Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona
Fizarana 1: Ny andraikitry ny mpitarika ny fianarana ny boky
1 Mandray anjara lehibe dia lehibe eo amin’ny fitomboan’ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ny ara-panahy ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Mandritra ireo volana ho avy isika dia handinika lafiny samihafa amin’ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona ary hamakafaka ny fomba hahazoantsika soa avy aminy. Amin’ity lahatsoratra ity isika dia hifantoka amin’ny fomba hahafahan’ny mpitarika ny fianarana ny boky hanao izay hahatonga ny fianarana hampahery sady hanatanjaka ny finoana.
2 Mba hahafahany hahita vokatra tsara amin’ny fampianarany, dia tokony hanomana tsara ilay mpitarika. Amin’ny maha-mpianatra ny Tenin’Andriamanitra mitandrina azy, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mahafantatra ny valin’ny fanontaniana tsirairay izy, fa tokony hahatakatra ny antony maha-marina izany valinteny izany koa. Tokony hiezaka izy mba hanampy ny rehetra ao amin’ny fianarana hahafantatra ireo antony mitarika ho amin’ireo valinteny. (1 Pet. 3:15). Izany dia handalina ny fankasitrahan’izy ireo ilay zavatra ianarana.
IREO ZAVA-KENDRENA EO AM-PITARIHANA NY FIANARANA
3 Ny zava-kendren’ilay mpitarika dia ny hampiasa ilay zavatra ianarana mba hanatanjahana ny finoan’ny rehetra manatrika ary mba hanomezana azy ireo antony manosika azy haniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. (Sal. 110:3; 2 Tes. 1:3-5). Mba hanatanterahana izany, ilay mpitarika dia tsy maintsy miato amin’ny fotoana mety mba ‘handentehana tsara’ ireo hevitra izay manorina fatokiana feno fahatsorana an’i Jehovah, ny Teniny ary ny fandaminany. (Gal. 6:6, MN misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy). Azo ampiasaina ny fanontaniana atao amim-pahakingana mba hamoahana ireo fanazavana manorina ny finoana raha mamela ny fotoana.
4 Ny zava-kendrena hafa iray dia ny hanampy ny rehetra hahita ny fomba hahafahany mampihatra ilay zavatra ianarana. Ahoana no hahafahany hampiasa azy io eo amin’ny fanompoana? Amin’ny fampaherezana ireo rahalahy ary koa ireo vaovao? Amin’ny fanatanjahana ny fianakaviany ary koa ny tenany? Eo am-panomanany ny fianarana tsirairay, ny mpitarika ny fianarana ny boky dia tokony hiezaka hamantatra mazava ny fampiharana ireo hevitra voafaritra tsara ao amin’ilay fianarana.
5 Ny fanazavana sasany dia azo ampiasaina mba hanampiana ireo havana tsy mino, ireo iray kilasy na ireo mpiara-miasa. Ny zavatra ianarana hafa dia mety hanampy ireo izay ao amin’ny tokantrano voazarazara na angamba ao amin’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny. Azon’ilay mpitarika atao ny mampilaza ny mpanatrika ny heviny amin’ny fanampiana azy ireo hanjohy hevitra sy hahita ny fomba hahafahany hampihatra ilay zavatra ianarana sy dinihina. Tokony hiezaka mafy ilay mpitarika mba hihazona ilay fianarana hahaliana, amin’ny fanaovana azy io ho mihoatra noho ny fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny fotsiny. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 14:9, 19.
MANEHOA FIHEVERANA MANOKANA
6 Amin’ny fanehoana fiheverana manokana ny tsirairay avy ao amin’ilay fianarana ny boky, ilay mpitarika dia afaka mampirisika ny fandraisana anjara feno. Azo atao ny manendry ireo saro-kenatra mialoha mba hamaky andinin-teny, na koa ny manome azy mialoha fanontaniana mba hanomanany ny valiny. Tokony hiezaka mafy mba hamaly amin’ny fomba fiteniny manokana ny rehetra. Amin’ny fihainoana amim-pitandremana ireo fanazavana, ilay mpitarika dia afaka mamantatra raha misy mila fanampiana manokana. Afaka mampiasa ireo za-draharaha kokoa ao amin’ilay fianarana ny boky izy mba hanampy amin’ny fanomezana fiheverana manokana toy izany.
7 Fitahiana ho antsika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Manome antsika ny fahafahana hihaona eo anivon’ny antokon’olona vitsy izy io ary koa handray fanehoana fiheverana manokana kokoa. Na oviana na oviana isika dia tsy tokony hihevitra azy io ho tsy dia zava-dehibe toy ireo fivoriana hafa. Ny mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona misy anao dia mandray amim-pitandremana ny andraikiny hanararaotra ny fianarana tsirairay avy mba hanatanjahana ny finoanao an’i Jehovah ary hanorenana ny fankasitrahanao ireo fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah.