Vaovao Teokratika
◆ Tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 274 tany Antigua tamin’ny volana Novambra, mampiseho fitomboana 14 isan-jato.
◆ Nanao ny fivoriamben’ny distrikany ny tany Liban tamin’ny Novambra, 3 794 no nanatrika ary 111 no natao batisa.
◆ Ny niavaka tamin’ny rapaoro avy any Pérou tamin’ny Novambra, dia ny fitambaran’isan’ny mpitory maharitra 8 440. Izany isa izany dia dia mampiseho 24 isan-jaton’ny mpitory ilay Fanjakana ao amin’io tany io.
◆ Nisy fitomboana 9 isan-jato tany Taiwan tamin’ny Novambra, tamin’ny isan’ny mpitory 1 770 namerina filazana asa. Tampon’isa vaovao koa no azo tamin’ny fampianarana Baiboly 2 848.
◆ Thailande dia nahazo tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 1 164 tamin’ny volana Novambra. Nisy fampianarana Baiboly 1 191 namerenana filazana asa, ny betsaka indrindra fantatra tamin’ny volana Novambra hatramin’izao.