Kolokoloy ny Fahalianana Rehetra mba Handraisan’ny Hafa Soa
1 Inona no lafin-javatra fototra izay manampy antsika hanapaka na tokony hamela zavatra vita an-tsoratra amin’ny olona isika na tsia? Ny fahalianana! Izany koa dia marina rehefa ny fanaovana fiverenana mitsidika no resahina. Na oviana na oviana misy olona mampiseho fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana na dia kely aza, dia irintsika ny hanao izay azontsika atao mba handraisan’izany olona izany soa. Koa manao fiverenana mitsidika àry isika amin’ny fikendrena ny hanolokolo ny fahalianan’ilay olona sy hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Izany no tanjontsika na dia rehefa tsy mamela zavatra vita an-tsoratra aza isika. Ahoana no ahafahana manao izany?
2 Raha momba ny fielezan’ny zava-manahirana ara-panambadiana amin’izao andro izao ny resaka nataonao teo aloha, ka namela ny boky “Hiaina Mandrakizay” ianao, dia ho azonao atao ny hanomboka ny resaka amin’izao fomba izao:
◼ “Tamin’ny fitsidihako teo aloha isika dia niresaka momba ny fanambadiana sy ny torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly izay afaka manampy antsika hahita fahasambarana lehibe kokoa. Tsy marina ve fa na dia ao anatin’ireo fianakaviana tsara indrindra aza dia mipoitra indraindray ny zava-manahirana? [Avelao ilay olona hamaly.] Ny Baiboly dia manome antsika torohevitra faran’izay tsara izay afaka manampy antsika handamina ireo zava-manahirana eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy. Afaka ny hahazo fitahiana ny fianakaviana iray amin’ny fiarahana mianatra ny Baiboly.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-246 ilay boky ary diniho ny fehintsoratra faha-23. Vakio ny Jaona 17:3, ary manolora ny fanampianao ilay fianakaviana hanomboka fianarana Baiboly ao an-tokantranony.
3 Raha niresaka momba ny ankizy sy ny ilany fampianarana ianao, dia ho azonao atao ny hanohy ny resaka amin’izao fomba izao:
◼ “Teo aloha isika dia niresaka momba ny fampianarana ara-panahy izay ilain’ny ankizy sy ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny manampy azy ireo. Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny niresahako dia matahotra ny amin’ny fitondran-tena ratsin’ny tanora maro be aoka izany amin’izao andro izao. Inona no hevitrao momba ny (...)? [Milazà ohatra iray ny amin’ny fitondran-tena ratsin’ny tanora hita matetika ao amin’ny fiaraha-monina misy anao. Avelao ilay olona hamaly.] Mamelà ahy hampiseho aminao ny sasany amin’ny torohevitra azo ampiharina omena ao amin’ny Baiboly.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-246, fehintsoratra faha-22 ny boky Hiaina Mandrakizay, ary diniho ny hevi-dehibe, ka vakio ny Efesiana 6:4. Mariho fa ny ankamaroan’ny ankizy raha ny marina dia mitady fifehezana sy fitarihana. Rehefa mazoto amin’ny fanomezana an’izany ny ray aman-dreny dia sambatra kokoa ny ankizy ary maneho fanajana bebe kokoa amin’ny fitondran-tenany. Hazavao ny fomba iarahantsika mianatra ny Baiboly amin’ny zanatsika.
4 Raha toa ka ny tany paradisa no foto-kevitry ny resaka nataonao dia ho azonao atao ny hilaza izao mba hanairana ny fahalianana indray:
◼ “Nijery sary sasantsasany tato amin’itỳ boky itỳ isika, izay nampiseho tamintsika hoe hanao ahoana ny tany rehefa hanao azy io ho paradisa iray Andriamanitra. Tsy midika ho zavatra firy ho antsika izany raha tsy afaka mifaly amin’izy io miaraka amin’ireo olon-tiantsika isika. Tsy mitovy hevitra amin’izany ve ianao?” Avelao ilay olona hamaly. Avy eo, dia avadiho ho eo amin’ny pejy faha-162 ny boky Hiaina Mandrakizay. Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4, ary hazavao ny fomba ahafahan’ireo olon-tiantsika hiaraka amintsika foana. Raha misy fahalianana dia vakio ny Jaona 5:28, 29 mba hampisehoana fa hiverina ho amin’ny fiainana ny maty. Tondroy ny fonon’ilay boky ka milazà toy izao: “Tena marina tokoa — azontsika atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany!” Manaova fandaharana mba hanao fiverenana mitsidika hafa, mba hiaraha-midinika ny antony ahafantarantsika fa efa antomotra izy io.
5 Ny zava-kendrena lehibe indrindra amin’ny fiverenana mitsidika dia ny hanampy ireo olona liana handray soa avy amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny ankamaroan’ny olona dia mila fanoitra mba hanairana ny faniriany zavatra ara-panahy. Sariho ny sainy ho amin’ny hevitra voafaritra tsara azo ampiharina ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra, amin’ny fanamafisana ny fomba ahafahan’izy io manampy azy ireo hahazo tsara kokoa ny hevitry ny Baiboly. Ireo fiverenana mitsidika izay mahatratra ireo tanjona ireo dia hanampy ny hafa mba handraisan’ny tenany soa amin’ny fomba tsara indrindra azo atao.