FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/95 p. 6
  • Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao ny Boky Hiaina Mandrakizay Any Amin’ireo Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fomba Fanolorana ny Boky Ampianarina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Kolokoloy ny Fahalianana Rehetra mba Handraisan’ny Hafa Soa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 2/95 p. 6

Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao

1 Rehefa miasa isan-trano isika, dia voafetra mazàna ny habetsahan’ny fotoana azontsika lanina miaraka amin’ny olona liana iray. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ilay tena asa fampianarana dia atao rehefa manao fiverenana mitsidika sy mitarika fampianarana Baiboly isika. (Matio 28:19, 20). Raha tiantsika ny hampianatra amin’ny fomba mandaitra amin’ilay fiverenana mitsidika, dia mila mamerina mijery izay niaraha-nandinika tamin’ilay fitsidihana voalohany isika ary avy eo dia miomana ho amin’ny fiaraha-midinika fanampiny.

2 Raha niresaka momba ny fihilangilanan’ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana ianao, dia ho azonao ampiasaina izay voarakitra ao amin’ny toko faha-29 ao amin’ny boky “Hiaina Mandrakizay”. Azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Teo aloha isika dia niresaka momba ny maha-fahendrena ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly, mba hananana fiainam-pianakaviana sambatra. Inona no heverinao ho fanalahidin’ny fampiraisana ny fianakaviana ankehitriny?” Avelao ilay olona hamaly. Jereo ny fehintsoratra faha-27 eo amin’ny pejy faha-247, ka vakio ny Kolosiana 3:12-14. Manaova teny fanampiny mampiseho fa ny tena fitiavana dia afaka manampy ny fianakaviana tsy ho rava. Hazavao fa afaka manampy mba handaminana zava-manahirana ny fianarana tsy tapaka ny boky Hiaina Mandrakizay.

3 Raha nandinika momba ny fikororosian’ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao ianareo tamin’ny fitsidihanao voalohany, dia ho azonao atao ny hanolokolo ny fahalianany amin’ny filazana hoe:

◼ “Mino aho fa hekenao ny hoe fiovana lehibe no ilaina raha tiantsika ny hiaina ao anatin’ny fiadanana indray andro any. Mampiseho ny Baiboly fa i Satana no antony fototry ny zava-manahirana antsika. Maro no manontany tena ny amin’ny antony namelan’Andriamanitra azy mbola hisy hatramin’izay ela be izay. Ahoana ny eritreritrao?” Avelao ilay olona hamaly. Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-20, fehintsoratra faha-14 sy 15, ny boky Hiaina Mandrakizay, ary hazavao ny antony mbola tsy nandringanana an’i Satana. Avy eo dia vakio ny Romana 16:20, izay mampiseho izay azontsika antenaina amin’ny hoavy tsy ho ela.

4 Raha niresaka momba ireo fitahiana izay hotanterahina eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana ianao, dia azonao atao ny milaza toy izao, amin’ny fiverenanao mitsidika ilay olona:

◼ “Hitondra fitahiana mahatalanjona ho an’ny tany sy ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra. Aseho an-tsary tsara eto amin’ny pejy faha-12 sy 13 izany fitahiana izany. Inona no hitanao ka manintona anao? [Avelao ilay olona hamaly.] Eritrereto ange hoe toy inona izany hiaina ao amin’ny tontolo iray tahaka izao e!” Vakio ny fehintsoratra faha-12. Raha liana ilay olona, dia lazao ilay fanontaniana mifandray amin’ny fehintsoratra faha-13, ary iaraho mandinika ny valiny. Asehoy fa mamaly fanontaniana maro momba ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana io toko io ary hahafaly anao ny hiara-mandinika azy ireo aminy amin’ny fitsidihanao manaraka.

5 Mety ho afaka hanomboka fampianarana iray ianao amin’ny filazana hoe:

◼ “Olona maro no nahita valiny tamin’ny fanontaniany ara-baiboly tamin’ny fampiasana an’itỳ boky itỳ.” Avadiho ho eo amin’ny fanoroam-pejy ilay boky, ary anontanio hoe: “Iza amin’ireto foto-kevitra eto ireto no mahaliana anao indrindra?” Avelao ilay olona hamaly ka avadiho ho eo amin’ilay toko nisarika ny fahalianany ilay boky, ary vakio ilay fehintsoratra voalohany. Hazavao fa ireo fanontaniana eny amin’ny faran’ny pejy tsirairay avy dia manasongadina ireo hevi-dehibe ao amin’ny fehintsoratra tsirairay. Manaova ohatra mivaingana amin’ny fiaraha-mandinika fehintsoratra fanampiny iray na roa, ary avy eo dia manaova fandaharana hitsidika azy indray.

6 Ny fanolokoloana ny fahalianana amin’ny boky Hiaina Mandrakizay dia manaporofo ny faniriantsika hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny fomba feno. (2 Tim. 4:5, NW). Mety ho afaka hanampy ny mpihaino antsika hiezaka hanatratra ny fiainana mandrakizay isika. — Jaona 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara