Ataovy Izay Hahafantarana Ireo Rahalahinao
1 Ny Baiboly dia milazalaza ny tena namana ho toy ny olona iray izay mifikitra akaiky kokoa noho ny rahalahy, tsy miovaova amin’ny fitiavany sy ny tsy fivadihany, ary manolotra fanampiana ny namany mandritra ny fahoriana. (Ohab. 17:17; 18:24). Tsy ho ory namana toy izany isika ao amin’ny kôngregasiôna raha toa ka manao ezaka mba hifankahalalana sy hifankatiavana. — Jaona 13:35.
2 Misy fahafahana tsara dia tsara hifankahalalana amin’ireo rahalahintsika, aloha sy aorian’ny fivoriana. Nahoana raha tonga aloha sy mijanona kelikely aorian’ny fivoriana mba hahafahanao hankafy fisakaizana mafana sy velombelona? Mitadiava rahalahy maro samihafa mba hiresahana, anisan’izany ny be taona, sy ireo za-draharaha ary ireo tanora kokoa na ireo saro-kenatra.
3 Manomboha resaka: Manaova mihoatra noho ny fiarahabana maimaika fotsiny an’ireo rahalahinao. Afaka manombo-dresaka ianao amin’ny fitantarana zavatra hita teny amin’ny fanompoana, na lafin-javatra iray mahaliana tao amin’ny gazety farany, na fanamarihana momba ny fivoriana vao nifarana teo. Afaka mahafantatra zavatra betsaka momba ny rahalahinao ianao amin’ny fihainoana tsara, sy amin’ny fampirisihana azy hitantara ny zavatra hitany sy ny zavatra ianarany. Mety hampiharihary zavatra betsaka ny fanontaniana fotsiny ny fomba nahafantaran’ny olona iray an’i Jehovah. Ny sasany dia efa tojo zavatra nanatanjaka ny finoana teo amin’ny fiainany, fa ny hafa kosa ankehitriny dia eo am-piaretana toe-javatra izay mety ho sarotra ho an’ny maro ny maka sary an-tsaina azy. Ny fahatakarana izany dia hanampy antsika hiseho ho mangoraka sy ho mailaka hahatsapa izay ilain’ny hafa amin’ny mahatena namana antsika.
4 Mifampitondrà toy ny mpinamana: Taorian’ny nahafatesan’ny zanany, dia sarotra tamin’ny anabavy iray ny nihira ireo hiran’ilay Fanjakana izay niresaka ny fitsanganana amin’ny maty. Hoy ny tsaroany: “Indray mandeha dia nahita ahy nitomany ny rahavavy iray nipetraka terỳ ampitan’ilay lalana nanelanelana ireo laharan-tseza. Nanatona izy ka nisakambina ahy, ary nihira ny sisa tamin’ilay hira niaraka tamiko. Nahatsiaro tena ho feno fitiavana aoka izany an’ireo anadahy sy rahavavy aho, ary faly be noho ny nankanesanay tany amin’ireo fivoriana, ka takatro fa any no misy ny fanampiana antsika, any amin’ny Efitrano Fanjakana.” Tokony hitondra ny rahalahintsika toy ny namana isika amin’ny fanolorana fampiononana azy ireny rehefa ilaina izany, ary fampaherezana amin’ny fotoana rehetra. — Heb. 10:24, 25.
5 Koa satria mihamampahory hatrany itỳ tontolo tranainy itỳ, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hanao izay hahafantarana ireo rahalahintsika tsara kokoa. Ho fitahiana ho an’ny rehetra io tena fifampaherezana marina io. — Rom. 1:11, 12.