FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/92 p. 5-6
  • Inona no holazainao rehefa miverina mitsidika ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no holazainao rehefa miverina mitsidika ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny firesahana amin’ny olona
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Kolokoloy Amim-pahaiza-manavaka ny Fahalianana Mandritra ny Vanin-taonan’ny Fety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampio ny Hafa Hianatra Momba an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 1/92 p. 5-6

Inona no holazainao rehefa miverina mitsidika ianao?

1 Ny fahitana vokatra eo amin’ny fanompoantsika dia mitaky fiomanana mba hahafahantsika hamelona indray ny fahalianan’ireo olona nampiseho fahalianana tamin’ny voalohany ka hanohy ny resaka aminy rehefa miverina mitsidika azy ireo isika. Ahoana no ahafahantsika manao izany?

2 Koa satria mihevitra amim-pahatsorana ny hafa ireo kristiana marina, dia mety hiresaka ny amin’izay nianaranao momba ilay tompon-trano tamin’ny fitsidihanao voalohany aloha ianao.

Amin’ny olona iray izay nampiharihary ny fanahiany momba ny heloka bevava, dia azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Fony isika nifampiresaka farany dia nilaza ianao fa nampanahy anao ny fitomboana niharihary teo amin’ny tsy fankatoavan-dalàna. Heverinao ve fa ny fampiasana pôlisy betsaka kokoa dia mety handamina io zava-manahirana io?”

Raha nilaza ny tebitebiny momba ireo fisehoan-javatra farany teo amin’ny toe-draharaha maneran-tany ny olona iray, dia azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Fony isika nifampiresaka farany dia nilaza zavatra nahaliana ianao momba ny tsy fisian’ny fiadanana eto an-tany. Heverinao ve fa hitondra fandehan-javatra vaovao ireo filoha eo amin’izao tontolo izao?”

Amin’ny olona iray izay sahiran-kevitra noho ny fitiavan-tenan’ny hafa, dia azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Fony isika nifampiresaka farany dia nilaza hevitra faran’izay tsara ianao momba ny faniriana mihoa-pampana hitantsika eo amin’ny olona amin’ny ankapobeny. Inona no heverinao fa fomba fihevitr’Andriamanitra momba ireo olona feno faniriana mihoa-pampana? [Avelao izy hamaly.] Izao no lazain’ny Baiboly ao amin’ny Efesiana 5:5, MN.”

3 Anisan’ireo teny nampiasaina tamin’ny fomba nandaitra ireto manaraka ireto:

◼ “Nahafinaritra ahy aoka izany ilay resaka nifanaovantsika farany iny, ka nanao fikarohana aho ary nahita ity hevitra fohy ity mba hampisehoana aminao fa hitan’i Jehovah ny fahoriana manjo ireo tsy manan-kialofana. Mariho ange ny Isaia 65:21-23 e.”

◼ “Nahafinaritra ahy ilay teninao hoe mila fitondram-panjakana tsara kokoa ny olombelona.”

◼ “Nanao fanontaniana mahaliana ianao momba ny hoe mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra avokoa ve ny fivavahana rehetra.”

◼ “Tena nahatonga ahy hieritreritra mihitsy ilay nolazainao momba ny lahatra iny.”

◼ “Nieritreritra momba ilay resaka nifanaovantsika aho, ary misy hevitra iray ato amin’ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany izay heveriko fa ho tianao. [Azo atao ny mampiseho hevitra nofidina vitsivitsy ao amin’ilay boky.]

Ny fampidiran-dresaka toy ireo dia mampiseho fa nankasitrahantsika ny resaka nifanaovantsika teo aloha, ary koa fa liana ny hiresaka amin’ilay tompon-trano indray isika.

4 Alohan’ny hanaovana ilay fiverenana mitsidika, dia asio fiheverana izay holazainao. Ampifanaraho amin’ny olona tsirairay ny fampisehoanao.

5 Raha sahirana ilay olona tsidihintsika, dia mbola mety hahita vokatra tsara isika amin’ny filazana hoe:

◼ “Fantatro fa tsy manana afa-tsy minitra vitsy monja ianao, nefa misy zavatra azonao eritreretina ity rehefa vitanao ny asanao. [Vakio Matio 5:3, MN.]

Na azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Nanoratra ireto andinin-teny telo ireto ho anao aho. Koa satria tsy fotoana tsara hiresahana izao, dia aoka havelako ho anao izy ireto, ary rehefa miverina aho, dia ho tiako ny haka dimy minitra mba hiresahana momba azy ireo aminao.”

6 Fomba fanombohan-dresaka tsy manorina tokony hohalavirina: Tsy miteraka vokatra tsara mazàna ireo fanontaniana izay mety hitarika ho amin’ny valinteny tsy manorina na mety hahasadaikatra ilay tompon-trano. Anisan’izany ny hoe: “Novakinao ve ilay zavatra navelako taminao?” “Manana fanontaniana ve ianao?” “Tadidinao ve aho?” “Tonga mitsidika aho mba hanontaniana raha mbola liana hiresaka momba ireo fikasan’Andriamanitra ho an’ity tany ity ianao.”

7 Ho dodona hitsidika ireo olona izay nampiseho fahalianana teo aloha isika raha miomana mialoha mba hanome azy ireo fanampiana izay tena misy heviny marina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara