Fianarana ny Boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
1 Amin’ny herinandron’ny 26 Oktobra isika dia hanomboka hianatra ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Ho fifaliana toy inona moa ny fandinihana indray ny momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy Kristy! Koa satria toa tsy mitovy amin’ny an’ny boky hafa efa nianarantsika ny fomba nanaovana io boky io, dia hanampy antsika ireto torolalana vitsivitsy ireto.
2 Tsy misy nomerao ireo pejin’ilay boky, noho izany dia ireo toko natao hianarana, mazàna telo na efatra isan-kerinandro, no haseho ao amin’ny fandaharana havoaka ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ny toko faha-35, faha-111 ary faha-116 dia lava kokoa, ka samy hozaraina mba hianarana mandritra ny fianarana roa avy izy ireo. Rehefa avy nanasa rahalahy mahafeno fepetra iray hamaky ny toko manontolo iray (na ny fizarana manontolo iray eo ambanin’ny lohatenikely iray, toy ny ao amin’ny toko faha-35, faha-111 ary faha-116) ilay mpitarika ny fianarana, dia hilaza ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ilay toko izay mifanaraka amin’izy io na amin’ilay fizarana vao avy novakina. Tsy hita mifampitohy foana ao amin’ilay toko akory ny valin’ireo fanontaniana. Tokony hiorina amin’ilay fanazavana ao amin’ilay fianarana ireo valin-teny fohy sady voafaritra tsara.
3 Aorian’izany, raha mamela hanao izany ny fotoana, dia tokony hovakina ireo andinin-teny rehetra voalaza eo amin’ny faran’ilay toko. Ireo andinin-teny lava kokoa voalaza eo dia azo zarazaraina mba hamelana ireo mpitory samihafa hifandimby handray anjara amin’ny famakiana azy ireo, ary avy eo dia azo atao ny manome fanazavana momba izay vao avy novakina. Ireo fanontaniana voafaritra tsara nomanin’ilay mpitarika dia hanampy ireo mpanatrika hanome valin-teny misy heviny izay hampiseho ny fomba ifandraisan’ireo andinin-teny novakina amin’izay asongadina ao amin’ilay boky. Ireo fanontaniana sy valin-teny rehetra dia tokony hanampy ny mpanatrika hampifantoka ny sainy amin’i Jesosy Kristy, ny fomba fiaina narahiny ary ireo fampianarany.
4 Ny boky Lehilahy Niavaka dia mandinika ny fiainan’i Jesosy araka ny filaharan’ny fotoana. Ny fakana sary an-tsaina ireo zava-niseho ary ny fampifantohana ao an-tsaina ny toerana nitrangan’izy ireo dia tena afaka manampy antsika hitadidy azy ireo. Noho izany, dia aza hadinoina ny mijery ireo sary manintona ny maso ao amin’ilay boky ary jereo matetika koa ilay sarintany hita eo am-piandohany, aorian’ny teny fampidirana.
5 Ny teny fampidirana ilay boky dia hodinihina amin’ny herinandro voalohany. Rehefa voavaky ny fehintsoratra rehetra eo ambanin’ny lohatenikely iray, dia hilaza fanontaniana mifanentana tsara izay efa nomaniny mialoha ilay mpitarika. Io fandinihana voalohany io dia hanome ny ohatra tokony harahina amin’ireo fianarana hanaraka izany mandritra ny taona ho avy. Ny fahombiazana hamita ny natao hianarana amin’ny herinandro dia hiankina be dia be amin’ny fanomanana hataon’ny mpanatrika rehetra. Ilay mpitarika indrindra indrindra no tokony hiomana tsara isan-kerinandro mba hahafahany hanampy ilay antokon’olona hahafantatra tsara ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia ny Tompontsika sady Mpamonjy antsika, i Jesosy Kristy.