Fanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Lehilahy Niavaka
1 Ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano dia hahafinaritra indrindra sady hahitana valisoa indrindra ho anao sy ho an’ilay tompon-trano. Tsy misy azo ampitahaina amin’ny fifaliana mizara fahalalana ara-baiboly amin’ny hafa. — Ohab. 11:25.
2 Famantarana ny andro farany: Raha nampiasa ilay fanipazan-kevitra omena etsy amin’ny lahatsoratra etsy ambony ianao, ka nanomboka ny resakao tamin’ny alalan’ny taratasy mivalona Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, ahoana izao no ahafahanao manomboka fampianarana iray amin’ny fampiasana ny toko faha-111 amin’ny boky Lehilahy Niavaka? Sokafy eo amin’ny toko faha-111 ny bokinao, ary vakio ireo fehintsoratra telo voalohany. Avy eo dia azonao atao ny mamaky ny fanontaniana voalohany eo amin’ny faran’ilay toko manao hoe: “Inona no nanosika ireo apostoly hanao ny fanontaniany, nefa zavatra hafa inona koa no toa tao an-tsain’izy ireo?” Ampio ilay tompon-trano mba hanjohy hevitra momba ny valiny, ary ampiasao ilay sary mba hampianarana. Rehefa avy namaky ny fehintsoratra fahefatra ka hatramin’ny fahenina ianao, dia vakio ilay fanontaniana faharoa manao hoe: “Tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy no tanteraka tamin’ny 70 am.f.i., nefa inona no tsy nitranga tamin’izay?” Raha hita fa liana ilay tompon-trano ka manam-potoana, dia tohizo ilay resaka.
3 Rehefa hita fa mety hety kokoa amin’ilay tompon-trano ny fotoana hafa, dia azonao atao ny manontany hoe: “Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa hoe rahoviana no hifarana ity fandehan-javatra ity?” Avy eo dia azonao atao ny mandamina ny hiverina mba hamaliana izany fanontaniana izany.
4 Mety hisy ve izany hoe tontolo miadana izany? Raha nampiasa ny taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao mba hampidirana ny boky Lehilahy Niavaka ianao, ahoana no ahafahan’ny toko faha-133 manampy anao hanomboka fampianarana Baiboly?
Rehefa avy namaky ny 2 Petera 3:13 ianao, dia azonao atao ny mamaky na mamintina ny fehintsoratra faharoa eo amin’ny pejy faha-3 amin’ilay taratasy mivalona, ary avy eo dia hilaza hoe:
◼ “I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, no ho Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah. Mariho ny fomba ilazalazan’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany momba an’i Jesosy sy ampahafantaran’izy io antsika momba izay hotanterahiny amin’ny hoavy.” Avy eo dia vakio ilay toko manontolo. Vakio amin’ilay tompon-trano ilay fanontaniana voalohany eo amin’ny faran’ilay toko manao hoe: “ ‘Inona no ho tombontsoa mahafaly ho azon’ireo ho tafita velona amin’ny Armagedona sy ireo zanany?’ [Avelao izy hamaly. Azo atao ny mandinika toy izany ireo fanontaniana hafa.] Ho tianao ve ny ho anisan’ilay tany vaovao izay hotapahin’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy? Ho tiako ny hanana fahafahana isan-kerinandro hanampiana anao hahita avy ao amin’ny Baiboly ny fomba hahazoanao izany.”
5 Mety ho liana hanohy ilay resaka momba an’i Jesosy Kristy amin’io fitsidihana io ihany koa ny olona sasany.
Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Nisy ezaka natao tato amin’ity boky ity mba hampisehoana ny fiainan’i Jesosy teto an-tany araka ny voatantara ao amin’ireo Filazantsara efatra. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa momba ny fiainan’i Jesosy teto an-tany?” Raha tsy manohitra izany ilay tompon-trano, dia mety ho tianao ny hiresaka momba ilay fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, ao amin’ny toko faha-15.
6 Mbola misy olona tso-po maro tia ny rariny ary mitady ala olana ho an’ireo zava-manahirana hitany. Marina tokoa fa tena ezaka hahitana valisoa indrindra ny fanolorana ny hizara ireo fampianaran’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly.