Manehoa Fiheverana An’ireo Olona Liana
1 Ambonin’ny hafa rehetra i Jehovah raha ny amin’ny fanehoana fiheverana amim-pahalalahan-tanana ny olona. Tsy vitan’ny hoe nanome zavatra ara-nofo tondraka izy fa nanome antsika koa zavatra ara-panahy izay ilaintsika sady ankafizintsika. Tena maneho fiheverana aoka izany antsika izy, hany ka mandinika mihitsy izay ao am-pontsika. — Sal. 139:23.
2 Fony teto an-tany i Jesosy, dia nanaraka tamin’ny fomba lavorary ny ohatra nomen’ny Rainy tamin’ny fanehoana fiheverana ny hafa. Tadidinao ve ilay lehilahy nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy”? Namaly i Jesosy hoe: “Mety Aho”. (Matio 8:1-3). Rehefa nahita mpitondratena iray tao anatin’ny alahelo i Jesosy, inona moa no nataony? Nijanona izy mba hanampy azy. (Lioka 7:11-15). Afaka ny ho mailo kokoa ve ianao raha ny amin’ny fanehoana fiheverana an’ireo olona liana?
3 Ho fanahafana an’i Jehovah Raintsika sy an’i Kristy Jesosy Zanany, dia tsy maintsy maneho fiheverana manokana ny hafa koa isika. Manao izany isika amin’ny fihazonana fandraisana an-tsoratra isan-trano marina tsara. Tafiditra amin’izany ny fanoratana ny anarana sy ny adiresy marin’ilay olona liana, miaraka amin’ilay foto-kevitra nodinihina tamin’ny fitsidihana voalohany. Avy eo, alohan’ny hanaovana ilay fiverenana mitsidika, dia miomàna tsara. Raha namela gazety isika tamin’ilay fitsidihana teo aloha, dia angamba azo aorina amin’ny hevitra voafaritra tsara iray ao amin’ny iray amin’ireo lahatsoratra ao ny fiverenana mitsidika hataontsika. Mariho ny fomba azo anaovana izany.
4 Raha namela Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1992 ianao ka nifantoka tamin’ilay lahatsoratra hoe “Tena Mila Mesia Tokoa ve ny Olombelona?”, dia ho azonao atao ny hiomana mba hanasongadina ny Apokalypsy 21:4 sy ny Jaona 17:3 amin’ny fiverenana mitsidika hataonao.
Ohatra, rehefa avy namaky ny Apokalypsy 21:4 ianao, dia ho azonao atao ny hanontany hoe:
◼ “Ahoana no hahatongavantsika ho anisan’izany tontolo izany? [Avelao izy hamaly.] Henoy izay nolazain’ny Mesia fa ilaina mba hahazoana ny fiainana ao amin’ny tontolo iray toy izany.” Avy eo dia vakio ny Jaona 17:3 (NW), ka asongadino fa azo atao ny mahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao miadana iray amin’ny fandraisana fahalalana momba an’Andriamanitra sy i Kristy. Raha misy fahalianana, dia miezaha hanomboka fampianarana amin’ny alalan’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao.
5 Ahoana raha efa manana ny iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika ilay tompon-trano? Amin’izay dia nahoana raha mampiasa azy io mba hanombohana fampianarana? Raha ny boky Hiaina Mandrakizay izany, dia sokafy ho eo amin’ny fanondroam-pejy ary angataho ilay tompon-trano mba hifidy foto-kevitra iray tiany horesahina. Azonao atao amin’izay ny manomboka fampianarana amin’ny fandinihana fehintsoratra iray na roa.
6 Ny fanehoantsika fiheverana ireo olona liana amin’ny fiomanantsika tsara sy fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra dia mampiseho fa mpanahaka an’Andriamanitra sy i Kristy isika, maniry ny hisian’ny olona betsaka araka izay azo atao ho voavonjy. — 2 Pet. 3:9.