Fanaovana ny Fanompoana Isan-trano Amin’ny Fomba Mandaitra
1 Amin’izao andro izao, dia torina manerana ny tany ny “vaovao tsara”. (Matio 24:14, NW). Izany dia tanterahina voalohany indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana isan-trano. — Asa. 20:20, 21.
2 Ireo fomba fampiseho ampiasaintsika dia tsy maintsy hisy heviny marina ho an’ireo olona hitantsika. Samy hafa ireo zavatra mahaliana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora. Koa ho tsara raha vonona ny hanana foto-kevitra ara-baiboly isan-karazany izay azo inoana fa hanintona ireo olona eo amin’ny faritanintsika, isika.
3 Ampiasao tsara ireo zavatra vita an-tsoratra: Ny boky Hiaina Mandrakizay dia mahafaoka foto-kevitra maro samihafa izay tokony hanintona olona be dia be any amin’ny faritra rehetra. Ireo sary sy fanoharana ao dia fanampiana mandaitra tsara. Manohina ny fo io boky io, sady manampy ny olona hahita ny ilany hanao fanapahan-kevitra, eny, hanova ireo zavatra inoany, ny fitondrantenany, ny fihetsiny ary ny fomba fiainany. Rehefa mahafantatra amin’ny fomba lalina ireo zavatra raketin’ny boky Hiaina Mandrakizay isika, dia ho afaka hifampiresaka amin’ny olona amin’ny fomba mandaitra momba ny karazana foto-dresaka maro isan-karazany. Izany dia hanampy antsika hanavaka ny halalin’ny fahalianan’ilay tompon-trano.
4 Mba hiasana amin’ny fomba mandaitra eo amin’ny fanompoana, dia mila ny maneho fiheverana manokana avy amin’ny fo isika. (Fil. 2:4). Miezaha hampifantoka ny resaka amin’ny loha hevitra iray momba ilay Fanjakana izay mahakasika ilay olona sy izay zavatra ilainy. Mitadiava hahatakatra ny fomba fisainan’ilay olona amin’ny fanaovana izay hiresahany, amin’ny alalan’ny fanontaniana mety tsara. Henoy amim-pitandremana ireo valinteniny. Mety hanampy anao hanavaka izay foto-kevitra hahaliana azy, ireo teny ataony. Maniry hanampy ny olona hahita ny hasarobidin’ny hafatra momba ilay Fanjakana isika, ary hampiseho amin’izy ireo ny fomba hianarana misimisy kokoa momba azy io. Nanazava ny mpivady iray fa nanaiky hitarihana fampianarana ny Baiboly any aminy izy ireo, satria naneho fiheverana manokana azy ireo tamim-pahatsorana ilay rahalahy nitsidika azy ireo.
5 Eny amin’ny faritany iasana matetika: Tena zava-dehibe indrindra ny fambolena ny fahaizana miasa amin’ny fomba mandaitra eny amin’ny faritany iasana matetika. Ny fanompoana mandaitra kokoa dia manampy antsika hanitatra ny faritanintsika. (wMG 15/10/88 p. 15-20). Tsy hiseho ho toy ny hoe mbola tsy nitsidika ilay trano mihitsy isika taloha, fa afaka mampiseho kosa fa tadidintsika ny fihetsik’ilay tompon-trano tamin’ny lasa ary hampiasa izany amim-pahombiazana isika. Afaka manisy firesahana momba ny fitsidihantsika teo aloha isika ary avy eo dia hanorina ny resaka amin’izay nolazaina tamin’izay. Ireo fomba fampiseho nanoroana hevitra tao amin’ireo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny lasa sy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, dia azo amboarina mba hifanaraka amin’izay ilain’ny olona eo amin’ny faritanintsika.
6 Mbola mihazona ny varavarana hisokatra amim-paharetana i Jehovah, mba hisian’ny olona maro kokoa ihany handray soa avy amin’ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Nandaitra ny fanompoan’i Jesosy noho ny fitiavany ny olona. (Marka 6:34). Moa ve isika manao izay rehetra azontsika atao mba hanarahana ny ohatra navelany? (1 Pet. 2:21). Aoka isika tsy hiahotra ny handray anjara amin’ny fomba feno sady mandaitra amin’ny fanompoana isan-trano. — 2 Tim. 4:5, NW.