, amin’ny fanombohana sy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara