Tandremo Hatrany ny Fampianaranao
1 Hanomboka amin’ny Janoary 1995 ny fandaharana vaovao ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
2 Famakiana ny Baiboly mahatonga hieritreritra: Ny famakian-teny tsara, amin’ny fampiasana fiovam-peo sy fihetseham-po araka ny tokony ho izy, dia tapany lehibe amin’ny fampianarana mandaitra. Fanampin’izany, ny habetsahan’ny zavatra natao hovakina amin’ny Anjara Faha-2 dia tsy lava loatra, ka hisy fotoana ampy tsara mazàna hanaovan’ilay mpandahateny fampidiran-dresaka sy famaranan-teny. Ny fampidiran-dresaka dia tokony hanaitra fahalianana amin’ilay zavatra natao hovakina, sy hanomana ny mpanatrika hanavaka ny maha-azo ampiharina azy io. Ny famaranan-teny dia mety hahafaoka teny fanazavana sy fampiharana ilay zavatra novakina, ka hampiasa amin’ny fomba feno ny fotoana natokana ho azy ilay mpandahateny.
3 Misy fanazavana fanampiny momba ny fandaharana ho an’ny sekoly sy ny fomba tokony hanaovana ireo anjara hita ao amin’ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1995”. Hitandrina ny fampianarantsika isika amin’ny fandinihana indray ireo toromarika ao amin’io fanazavana io, amin’ny fanomanana tsara ireo anjarantsika, ary amin’ny fampiharana ny torohevitra omena antsika, mba hihatsarantsika eo amin’ny fahaizana miteny sy mampianatra. Ireo izay mbola tsy nisoratra anarana amin’ny sekoly dia asaina amim-pitiavana mba hanao izany.