Mizarà Fahalalana Marina Momba an’i Jesosy Kristy
1 Eny amin’ny asa fanompoana mandritra ny volana Desambra, dia hanasongadina ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany isika. Inona no holazainao mba hanombohana resaka ara-baiboly mety tsara, ary ahoana no hampidiranao io boky faran’izay tsara io?
2 Fampiasana ireo taratasy mivalona vaovaontsika: Nahita fahombiazana ny mpitory sasany rehefa nampiasana taratasy mivalona mba hahaizana hanavaka ny fahalianan’ny olona iray na dia talohan’ny fanolorana zavatra vita an-tsoratra hafa aza. Ahoana no ahazoantsika fanampiana mba hanatontosana izany? Amin’ny fanasongadinana ilay taratasy mivalona vaovaontsika hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?
Aorian’ny fiarahabana mampiseho fisakaizana, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Manontany ireo olona izahay raha toa izy ireo ka manaiky fa i Jesosy Kristy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. [Mamelà fotoana hamaliany.] Mazava ho azy, fa nisy lehilahy maro nanan-kery teo amin’ny fandehan’ny raharahan’ny olombelona. Ny sasany aza nandray anjara tamin’ny fandrosoana nataon’ny taranak’olombelona, kanefa mariho ange izay mampiavaka an’i Jesosy Kristy amin’ny hafa rehetra e. [Vakio Jaona 17:3.] Tsy misy olon-kafa na dia iray aza manana ny fahefana hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. [Sokafy eo amin’ny pejy faha-3 ilay taratasy mivalona.] Fony i Jesosy teto an-tany, dia nilaza momba ireo fisehoan-javatra hitranga alohan’ny faran’izao tontolo izao izy. Kanefa nampirisika an’ireo mpianany koa izy mba hifaly satria ireny fisehoan-javatra ireny dia hidika fa hanakaiky ny fanafahana azy.” Rehefa mandinika vetivety ny lafiny sasany amin’ilay famantarana ny amin’ny fanatrehan’i Kristy ianao, dia sariho ho amin’ny pejy farany ny sainy, mba hahitany ny sasany amin’ireo fitahiana hoentin’ny fanapahan’ilay Fanjakana.
3 Ho azon’ny mpitory tanora na vaovao na mbola tsy ampy fanandraman-javatra iray atao ny hanasongadina ireo sary ao amin’ny taratasy mivalona iray ho fampidiran-dresaka.
Amin’ny fampiasana ny taratasy mivalona hoe “Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?”, dia azon’ny mpitory iray atao ny manokatra azy io eo amin’ny pejy faha-3 sy faha-4 ka milaza hoe:
◼ “Mariho ireto sary roa ireto, ny iray mampiseho fiaramanidina mandatsaka bomba amin’ny fotoan’ny ady ary ilay faharoa mampiseho ankizy kely iray mosarena. [Avadiho eo amin’ny pejy faha-5.] Jereo ireto sary ireto mampiseho horohorontany sy lehilahy marary iray any amin’ny hopitaly. [Miatoa.] Ny Baiboly dia mampiseho fa tsy ho ela dia hifarana ireo zavatra mahatsiravina ireo.”
4 Raha hita fa liana ilay olona, dia vakio ny Apokalypsy 21:3, 4, na mivantana avy ao amin’ny Baiboly izany na araka ilay voatonona eo amin’ny pejy faha-6 ao amin’ilay taratasy mivalona. Arakaraka ny fahalianana aseho, dia azonao atao ny manasongadina fanazavana fanampiny. Atolory ny boky Lehilahy Niavaka, ary manaova fandaminana mba hiverenana hitsidika ilay olona.
5 Apetraho ny fototra ho an’ny fiverenana mitsidika: Mazava ho azy fa, na nahapetraka taratasy mivalona isika, na ny boky Lehilahy Niavaka, na zavatra vita an-tsoratra hafa, na koa nanao resaka nahafinaritra tamin’ilay tompon-trano fotsiny, dia ho azontsika atao ny hilaza hoe: “Rehefa miverina amin’ny manaraka aho, dia ho tiako ny hizara zavatra mahaliana iray aminao momba ilay tanàna nahaterahan’i Jesosy.” Ataovy azo antoka ny haka an-tsoratra amim-pitandremana ilay fitsidihana sy ilay fahalianana naseho.
6 Manolotra ny hany fanantenana marina ho an’ny taranak’olombelona ilay Fanjakana. Aoka isika haneho ny faniriantsika feno fahatsorana hizara amin’izay rehetra hitantsika “ny fahalalana marina ny amin’ilay zava-miafina masin’Andriamanitra, izany hoe i Kristy”. — Kol. 2:2, NW.