FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/07 p. 8
  • Ampianaro Hidera An’i Jehovah ny Zanakao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampianaro Hidera An’i Jehovah ny Zanakao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Aoka isika hanampy ny mpiara-belona amintsika hivavaka amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ampiofano ny Zanakao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 5/07 p. 8

Ampianaro Hidera An’i Jehovah ny Zanakao

1. Afaka midera an’i Jehovah ve ny ankizy?

1 Mampirisika ny zatovolahy sy ny zatovovavy ‘hidera ny anaran’i Jehovah’ ny Salamo 148:12, 13. Maro ny ankizy tantarain’ny Soratra Masina fa nanao izany. “Nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’i Jehovah”, ohatra, i Samoela, “raha mbola zaza.” (1 Sam. 2:18) “Zazavavy kely anankiray” no nilaza tamin’ny vadin’i Namàna fa misy mpaminanin’i Jehovah afaka manasitrana ny habokan’i Namàna, teo amin’ny Israely. (2 Mpanj. 5:1-3) Rehefa nankao amin’ny tempoly sy nanao fahagagana tao i Jesosy, dia ankizilahy no niantsoantso hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!” (Matio 21:15) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana ny zanany hidera an’i Jehovah?

2. Nahoana no tokony hanome modely ho an’ny zanany ny ray aman-dreny?

2 Aoka ianao ho modely: Nilaza tamin’ny raim-pianakaviana israelita i Jehovah fa izy ireo aloha no tokony ho tia azy sy handatsaka am-po ny didiny. Tsy ho afaka handentika tsikelikely ny fahamarinana ao am-pon’ny zanany izy ireo, raha tsy izany. (Deot. 6:5-9) Ho tsapan’ny zanakao fa zava-dehibe sy mahasambatra ny fanompoana, raha miresaka zavatra tsara momba azy io foana ianao, sady mandray anjara amin’izy io isan-kerinandro.

3. Inona no vokatry ny modely nomen’ny ray aman-dreniny teo amin’ny anabavy iray?

3 Faly erỳ ny anabavy iray rehefa mahatsiaro ny fiainany tamin’ny mbola kely. Hoy izy: “Fahazaran’ny fianakavianay ny nanao fanompoana isaky ny faran’ny herinandro. Hitako fa tena tia nitory ny ray aman-dreniko. Nanjary nahafinaritra anay àry ny fanompoana, rehefa nihalehibe izahay.” Lasa mpitory tsy vita batisa io anabavy io, tamin’izy fito taona, ary efa ho 33 taona izao no nanaovany fanompoana manontolo andro.

4. Ahoana no azo ampiofanana tsikelikely ny ankizy?

4 Ampiofano tsikelikely izy: Ento manompo ny zanakao, ary ampandraiso anjara. Asaivo mandondòna varavarana, ohatra, izy, na manolotra taratasy mivalona, na mamaky andinin-teny. Hahafaly azy izany, ary hahatonga azy hatoky tena kokoa, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tokony handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana izy, arakaraka ny itomboan’ny taonany. Ampio àry izy handroso sy hiezaka hanana tanjona eo amin’ny fanompoana.

5. Inona no fepetra takina amin’ny ankizy mba hahatongavany ho mpitory tsy vita batisa?

5 Miresaha avy hatrany amin’ny anti-panahy, raha vao hitanao fa maniry ho lasa mpitory tsy vita batisa ny zanakao sady mahafeno fepetra ho amin’izany. Ho tsapany bebe kokoa ny andraikiny hidera an’i Jehovah, rehefa lasa mpitory izy. Tadidio fa tsy voatery hitovy fahalalana amin’ny olon-dehibe vita batisa ny ankizy, vao hahafeno fepetra ho mpitory. Mahazo ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ve ny zanakao? Mankatò ireo fitsipika momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly ve izy? Maniry hitory ve izy, ary te ho fantatra fa Vavolombelon’i Jehovah? Raha izany, dia azon’ny anti-panahy atao ny miara-midinika aminy, mba hijerena raha mahafeno fepetra ho tonga mpitory tsy vita batisa izy.—Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 79-82.

6. Inona no vokatra tsara ho azo raha mampiofana ny zanany ny ray aman-dreny?

6 Ilana ezaka ny fampianarana ny ankizy hidera an’i Jehovah amin’ny fony. Tsy misy mahafaly ny ray aman-dreny noho ny mahita ny zanany manao fandrosoana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa. Ambonin’izany, dia faly i Jehovah mahita ny ankizy miresaka momba ny asany mahatalanjona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara