“Mampianatra (...) Izay Rehetra Nandidiako Anareo”
1 Ny fanaovana mpianatra dia mahafaoka ny fampianarana. Alohan’ny hahafahan’ny olona iray ho tonga mpianatr’i Kristy, dia tsy maintsy ampianarina izy “mba hitandrina izay rehetra” nandidian’i Jesosy. (Matio 28:19, 20). Ny fomba tsara indrindra hanatontosana izany dia amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
2 Tsy mora foana akory ny manomboka fampianarana ny Baiboly. Raha manana fahasahiranana ianao amin’ny fahitana fampianarana Baiboly, dia aza kivy. Ny fahombiazana amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly dia mitaky fahatapahan-kevitra sy faniriana amim-pahatsorana hampita ny fahamarinana amin’ny hafa. — Gal. 6:9.
3 Fampitomboana ny fahalianana: Ny resadresaka nataontsika tamin’ny voalohany dia mety hiteraka fahalianana voafetra ihany. Miankina amin’ny toe-javatra, dia azo amelana taratasy mivalona na bokikely na gazety ilay tompon-trano. Angamba ho afaka hampiasa iray amin’ireny ianao mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Raha mampiseho fahalianana amboniny amin’ny hafatra ilay tompon-trano, dia ho azo tarihina ho amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa mety ny sainy amin’ny fitsidihana any aoriana.
4 Ny fiomanana no fanalahidin’ny fahombiazana. Nahoana raha mifantina mialoha andinin-teny iray ao amin’ny Soratra Masina izay voalaza ao amin’ilay taratasy mivalona, bokikely na gazety kasainao hampiasaina amin’ny fiverenanao mitsidika? Amin’izany fomba izany, dia ho afaka hampifandray ny fanazavana avy ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra amin’ny resadresaka ataonao ianao. Mety ho afaka hamaky fehintsoratra iray na roa mivantana avy ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra aza ianao.
5 Ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Mizara fanazavana sasany momba ny faminaniana miavaka iray izay eo an-dalam-pahatanterahana amin’izao fotoana izao izahay.” Vakio ny Matio 24:3, avy eo dia ampifandraiso amin’ny sary sy fanazavana eo amin’ny pejy faha-24 amin’ny bokikely hoe “Indro”. Ho azo ampiasaina ny fampidiran-dresaka mitovitovy amin’izany rehefa mampiseho ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?
6 Rehefa hita fa nisy fahalianana amim-pahatsorana, dia tokony harahina haingana izany. Miezaha miverina ao anatin’ny herinandro, amin’izay dia mbola ho tadidin’ilay tompon-trano ao an-tsaina ny resadresaka farany. Isaky ny mitsidika ianao, dia mandiniha fehintsoratra vitsivitsy avy ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra napetrakao. Aorian’izay, amin’ny fotoana mety, dia ho afaka hampiditra ny boky Hiaina Mandrakizay ianao, amin’ny fanohizana manao zavatra mitovy amin’izany.
7 Amin’izao andro izao, dia mbola misy asa betsaka tokony hatao amin’ny fanangonana ny vokatra nambaran’i Jesosy mialoha. (Matio 9:37, 38). Raha eo am-panohizana mampianatra an’ireo olona mahitsy fo isika, dia manana ny fanomezan-toky mampahery avy amin’i Jesosy fa ‘momba antsika mandrakariva izy ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao’.