Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara—Amin’ny alalan’ireo gazety ny amin’ny faritany voatsidika matetika
1 Vakintsika ao amin’ny Asa. 8:25 (MN) fa i Petera sy i Jaona dia nanao fanambarana feno tany Samaria ary avy eo dia nanambara ny “vaovao tsara tany amin’ny vohitra maro”. Amin’izao andro izao, dia tokony ho marisika koa isika amin’ny famitana ny faritany nanendrena ny kongregasionantsika mba hanaovana fanambarana feno.
2 Noho ny fitomboana haingana eo amin’ireo mpitory, dia kongregasiona maro no miasa amin’ny faritanin’izy ireo matetika tokoa. Ny fihetsitsika voalohany rehefa miasa ao amin’ireo faritany voatsidika matetika dia mety ho tsy manorina, tsy izany anefa no tokony ho izy. Ao amin’ny nomerao tsirairay avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, dia misy foto-dresaka vaovao sy mahaliana foana, izay azontsika zaraina amin’ireo olona eny amin’ny faritanintsika. Ary koa, noho isika mitety ny faritanintsika matetika kokoa, dia afaka manararaotra isika mba handany fotoana amboniny eny amin’ny varavarana tsirairay.
RESAKA ATAO AMIN’NY OLONA
3 Ny fanolorana ao anatin’ny fotoana tena fohy ny gazety dia natao mba hamitana ny faritanintsika rehetra ary mahatonga ho afaka hizara gazety. Kanefa, hampiseho fahendrena ireo mpitory miasa amin’ireo faritany voatsidika matetika raha mandany fotoana kokoa amin’ny firesahana amin’ireo tompon-trano. Na dia ny ankizy kely aza dia afaka mampitombo izay nahaliana azy ireo tao amin’ny lahatsoratra. Ahona no hahafahana manatanteraka izany? Tena zava-dehibe ny hahafantarana ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety. Izany dia mitaky fotoana sy fisaintsainana mialoha. Rehefa mamaky ireo gazety, dia fantaro mialoha hoe inona no mahaliana ireo olona ao amin’ny faritaninao. Avy eo, alohan’ny handehanana any amin’ny fanompoana, dia diniho tsara ilay gazety ary fidio ireo foto-dresaka izy hasehonao rehefa mifanehatra amin’ny toe-javatra samy hafa eny amin’ny isan-trano. Mampiasà iray amin’ireo hevitra tsara ao amin’ny gazety ho toy ny fototra hiorenan’ny fampidiran-dresakao. Sariho amim-pisakaizana ny sain’ilay tompon-trano mba hiresahany. Azo atao ny manolotra ny gazety amin’izay maneho fahalianana.
RAKETO AO AN-TSAINA NY ZAVA-KENDRENTSIKA
4 Ny zava-kendrentsika amin’ny fandehanana isan-trano dia tsy ny hijerena hoe gazety na boky firy no azontsika aely. Ny faniriantsika dia ny hanampy ny hafa ho tonga amin’ny fahalalana marina ny fahamarinana. Niresaka ny tenin’i Jehovah tamin’ireo Samaritana tamin’ny fomba feno i Petera sy i Jaona, ary irintsika koa ny handany ny fotoana mba hahitana fa ireo olona ao amin’ny faritanintsika dia omena fahafahana handray tsara ny fahamarinana.
5 Amin’ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ireo gazety ho toy ny fototry ny resadresatsika, dia afaka mahatratra io zava-kendrena io isika. Isika dia tokony hivavaka ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa mba hanomezana antsika “fahaiza-miteny mba hampahafantarana ny zava-mifina masina momba ny vaovao tsara (...) amim-pahasahiana.” — Efes. 6:18-20, MN.