FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/94 p. 1
  • Fantaro Tsara Ireo Rahalahinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantaro Tsara Ireo Rahalahinao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • “Manàna Fifankatiavana Lalina”
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • “Mifankatiava Tsara”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Tiavo Bebe Kokoa Ireo Rahalahy sy Anabavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ataovy Izay Hahafantarana Ireo Rahalahinao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 8/94 p. 1

Fantaro Tsara Ireo Rahalahinao

1 Ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-mivavaka amintsika dia mahafaoka mihoatra noho ny fiaraha-manatrika fivoriana amin’izy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny. Isika dia manao ny sitrapon’Andriamanitra ary izany dia mampiditra antsika ao anatin’ny fifandraisana ara-panahy amin’i Jesosy. (Marka 3:34, 35). Ho setriny kosa, dia mampiditra antsika ao anatin’ny fifandraisam-pirahalahiana amin’ny hafa ao anatin’ny kongregasiona kristiana izany, dia ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy izay nandidiana antsika mba hotiavina. (Jaona 13:35). Araka izany, amin’ny maha-“ankohonan’Andriamanitra” antsika, dia tokony hiezaka amim-pahatsorana isika hifankahalala tsara. — Efes. 2:19.

2 Fantaro amin’ny anarany ireo rahalahinao: Fantatrao ve ny anaran’ireo rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona misy anao? Mazàna dia kely ilay antokon’olona, ka manamora kokoa ny fahafantarana ny anaran’ny ankamaroan’ireo izay manatrika, raha tsy izy rehetra mihitsy aza. Raha tsy fantatrao akory ny anaran’izy ireo, ho afaka hilaza ve ianao fa mahafantatra azy ireo tsara?

3 Ahoana ny amin’ny fahafantarana ireo olon-kafa, ao anatin’izany ireo ankizy, izay manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana? Angamba isika manana fironana hiaraka fotsiny amin’ny antoko kelin’ireo namantsika. Na dia tsy hoe ratsy aza ny fiaraham-pisakaizana tsy tapaka amin’ny sasany dia tsy irintsika ny hametra ny fiarahabana mafana sy ny resaka mampahery ataontsika ho amin’ny olona vitsy monja. Tokony ‘hihamalalaka’ isika, amin’ny fiezahana hahafantatra tsara ireo rahalahy sy anabavintsika rehetra. (2 Kor. 6:11-13). Izany dia miharihary fa mahafaoka ny fahafantarana azy ireo amin’ny anarany.

4 Ireo rahalahy mitarika ireo fivorian’ny kongregasiona dia tokony hiezaka hahafantatra ny anaran’izay rehetra manatrika. Ny fiantsoana ny olona tsirairay amin’ny anarany avy eny amin’ny lampihazo dia mahatonga azy ireo hahatsapa fa ankasitrahana ny valin-teniny sady hanampy ny hafa hahafantatra ny anaran’izy ireo koa. Mazava ho azy fa hisy foana olona vaovao na mpitsidika amin’ny mpanatrika, ka mahatonga ho sarotra ny fahafantarana ny anarana rehetra na ho an’iza na ho an’iza. Ny ezaka mitohy atao amim-pahatsorana anefa dia mampahery ny hafa ary mampiseho fiheverana marina manokana. — Rom. 1:11, 12.

5 Aoka ianao hanombo-javatra mba hifankahalalana tsara: Ireo mpiandraikitra mpitety faritany mazàna dia mifankahalala tsara amin’ny rahalahy sy anabavy maro be. Amin’ny fomba ahoana no anaovan’izy ireo izany? Amin’ny fomba telo lehibe: 1) Miara-miasa tsy tapaka amin’ireo rahalahy eny amin’ny asa fanompoana izy; 2) arakaraka ny amelan’ny toe-javatra misy azy, dia ekeny ny fanasan’ireo rahalahy mba hitsidika any an-tokantranony; ary 3) manombo-javatra izy mba hiarahabana ny olon-dehibe sy ny ankizy any am-pivoriana.

6 Mahita fomba hafa hahatonga hihamalalaka amin’ny olona ifandraisanao sy hahafantarana tsara kokoa ireo rahalahinao ve ianao? Azontsika atao tokoa ny manasa ny hafa hiaraka amintsika eny amin’ny asa fanompoana. Ny fandehana mitory isan-trano, ny fanaovana fiverenana mitsidika, ny fandehanana mampianatra Baiboly, na ny fandehanana mizara gazety, ireo rehetra ireo dia samy fomba tsara dia tsara hahafahana hifankahalala tsara. Tsara koa ny hanasana ny hafa hitsidika any an-tranonao, angamba mba hiara-misakafo na hiara-mandray sakafo maivana indraindray. Ny fanombohan-javatra mba hanatona ireo vaovao na ireo izay saro-kenatra dia tsy hoe zava-dehibe mba hampahatanjaka ara-panahy azy ireo fotsiny fa mitondra valisoa be dia be koa. — Asa. 20:35; 1 Tes. 5:11.

7 Fantatr’i Paoly tsara ireo rahalahiny. Ny firesahany manokana ny amin’ny maro taminy tamin’ny anarany tao amin’ireo taratasiny dia porofon’ny fiheverany tsy misy fitiavan-tena sy ny fitiavany marina azy ireo. (1 Tes. 2:17; 2 Tim. 4:19, 20). Hidika fitahiana ho antsika rehetra ny fiezahantsika hahafantatra tsara ireo rahalahintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara