Ampitomboy ny Fahalianan’ny Olona Amin’ny Boky Hiaina Mandrakizay
1 Rehefa mitsidika ireo olona any an-tokantranony isika, dia mazàna no mahita fa revo amin’ny “fiahiahiana izao fiainana izao” izy ireo. (Marka 4:19). Miatrika ilay zava-tsarotra ny amin’ny fisarihana ny fahalianan’izy ireo amin’ny fomba fampiseho iray mahatonga azy hieritreritra, isika. Amin’ny voalohany, dia mety ho tsy liana firy amin’izay holazaintsika ny ankamaroan’ny olona. Raha afaka milaza zavatra izay mahakasika ny fiainany isika, dia mety ho afaka hanaitra fahalianana kely amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny fanalahidy iray mba hanombohana resaka dia ny fifantenana hevitra azo resahina manintona avy ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Inona no ho azonao lazaina?
2 Ho azonao atao ny hampiasa izao tari-dresaka izao:
◼ “Raha manana ny fahefana ianao, zava-manahirana mampahory inona amin’izao androntsika izao no halaminao? [Avelao ilay olona hamaly, ary raha mifanentana, dia ekeo fa olona maro be no mitovy hevitra aminy.] Hatramin’izao, ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia toa tsy mahita fahombiazana firy raha ny amin’ny fahitana ala olana ho an’ireo zava-manahirana maro mahasanganehana amin’izao andro izao. Misy Persona iray anefa afaka mamarana, ary hamarana, ireo zava-manahirana rehetra mampijaly ny olombelona. Mariho, aza fady, izay ambara ato amin’ny Salamo 145:16. [Vakio ilay andinin-teny, ary miresaha momba ireo sary eo amin’ny pejy faha-11-13.] Ny fehintsoratra faha-14 eo amin’ny pejy faha-14 dia mampipoitra ilay fanontaniana vao avy noresahintsika teo ary manohy amin’ny fanontaniana hoe: ‘Rahoviana anefa no hitranga izany?’” Hazavao fa hamaly izany fanontaniana izany ilay boky, ary dia atolory an’ilay olona.
3 Na afaka milaza zavatra toy izao ianao:
◼ “Angamba ianao mahafantatra ilay fahatsapana fahabangana avy amin’ny famoizana olon-tiana iray tamin’ny fahafatesana. Azo inoana fa nahatonga anao halahelo sy hahatsapa ho tsy afa-manao na inona na inona izany. Mety ho efa nisaintsaina momba ireto fanontaniana ireto ianao: [Vakio ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-76.] Tsy hitondra fampiononana ve ny fahazoana ny valin’ireo fanontaniana ireo? Mety hampahery anao ny fahafantarana fa ny Baiboly dia manolotra fanantenana azo antoka ho an’ireo nody mandry. [Vakio ny Jaona 5:28, 29.] Itỳ boky itỳ dia manampy antsika hahatakatra ny toetran’ireo maty sy izay fanantenana ho an’ny hoavy.” Miresaha vetivety momba ny toko faha-8 sy faha-20. Omeo fahafahana handinika ilay boky ilay tompon-trano.
4 Tena mety ho afaka hahita fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana ianao. Raha izany no izy, dia ho azonao atao ny hilaza amin’ny fomba fiteninao manokana zavatra toy izao:
◼ “Feno zava-manahirana izao tontolo izao tato ho ato, ary tsy isalasalana fa niharan’izany koa ny tenanao. Mampalahelo fa toa ireo tsy manan-tsiny no mijaly be indrindra. Heverinao ve fa hamarana ny fijaliana rehetra Andriamanitra indray andro any? [Avelao ilay olona hamaly.] Aoka hasehoko anao izay ampanantenain’Andriamanitra fa hataony ho an’ireo izay manompo azy. [Vakio ny Salamo 37:40 ary avy eo dia sokafy eo amin’ny pejy faha-99 ny boky Hiaina Mandrakizay.] Itỳ boky itỳ dia manazava ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy sy ny fomba hamaranany azy.”
5 Raha mpitory tanora ianao, dia afaka mampiasa fampisehoana iray miorina amin’ireo sary hita eo amin’ny pejy faha-156-158. Ho azonao atao ny hanomboka amin’ny fanontaniana hoe:
◼ “Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ny tontolo iray tahaka izao? [Avelao ilay olona hamaly.] Ny tsirairay amin’ireto sary tsara tarehy ireto dia miorina amin’ny fampanantenana iray voambara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. [Tondroy ireo andinin-teny voalaza.] Itỳ boky itỳ dia afaka manampy anao hianatra bebe kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra hanao ny tany manontolo ho paradisa. Misy fanazavana izay mamonjy aina izy itỳ ary mendrika ny handaniana fotoana mba hamakiana azy.” — Jaona 17:3.