FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/97 p. 3-6
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Kolokoloy ny Fahalianana Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 3/97 p. 3-6

Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika

1 Tianao ve ny manao fiverenana mitsidika? Mpitory maro no tia manao fiverenana mitsidika. Mety ho natahotahotra ianao tamin’ny voalohany, indrindra fa rehefa nitsidika tompon-trano tsy nampiseho afa-tsy fahalianana kely tamin’ny fitsidihanao voalohany. Rehefa ‘misikina fahasahiana amin’ny alalan’Andriamanitsika, mba hiteny momba ny vaovao tsara’ anefa ianao amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika, dia mety ho gaga hahita fa afaka ny ho tena mora sy mahafa-po io asa io. (1 Tes. 2:2, NW ). Ahoana izany?

2 Raha ny tena izy, dia misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny fiverenana mitsidika sy ny fitsidihana voalohany. Ny fiverenana mitsidika dia atao amin’ny olona efa fantatra, fa tsy amin’ny olon-tsy fantatra, ary mazàna no mora kokoa ny miresaka amin’ny olona efa fantatra. Raha ny amin’ny valisoa mahafa-po azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io kosa, ny fiverenana mitsidika dia mety hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly mamokatra.

3 Rehefa mitory isan-trano isika, dia miverimberina mitsidika olona tsy liana tamin’ny fitsidihantsika azy ireo teo aloha. Koa nahoana isika no tsy mitsahatra mitsidika azy ireny? Takatsika fa miova ny toe-javatra misy ny olona, ary koa fa ny olona iray izay toa tsy niraika, na nanohitra mihitsy aza, tamin’ny fitsidihana teo aloha, dia mety ho liana rehefa mitsidika azy amin’ny manaraka isika. Amin’ny fihazonana izany ao an-tsaina, dia miomana tsara isika, ary mivavaka mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah, mba hisy zavatra hanaitra ny fahalianany, amin’izay holazaintsika amin’io indray mitoraka io.

4 Raha toa isika, eo amin’ny fitoriana isan-trano ataontsika, ka vonona hitory amin’olona tsy nampiseho fahalianana mihitsy teo aloha, moa ve isika tsy tokony ho vao mainka ho vonona hiverina hitsidika izay rehetra mampiseho fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? — Asa. 10:34, 35.

5 Maro amintsika no ao amin’ny fahamarinana ankehitriny, satria nisy mpitory niverina nitsidika antsika tamim-paharetana. Raha iray amin’ireo ianao, dia mety hanontany tena hoe: ‘Nanao ahoana ny fihetsika voalohany hitan’iny mpitory iny teo amiko? Moa ve aho nanaiky avy hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana, rehefa nahare azy io voalohany? Nety ho toa tsy niraika ve aho?’ Tokony ho faly isika noho ilay mpitory niverina nitsidika antsika, nihevitra antsika ho mendrika ny hiverenana, ‘nisikina fahasahiana tamin’ny alalan’Andriamanitra’, nanao ilay fitsidihana, ary nampianatra antsika ny fahamarinana. Ahoana ny amin’ireo olona mampiseho fahalianana amin’ny voalohany, nefa any aoriana dia toa mandositra antsika? Tena zava-dehibe ny fihetsika manorina, araka ny asehon’izao fanandraman-javatra manaraka izao.

6 Teo am-pitoriana teny amin’ny arabe vao maraina, dia nahita ramatoa tanora iray nanosika posiposin-jaza ny mpitory roa. Nandray gazety iray ilay vehivavy ary nanasa an’ireo anabavy ho any an-tranony ny alahady nanaraka. Tonga tany amin’ilay fotoana nifanaovana izy ireo, nefa nilaza ilay tompon-trano hoe tsy nanam-potoana hiresahana. Nampanantena anefa izy fa hanam-potoana ny herinandro nanaraka. Tsy dia nino ireo anabavy hoe hitana ny teniny izy. Niandry azy ireo anefa ilay ramatoa rehefa niverina izy ireo. Natomboka ny fianarana, ary nahazendana ny fandrosoan’ilay vehivavy. Tao anatin’ny fotoana fohy izy dia nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka sy nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Vita batisa izy ankehitriny.

7 Mametraha fototra dieny eo amin’ny fitsidihana voalohany: Ny fototry ny fiverenana mitsidika mahomby dia apetraka dieny eo amin’ny fitsidihana voalohany matetika. Henoy amim-pitandremana ireo teny ataon’ilay tompon-trano. Mampahafantatra inona aminao izy ireny? Tia fivavahana ve izy? Miahy ny amin’ny raharaha ara-tsosialy ve izy? Moa ve izy liana amin’ny siansa? amin’ny tantara? amin’ny tontolo iainana? Amin’ny faran’ilay fitsidihana, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana iray mampieritreritra, sy mampanantena ny hiresaka momba ny valiny omen’ny Baiboly, rehefa hiverina ianao.

8 Ohatra, raha mandray tsara ny fampanantenan’ny Baiboly tany ho zary paradisa ilay tompon-trano, dia mety hety tsara ny resaka fanampiny momba io foto-kevitra io. Alohan’ny handehananao, dia ho azonao atao ny hanontany hoe: “Ahoana no ahafahantsika matoky fa hanatanteraka io fampanantenana io Andriamanitra?” Avy eo, dia manampia teny hoe: “Angamba aho afaka mandalo rehefa ato an-trano daholo ny fianakaviana manontolo, amin’izay dia ho afaka hampiseho aminareo ny valiny omen’ny Baiboly ho an’io fanontaniana io aho.”

9 Raha tsy nampiseho fahalianana tamin’ny foto-kevitra manokana iray ilay tompon-trano, dia azonao atao ny mametraka iray amin’ireo fanontaniana asongadina ao amin’ireo fomba fampiseho eo amin’ny pejy farany amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, sy mampiasa azy io ho fototry ny resakao manaraka.

10 Mihazòna fandraisana an-tsoratra marina: Tokony ho marina sy feno ny fandraisanao an-tsoratra isan-trano. Soraty ny anarana sy ny adiresin’ilay tompon-trano raha vantany vao mandao an’ilay trano ianao. Aza vinavinaina fotsiny ny nomeraon’ilay trano na ny anaran’ilay lalana — hamarino ilay izy mba tsy ho diso. Soraty ny mombamomba an’ilay olona. Mariho ilay foto-kevitra noresahinareo, ireo andinin-teny novakinao, izay zavatra vita an-tsoratra napetrakao, ary ilay fanontaniana hovalianao rehefa hiverina ianao. Ampidiro koa ny andro sy ny fotoana nanaovanao ilay fitsidihana voalohany sy ny fotoana nolazainao fa hiverenanao. Feno izao ny fandraisanao an-tsoratra, ary aza ariana! Ataovy ao amin’ny toerana azo antoka ilay izy, mba hahafahanao hijery azy any aoriana. Aza mitsahatra mieritreritra momba ilay olona sy ny fomba hitondranao ilay fitsidihana manaraka.

11 Fantaro ireo zava-kendrenao: Voalohany aloha, dia manehoa hafanana sy fihetsika sariaka, ary ataovy izay rehetra azonao atao mba tsy ho saikatra ilay tompon-trano. Asehoy fa liana ny aminy ianao, nefa aza mitsabaka amin’ny raharahany manokana. Manaraka izany, dia ampahatsiahivo azy izay fanontaniana napetrakao tamin’ilay fitsidihana teo aloha. Henoy amim-pitandremana ny fomba fiheviny, ary manehoa fankasitrahana feno fahatsorana an’ireo teny ataony. Avy eo, dia asehoy hoe nahoana no azo ampiharina ny fomba fijerin’ny Baiboly. Raha azo atao, dia sariho ny sainy ho amin’ny hevitra iray ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay mifandray amin’ilay foto-kevitra. Tadidio tsara ao an-tsaina fa ny zava-kendrenao lehibe indrindra, rehefa manao fiverenana mitsidika, dia ny hanomboka fampianarana Baiboly.

12 Ny fomba fiteny mivantana ao amin’ny boky Fahalalana dia nanosika ny maro amintsika ‘hisikina fahasahiana’ any amin’ireo fampianarana Baiboly, mba hampirisika an’ireo mpianatra hanatrika fivoriana sy hifanerasera amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tamin’ny lasa, dia nirona hiandry mandra-pahavitan’ilay olona fianarana efa elaela isika, vao nanasa azy hifanerasera tamintsika. Ankehitriny, dia mpianatra maro no manatrika fivoriana raha vao manomboka mianatra, ary ho vokany dia mandroso haingana kokoa izy ireo.

13 Nitory tsy ara-potoana tamin’ny mpiara-miasa iray ny mpivady iray. Rehefa naneho fahalianana tamin’ny fahamarinana izy io, dia nasain’izy ireo hianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky Fahalalana. Niaraka tamin’izay koa, dia nilazan’izy ireo izy fa tokony hanatrika ireo fivoriana, izay hamaliana ny maro tamin’ireo fanontaniany. Tsy vitan’ny hoe nanaiky avy hatrany ny fanasan’izy ireo hianatra izy, fa nianatra indroa isan-kerinandro koa, no sady nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

14 Ampiasao ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?: Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, isika dia nahazo ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Io bokikely io dia manampy hanomboka fampianarana Baiboly amin’olona matahotra an’Andriamanitra, na toy inona na toy inona fari-pahaizany. Mirakitra fianarana feno izy io, ka mamelabelatra ireo fampianarana fototry ny Baiboly. Ho fitaovana tena hahomby io zavatra vita an-tsoratra io, mba hampitana ny fahalalana an’Andriamanitra. Manazava ny fahamarinana amin’ny fomba mazava sady tsotra aoka izany izy io, hany ka saika ny tsirairay amintsika no ho afaka hampiasa azy io mba hampianarana amin’ny hafa ireo zavatra takin’Andriamanitra. Azo inoana fa mpitory maro no hanana tombontsoa hitarika fampianarana Baiboly amin’ny alalan’io bokikely io.

15 Ny olona sasany izay mahatsapa ho tsy manam-potoana hianarana ny boky Fahalalana, dia mety ho vonona hanaraka fotoam-pianarana fohy amin’ny alalan’ny bokikely Takina. Hientam-po izy ireo noho izay hianarany! Ao anatin’ny pejy roa na telo monja izy ireo dia hahita valiny ho an’ireo fanontaniana nosaintsainin’ny olona nandritra ny taonjato maro: Iza moa Andriamanitra? Iza moa ny Devoly? Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany? Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Ahoana no ahafahanao mahita ny fivavahana marina? Na dia mampiseho ny fahamarinana amin’ny teny tsotra aza ilay bokikely, ny hafatra ao anatiny dia tena mahery. Mamelabelatra hevitra fototra izay hodinihin’ireo loholona miaraka amin’ireo mpilatsaka hatao batisa izy io, ary azo ampiasaina mba hiampitana ho amin’ny fianarana lalina kokoa amin’ny boky Fahalalana.

16 Mba hanolorana fampianarana amin’ny fiverenana mitsidika, dia azonao atao ny milaza fotsiny hoe: “Fantatrao ve fa ao anatin’ny minitra vitsivitsy monja dia afaka mahazo ny valiny ho an’ny fanontaniana ara-baiboly lehibe iray ianao?” Avy eo, dia mametraha fanontaniana iray hita eo am-piandohan’ny iray amin’ireo lesona ao amin’ilay bokikely. Ohatra, raha mitsidika olona be taona iray ianao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe: “Fantatsika fa tamin’ny lasa i Jesosy dia nanasitrana olona. Amin’ny hoavy anefa, inona no hataon’i Jesosy ho an’ny marary? ho an’ny zokiolona? ho an’ny maty?” Hita ao amin’ny lesona faha-5 ny valiny. Ny sain’ny olona iray tia fivavahana dia mety ho voakitikitik’ilay fanontaniana hoe: “Mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra?” Valiana ao amin’ny lesona faha-7 izany. Ireo mpianakavy dia haniry hahafantatra hoe: “Inona no takin’Andriamanitra amin’ny ray aman-dreny sy amin’ny zanaka?” Hahafantatra izany izy ireo amin’ny fianarana ny lesona faha-8. Ny fanontaniana hafa dia hoe: “Afaka mitondra fahavoazana ho an’ny velona ve ny maty?”, hazavaina ao amin’ny lesona faha-11; sy ny hoe “Nahoana no misy fivavahana maro be aoka izany izay mihambo ho Kristiana?”, resahina ao amin’ny lesona faha-13; ary ny hoe “Inona no tsy maintsy ataonao mba hahatongavana ho sakaizan’Andriamanitra”, velabelarina ao amin’ny lesona faha-16.

17 Ampio ireo izay miteny vahiny: Ahoana ny amin’ireo tompon-trano izay miteny vahiny? Raha azo atao, dia tokony hampianarina amin’ilay fiteny hainy indrindra izy ireo. (1 Kor. 14:9). Ny mpiandraikitra ny tanàna (na ny mpiandraikitra ny fizaran-tany any amin’ny faritra ambanivohitra) dia mety ho afaka hanome ny fanazavana momba ireo kongregasiona na groupes miteny vahiny ao amin’ilay faritra. Ny mpitan-tsoratra dia ho afaka handefa izay “Taratasy Kely Fanohizana ny Fifandraisana Amin’ireo Miteny Vahiny” (S-70a-MG) rehetra azony avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona, any amin’ilay kongregasiona na groupe mifanentana. Raha tsy misy kongregasiona na groupes eo akaiky, na mpitory eo an-toerana, afaka miteny ny fitenin’ilay tompon-trano, dia afaka miezaka hiara-mianatra amin’ilay tompon-trano ilay mpitory, amin’ny fampiasana ny bokikely Takina amin’ny fiteny roa.

18 Ny mpitory iray niteny anglisy dia nanomboka fampianarana tamin’ny lehilahy iray niteny vietnamiana sy tamin’ny vadiny niteny tailandey. Zavatra vita an-tsoratra sy Baiboly tamin’ny teny anglisy sy vietnamiana ary tailandey no nampiasaina nandritra ny fianarana. Na dia zava-tsarotra aza ny fahasamihafan’ny fiteny tamin’ny voalohany, dia hoy ny nosoratan’ilay mpitory: “Nanomboka avy hatrany ny fitomboana ara-panahin’ilay mpivady. Hitan’izy ireo fa nila nanomboka nanatrika fivoriana niaraka tamin’ireo zanany roa izy ireo, ary miara-mamaky ny Baiboly amin’ny alina ilay fianakaviana. Mitarika ny fianarany Baiboly manokana ilay zanany vavy enin-taona.”

19 Rehefa miara-mianatra amin’olona miteny vahiny ianao, dia mitenena miadana, manonòna tsara sy mazava, ary mampiasà teny sy fitambaran-teny tsotra. Tazòny ao an-tsaina anefa, fa ireo olona miteny vahiny dia tokony hoentina amim-pahamendrehana. Tsy tokony hoentina toy ny zazakely izy ireo.

20 Ampiasao tsara ireo sary tsara tarehy ao amin’ny bokikely Takina. Raha “mitovy amin’ny teny arivo ny sary iray”, ireo sary am-polony maro ao amin’ilay bokikely dia tena hilaza zavatra maro amin’ny tompon-trano. Asao izy hamaky ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboliny manokana. Raha azo tarihina amin’ny fotoana maha-eo ny mpianakavy iray miteny malagasy sy afaka mandika teny ilay fianarana, dia tsy isalasalana fa tena hahasoa izany. — Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Oktobra 1990, pejy 7-8; Martsa 1984, pejy 8.

21 Manaova fiverenana mitsidika tsy misy hataka andro: Tokony hiandry hafiriana ianao alohan’ny hiverenana hitsidika olona iray? Ny mpitory sasany dia miverina rehefa afaka iray na roa andro. Ny hafa miverina ny androtr’iny ihany! Aloha loatra ve izany? Mazàna dia toa tsy mampaninona an’ireo tompon-trano izany. Ilay mpitory manao ilay fitsidihana matetika no mila mamboly fihetsika manorina kokoa, miaraka amin’ny fahasahiana kely. Diniho ireto fanandraman-javatra manaraka ireto.

22 Nitory isan-trano ny mpitory iray 13 taona indray andro, rehefa nahita vehivavy roa niara-nandeha an-tongotra. Nahatsiaro ilay fampirisihana hitory amin’ny olona na aiza na aiza ahitantsika azy ireny izy, ka nanatona an’ireo vehivavy ireo teny amin’ny arabe. Nampiseho fahalianana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo, ka samy nandray boky Fahalalana iray avy. Naka ny adiresin’izy ireo ilay rahalahy tanora, ka niverina rehefa afaka roa andro, ary nanomboka fianarana Baiboly tamin’ny tsirairay taminy.

23 Ny anabavy iray dia manao fandaharana mba hiverina hitsidika ireo olona ny herinandro manaraka. Iray na roa andro aorian’ny fitsidihana voalohany anefa, dia mandalo ao amin’ilay tompon-trano izy mba hanomezana azy gazety iray momba ilay foto-kevitra noresahin’izy ireo teo aloha. Hoy izy amin’ilay tompon-trano: “Nahita itỳ lahatsoratra itỳ aho ary nieritreritra fa ho tianao ny hamaky azy. Tsy afaka mijanona mba hiresaka aho izao, fa hiverina amin’ny alarobia tolakandro, araka ny fotoana nifanaovantsika. Mbola mety aminao ihany io fotoana io?”

24 Rehefa mampiseho fahalianana amin’ny fahamarinana ny olona iray, dia azontsika antoka fa ho tojo fanoherana izy, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona. Ny fiverenantsika tsy ela aorian’ny niresahantsika taminy voalohany dia hanatanjaka azy hahatohitra izay fanerena hatrehiny avy amin’ny havany sy ny namany akaiky ary ny hafa.

25 Kolokoloy ny fahalianan’ireo izay hita eny amin’ny toeram-bahoaka: Maro amintsika no tia mitory eny amin’ny arabe, ny parkings, ny fitateram-bahoaka, ny toerana feno fivarotana, ny zaridainam-bahoaka, ary ny toy izany. Fanampin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra, dia mila manolokolo fahalianana isika. Mba hahatongavana amin’izany, dia tokony hiezaka hahazo ny anarana sy ny adiresy ary, raha azo atao, ny nomeraon-telefaonin’ny olona tsirairay hitantsika, isika. Tsy sarotra araka ny mety hiheveranao azy ny mahazo ireo zavatra ireo. Rehefa hifarana ilay resaka, dia avoahy ny fakanao an-tsoratra ary manontania hoe: “Misy fomba azoko anohizana iny resaka iny amin’ny fotoana hafa ve?” Na hoe: “Tiako ny hamakianao lahatsoratra iray izay inoako fa hahaliana anao. Azoko entina any an-tranonao na any amin’ny biraonao ve ilay izy?” Ny rahalahy iray dia manontany fotsiny hoe: “Firy ny nomeraon’ny telefaonina azoko iantsoana anao?” Mitatitra izy fa tao anatin’ny telo volana dia ny rehetra, afa-tsy olona telo, no faly nanome azy ny nomeraon-telefaoniny.

26 Kolokoloy ny fahalianana hita eny amin’ny toeram-pandraharahana: Be lavitra noho ny fanolorana gazety fotsiny no tafiditra amin’ny fitoriana isam-pivarotana. Mpivarotra maro no liana amim-pahatsorana amin’ny fahamarinana, ary tsy maintsy kolokoloina izany fahalianana izany. Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho azo atao ny manao resaka ara-baiboly na ny mianatra eo amin’ilay toerana mihitsy aza. Amin’ny toe-javatra hafa, dia mety ho afaka hihaona amin’ny fiatoana antoandro na amin’ny fotoana mety hafa ianao sy ilay olona liana.

27 Nitsidika mpivarotra enta-madinika iray ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, ary nanolotra ny hampiseho ny fomba fanaovana fianarana Baiboly. Rehefa nanontaniana ilay mpiandraikitra mpitety faritany hoe hafiriana no haharetan’ilay fampisehoana, dia nilaza hoe 15 minitra monja. Avy hatrany dia nanantona soratra hoe “Hiverina Afaka 20 Minitra” teo am-baravarana ilay mpivarotra, naka seza roa, ary dia nandinika ireo fehintsoratra dimy voalohany ao amin’ny boky Fahalalana izy mirahalahy. Nanohina an’io lehilahy tso-po io aoka izany izay nianarany, ka nanatrika ny Lahateny Ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izy ny alahadin’iny ary nanaiky hanohy ny fianarana ny herinandro nanaraka.

28 Mba hanolorana fampianarana eny amin’ny toeram-pandraharahana, dia ho azonao atao ny hilaza toy izao: “Tsy maharitra afa-tsy 15 minitra monja ny fampisehoanay ny fandaharam-pampianarana Baiboly ataonay. Raha mety, dia ho faly aho hampiseho aminao ny fomba fanaovana azy.” Avy eo dia hajao ilay fotoana nolazainao. Raha tsy azo atao ny miresaka ela eo amin’ny toeram-pandraharahana iray, dia mety hety kokoa ny hitsidihana ilay mpivarotra any an-tranony.

29 Miverena na dia tsy nisy zavatra vita an-tsoratra voapetraka aza: Mendrika ny hanaovana fiverenana mitsidika ny fahalianana bitika kely rehetra, na nisy zavatra vita an-tsoratra voapetraka na tsia. Mazava ho azy fa raha manjary miharihary fa tena tsy liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ilay tompon-trano, ny tsara indrindra dia ny hampitodihana ny ezaka any amin’olon-kafa.

30 Teo am-pitoriana isam-baravarana, ny anabavy iray dia nahita ramatoa iray sariaka be, nefa nanda mafy ireo gazety. Hoy ny nosoratan’ilay mpitory: “Nieritreritra momba azy nandritra ny andro maro aho, ary nanapa-kevitra fa naniry hiresaka taminy indray.” Farany dia nivavaka ilay anabavy, nisikina herim-po ary nandondòna teo am-baravaran’ilay ramatoa. Faly erỳ izy rehefa nampandrosoin’ilay tompon-trano. Natomboka ny fianarana Baiboly, ary notarihina indray ny ampitson’iny. Tatỳ aoriana, dia tonga tao amin’ny fahamarinana io tompon-trano io.

31 Manaova fandaharana mialoha mba hanatontosana be indrindra: Anoroana hevitra ny hanokanana fotoana isan-kerinandro hanaovana fiverenana mitsidika. Be dia be no ho tontosa amin’ny fanaovana fandaharana tsara mialoha. Fiverenana mitsidika any amin’ny faritra hanaovanao fitoriana isan-trano no omano hatao.

32 Ireo izay mahomby eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika sy ny fanombohana fampianarana Baiboly dia milaza fa tena ilaina ny maneho fiheverana manokana an’ireo olona, sy ny mieritreritra momba azy ireo foana, na dia aorian’ilay fitsidihana aza. Tena ilaina koa ny manana foto-kevitra ara-baiboly manintona horesahina, sy ny mametraka ny fototra ho an’ny fiverenana mitsidika, alohan’ny hifaranan’ilay fitsidihana voalohany. Ankoatra izany, dia zava-dehibe ny miverina haingana mba hanolokoloana ny fahalianana. Tsy maintsy tadidina ao an-tsaina tsara foana ny zava-kendrena, dia ny hanomboka fampianarana Baiboly.

33 Ny toetra tena lehibe dia lehibe mba hahombiazana eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika dia ny fahasahiana. Ahoana no hahazoana azy io? Mamaly izany ny apostoly Paoly amin’ny filazana fa ‘misikina fahasahiana’ hanambara ny vaovao tsara amin’ny hafa isika, “amin’ny alalan’Andriamanitsika”. Raha mila mampitombo azy io ao aminao ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana. Avy eo, mifanaraka amin’ny vavaka ataonao, dia kolokoloy ny fahalianana rehetra. Tsy maintsy hitahy ny ezaka ataonao i Jehovah!

[Efajoro, pejy 3]

Ny Fomba Hahombiazana eo Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika

■ Manehoa fiheverana manokana feno fahatsorana an’ireo olona.

■ Mifidiana foto-kevitra ara-baiboly manintona horesahina.

■ Mametraha fototra ho an’ny fitsidihana manaraka tsirairay.

■ Mieritrereta momba ilay olona foana rehefa avy mandao azy ianao.

■ Miverena rehefa afaka iray na roa andro mba hanolokoloana ny fahalianana.

■ Tadidio ao an-tsaina fa ny zava-kendrenao dia ny hanomboka fampianarana Baiboly.

■ Mivavaha mba hahazoana fanampiana hisikina fahasahiana hanao io asa io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara