Fanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Alalan’ny Boky Hiaina Mandrakizay
1 Ny fitiavana ny olona dia tokony hanosika antsika ho mailaka hiverina hanampy ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana. (Matio 5:6). Tokony hanisy fiheverana sy hampitombo izay tsirim-pahalianana rehetra mety ho hitantsika isika, raha tsy tiantsika ho faty izany. Ny fanaovana fanomanana no fanalahidin’ny fahombiazana.
2 Ny tanjontsika dia tokony ho ny hanomboka fampianarana Baiboly. (Matio 28:20). Ireo boky Hiaina Mandrakizay voalohany natao pirinty dia nisy izao teny fampidirana izao: “Itỳ dia tena boky faran’izay tsara hampiasaina mba hiaraha-mianatra amin’ny olona rehetra, na tanora na antitra, na manao ahoana na manao ahoana fari-pianarana azony.” Voasoratra amin’ny fomba izay manamora ny fitarihana fampianarana izy io, ka manampy na dia ireo mpitory vaovao aza, handray anjara amin’izany. Ny fahombiazantsika amin’ny fanombohana fampianarana vaovao dia miankina amin’ny fahaizantsika manao fiverenana mitsidika mandaitra.
3 Ahoana no ahafahantsika manomboka fampianarana? Rehefa miverina mitsidika olona isika, mazàna dia tsara ny mampifandray ny resaka ataontsika amin’ny hevitra na fanontaniana iray notononina tamin’ilay fitsidihana voalohany nataontsika. Angamba ianao niresaka momba ny toetran’ny maty, ary namela ilay fanontaniana hoe: “Inona no fanantenana ho an’ireo olon-tiantsika nody mandry?” Hazavao fa ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hoe fanantenana tsy misy fanorenana akory; ny Baiboly dia mirakitra an-tsoratra ohatra be dia be ny amin’ny fitsanganana tamin’ny maty izay efa nitranga. Jereo ireo sary eo amin’ny pejy faha-167-169. Avy eo, dia miresaha momba izay ambara ao amin’ny fehintsoratra voalohany sy faha-2 eo amin’ny pejy faha-166. Raha misy fahalianana, dia manolora ny hiverina mba hanohizana ilay resaka.
4 Mety ho niresaka tamin’ny ray na ny reny iray izay nilaza ny fanahiany momba ny fitomboan’ireo zava-manahirana eo amin’ny fitaizana zanaka ianao. Ho azonao atao ny hilaza, amin’ny fomba fiteninao manokana, zavatra toy izao:
◼ “Ny ray aman-dreny rehetra dia maniry ny tsara indrindra ho an’ny zanany. Ny Baiboly dia mirakitra toromarika izay afaka manampy ireo ray aman-dreny mba hampiofana ny zanany hahita fiainana mahafa-po izay misy heviny sy zava-kendrena. Noho izany antony izany, dia manoro hevitra mafy ny hiarahan’ireo fianakaviana mianatra ny Baiboly izahay. [Miresaha momba ny fehintsoratra faha-23 eo amin’ny pejy faha-246.] Ny fahalalana azo amin’izany dia afaka mitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny fianakaviana iray manontolo.” Vakio ny Jaona 17:3. Lazao ny fahavononanao hiverina sy hampiseho amin’ilay fianakaviana ny fomba hanombohan’izy ireo ny fianarany.
5 Raha mpitory tanora na mbola vaovao ianao ka niresaka vetivety momba ny fanantenana ny amin’ny Paradisa tamin’ny fitsidihana voalohany, dia sokafy eo amin’ny pejy faha-3 ilay boky, ary milazà fotsiny zavatra toy izao:
◼ “Ny Baiboly dia mampanantena fa ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra dia afaka miandry amim-panantenana ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tahaka izao, izay hisy fahasambarana sy fiadanana. Itỳ boky itỳ dia mampiseho izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana izany fitahiana izany.” Hazavao vetivety ny fomba fanaovantsika fianarana, ary lazao fa afaka mampiseho aminy ny fomba fanaovana izany ianao.
6 Amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy antsika, dia manana adidy hanampy ny olona isika. (Rom. 10:14). Raha nametraka zavatra vita an-tsoratra isika na nanao resaka tsara fotsiny, dia manana adidy hampitombo ny fahalianan’ireo olona. (Matio 9:37, 38). Raha manatontosa io asa nanendrena antsika io araka ny tokony ho izy isika, ny rehetra dia afaka mahazo ireo fitahiana aterak’izany. — 1 Tim. 4:16.