Vaovao Teokratika
Congo: Faly izahay milaza aminareo fa nekena amin’ny fomba ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Novambra 1991 any amin’ny Repoblika demokratikan’i Congo.
Pérou: Ny fitambaran’isan’ny mpitory 39 104 tamin’ny Desambra, dia mampiseho fitomboana 12 isan-jato oharina amin’ny tamin’io volana io ihany tamin’ny herintaona. Ny miavaka dia ny hoe nahaforona 23 isan-jaton’ny fitambaran’isan’ny mpitory ireo mpitory maharitra 8 842.