Ampiasao ny Boky Hiaina Mandrakizay Any Amin’ireo Fiverenana Mitsidika
1 Fantatry ny apostoly Paoly tsara ny maha-zava-dehibe ny ho malina tsara eo am-pikarakarana ireo izay maneho fahalianana amin’ny fahamarinana. Nampitaha azy ireo tamin’ny tsirin-javamaniry, izay mila fanondrahana sy fanolokoloana tsy tapaka, izy. (1 Kor. 3:6-9, NW). Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, ireo olona liana dia mila ny fikarakarana amim-panehoam-pitiavana avy amintsika, rehefa miverina mitsidika azy ireo isika mba hanolokoloana ny fitomboany ara-panahy.
2 Tsara ny hitadidiana ao an-tsaina fa ireo olona tsidihintsika dia hila fampahatsiahivana matetika mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo hevitra naseho tamin’ilay resaka nataontsika teo aloha. Noho izany, amin’ny fiverenana mitsidika tsirairay, dia mety ho fahendrena ny hanaovana famerenana fohy momba izay noresahina tamin’ny fitsidihana teo aloha, ka hifantohana amin’ireo hevitra izay tena nankasitrahan’ilay tompon-trano. Ampidiro ao amin’ilay resaka ilay tompon-trano ary aoka ianao hahay hanavaka haingana ireo zavatra mahaliana azy sy ireo zavatra ilainy.
3 Eo am-panaovana fiverenana mitsidika, na nisy boky “Hiaina Mandrakizay” napetraka na tsia, dia mety ho tianao ny hampiasa izao fanombohan-dresaka mivantana izao mba hanombohana fampianarana:
◼ “Olona maro iresahanay no nahita valin’ireo fanontaniany ara-baiboly, tamin’ny fampiasana ity boky ity.” Avy eo dia sokafy eo amin’ny fanoroam-pejy ny boky Hiaina Mandrakizay, ary azonao atao ny manontany hoe: “Inona no foto-kevitra mahaliana anao indrindra amin’ireto?” Sokafy eo amin’ilay toko nasehony fa mahaliana azy, ilay boky. Asehoy amin’ilay tompon-trano fa mifanitsy amin’ireo fanontaniana eo ambanin’ny pejy tsirairay ireo fehintsoratra misy nomerao, mba hahafahany hahatakatra ireo hevitra lehibe indrindra ao amin’ireo fehintsoratra tsirairay. Hevitra vitsivitsy ihany dinihina ary manaova fandaharana hentitra mba hiverenana hitsidika azy indray.
4 Ny fanombohan-dresaka hafa iray dia ny hoe:
◼ “Tena nahafinaritra ahy mihitsy ilay resatsika tamin’ny herinandro lasa iny. Olona maro no nilaza fa tiany ho fantatra ny hoe nahoana izahay no tsy mitsahatra mitsidika azy ireo any an-tokantranony. Noheveriko fa hahaliana anao ny teny hita eto amin’ny pejy faha-29 amin’ity boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ity. [Vakio ny fehintsoratra faha-11.] Miorina amin’izay novakintsika teo, inona no holazainao fa takina amin’ny fanompoam-pivavahantsika mba haneken’Andriamanitra azy? [Avelao ilay tompon-trano hamaly ary avy eo dia anaovy teny fiderana izy.] Tamin’ny andron’i Jesosy, dia nisy ireo izay nieritreritra fa neken’Andriamanitra ny fivavahany. Mariho izay nambara momba azy ireo eo amin’ny fehintsoratra faha-2 amin’ity toko ity.” Vakio ary hazavao ireo fanambarana ao.
5 Amin’ny fitsidihana iray manaraka ny nametrahanao ny boky “Hiaina Mandrakizay” tamin’ny fitsidihana teo aloha, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Fony aho nitsidika anao farany, dia niresaka momba ireo toe-javatra eo amin’izao tontolo izao izay mila fiovana isika. Mba efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy?” Avelao izy hamaly ary sokafy eo amin’ny pejy faha-99, eo amin’ny fehintsoratra faha-2, ilay boky, ary mariho ireo fanontaniana natao ho amin’ny fampianarana. Vakio ary diniho io fehintsoratra io ka jereo ireo andinin-teny. Azonao atao ny mampiditra ao amin’ilay resaka, sary nofidinao ao amin’ilay boky, ohatra ireo eo amin’ny pejy faha-78, 84-85, 119, 149-153 na 156-158.
6 Any amin’izay nametrahana taratasy mivalona: Indraindray dia taratasy mivalona iray no apetratsika amin’ny fitsidihana voalohany. Eo am-panaovana fiverenana mitsidika, dia azonao atao ny miresaka momba ny fehintsoratra iray na roa avy amin’ilay taratasy mivalona, miaraka amin’ireo andinin-teny voalaza ao. Avy eo dia asehoy ny fomba amelabelaran’ny boky Hiaina Mandrakizay amin’ny an-tsipiriany kokoa ny iray amin’izany andinin-teny izany. Raha maneho fahalianana ilay olona, dia mety ho tianao ny hanolotra ny boky Hiaina Mandrakizay, ary manaova fandaharana mba hanohizana ilay resaka amin’ny fitsidihanao manaraka.
7 Rehefa mikarakara amim-pahatokiana ny fanondrahana ireo tsirin-javamanirin’ny finoana kristiana nasaina hosahanintsika isika, Andriamanitra dia hampitombo azy io ho fiderana sy voninahitra ho an’ny tenany. — 1 Kor. 3:7.