Mitariha Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Hiaina Mandrakizay
1 Raha niresaka momba ny boky Hiaina Mandrakizay ny vehivavy iray dia nanambara ny fihetseham-pony toy izao: “Manarakaraka ny Baiboly, dia hitako fa io boky io no asa soratra marina sy ara-tsindrimandry ary manosika hanao zavatra indrindra amin’izay rehetra novakiko!” Isika rehetra dia manaiky fa io boky io dia iray amin’ireo boky tsara dia tsara indrindra navoaka mba hanampiana olona hahatakatra ny Baiboly ary indrindra indrindra, hanosika azy ireny ho tonga mpidera marisika an’i Jehovah.
2 Tamin’ny 1985, taona namoahana ny boky Hiaina Mandrakizay tamin’ny teny malagasy, dia mpitory 1 884 no nitarika fampianarana Baiboly 3 636 teto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao, dia mpitory 4 503 no mitarika fampianarana Baiboly 12 908. Hatramin’izao, dia boky Hiaina Mandrakizay 62 tapitrisa no natonta amin’ny fiteny 115. Hery toy inona tokoa moa no ananan’io boky io amin’ny asa ataontsika maneran-tany!
3 Mamera zava-kendrena: Izany fitomboana miavaka izany dia vokatry ny fitahian’i Jehovah sy ny faniriana mafy ananan’ny vahoakany hanampy ireo olona tso-po amin’ny hafatra mamonjy aina ao amin’ny Baiboly. (Rom. 10:13-15; 1 Tim. 2:4). Mahalala ny fahamaikan’ny fotoana isika ary mahalala ny ilana fahazotoana amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra.
4 Raha mbola mandroso ny fandaminana, inona kosa no ataontsika eo amin’ny isam-batan’olona? Moa ve isika tapa-kevitra ny hanana anjara feno amin’ny asa lehibe fanaovana mpianatra? Mba hanatontosana izany, dia tokony hametra zava-kendrena manokana isika. Azontsika atao ve ny ho mazoto kokoa amin’ny fanarahana ny fahalianana? Nahoana raha mikendry ny hanomboka fampianarana Baiboly vaovao iray mandritra ny volana Febroary?
5 Iza no afaka mitarika fampianarana Baiboly?: Mpitory maro be avy amin’ny fiaviana isan-karazany no nanana fifaliana nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Mahatonga ny fitarihana fampianarana ho mora kokoa ny fomba tsotra nanoratana azy, ka na dia ireo mpitory vaovao aza dia afaka mandray anjara amin’io asa lehibe io. Ankoatra izany, maro amintsika no nianatra azy io manokana, noho izany, dia mifankazatra amin’ny ao anatiny isika. Ny mpitory iray izay tsy nanana fampianarana Baiboly talohan’ny nampiasany ny boky Hiaina Mandrakizay dia nanoratra ny fankasitrahany toy izao: “Manana fampianarana telo aho, ary eo am-panombohana ny fahefatra. Tsy ho ampy ny fisaorako anareo noho ny fanamoranareo ny fitarihana fampianarana Baiboly.”
6 Ireo tanora koa dia manana anjara marisika amin’ny asa fampianarana Baiboly, amin’ny fampiasana ny boky Hiaina Mandrakizay. Ny rahalahy tanora iray dia nametraka ilay boky teo ambony latabany tany an-tsekoly. Izany dia nanomana ny lalana ho amin’ny resadresaka tsara sy ny fampianarana Baiboly maromaro. Ny zatovo sasany dia nampiasa ny fampidiran-dresaka mivantana, tamin’ny fanontaniana ny ray aman-dreny nifanehatra taminy teny amin’ny fanompoana isan-trano, raha avelan’izy ireo hianatra Baiboly miaraka aminy ny zanany. Tsy kely loatra ny zanatsika ka tsy ho afaka hiresaka ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa ho eto an-tany.
7 Na tanora izy na be taona, ny iray amin’ireo fifaliana lehibe indrindra mety hananan’ny olona iray amin’ny fanompoana, dia ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Noho izany, dia aoka ny tsirairay avy amintsika hangataka ny fanampian’i Jehovah amin’ny vavaka ary hanararaotra ny fahafahana misy rehetra mba hanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika. Ampiasao ny boky Hiaina Mandrakizay mba hanampiana ny hafa hianatra ny fomba azony andraisana anjara amin’ny fiderana an’i Jehovah Andriamanitsika. — Sal. 148:12, 13.