Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Hatraiza no hahazoan’ireo zanaka kelin’ny ray aman-dreny kristiana handray anjara amin’ny asa fanompoana alohan’ny hanekena azy ireo ho mpitory tsy vita batisa?
Ny ray aman-dreny kristiana dia maniry ny hitomboan’ny zanany ho tonga mpanompon’i Jehovah matotra sy be fandavan-tena. (1 Sam. 2:18, 26; Lioka 2:40). Na dia mbola kely dia kely aza ireo ankizy ao amin’ny ankohonana kristiana dia tokony ho afaka hiaro ny finoany miorina amin’ny Baiboly amin’ny fomba mazava tsara. Mandeha haingana kokoa ny fitomboana ara-panahin’ireo ankizy rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreniny eo amin’ny asa fanompoana hatramin’ny mbola maha-zazakely azy izy ireo. Kanefa zava-dehibe ny haha-voatosiky ny fony ireo tanora raha tiany ny hankafy ny asa fanompoana, ho tonga mpitory tsy vita batisa ary hanohy handray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Zavatra takina ny fampiofanana amim-pitandremana avy amin’ny ray aman-dreny. (1 Tim. 4:6; 2 Tim. 2:15). Azon’ireo mpitory mahafeno fepetra hafa atao ny manampy indraindray raha manaiky izany ireo ray aman-dreny. — Jereo Voalamina, pejy 100.
Rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreniny kristiana eo amin’ny fitoriana isan-trano ireo ankizy tsara taiza, dia mianatra ny fomba fandraisana anjara amin’ny fanompoana. Kanefa tsy ho azo ekena ho toy ny mpitory tsy vita batisa izy ireo raha tsy efa nahazo ny fahaizan’ny tenany manokana hanao izany. Afaka manapa-kevitra ireo ray aman-dreny kristiana ny amin’ny hoe hatraiza no ahafahan’ny ankizy iray manao fanambarana rehefa miara-miasa izy ireo. Ireo ankizy mbola tsy ekena ho toy ny mpitory tsy vita batisa dia tsy tokony hitsidika olona irery na hiaraka amin’ankizy hafa eo amin’ny asa fanompoana. Afaka manomana ireo ankizy ho amin’ny asa fanompoana ireo ray aman-dreny na mamela azy ireo handray anjara amin’izany amin’ny fomba samihafa, toy ny famakiana andinin-teny, fanolorana taratasy mivalona na gazety, na fampisehoana sary iray ao amin’ny iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra. Rehefa mihalehibe ny ankizy iray, dia mety ho afaka handray anjara bebe kokoa amin’ilay resaka ifanaovana.
Noho ny fampiofanana araka ny tokony ho izy, ireo tanora dia mianatra ny hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana, arakaraka ny anekeny ny fitarihan’ireo ray aman-dreniny sy itondrany tena amin’ny fomba milamina. Tsy tokony hamela ho irery ny zanany izay mbola tsy ekena ho toy ny mpitory tsy vita batisa any amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana ireo ray aman-dreny ka hoe hanantena ny hafa mba hikarakara azy ireo. Ireo ray aman-dreny feno fiahiana dia manaiky ny andraikitry ny tenany hanara-maso izay ataon’ny zanany. Mazava ho azy fa mety hisy mpitory mahatsapa andraikitra hafa vonona ny hanolotra ny fanampiany mba hampiofana ireo ankizy kely ao anatin’ny kongregasiona izay tena liana marina ny hanompo an’i Jehovah eo amin’ny fanompoana.