Vaovao Momba Ilay Fanjakana Tonga Amin’ny Fotoana Ilana Azy Natao Hozaraina Maneran-tany
1 Amin’ny alahady 23 Aprily, dia hisy lahateny manokana iray momba ilay foto-kevitra manaitra hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”. Eo am-pifaranan’ny fivoriana amin’io andro io, dia hisy taratasy mivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana efatra pejy mampisaintsaina, havoaka. Ny hafatra raketiny tonga amin’ny fotoana ilana azy dia hozaraina maneran-tany mandritra ny telo herinandro manomboka ny 24 Aprily ka hatramin’ny 14 May.
2 Amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, dia very hevitra ny olona. Na aiza na aiza onenany dia tototry ny zava-manahirana izy ireo. Tena hahaliana an’ireo izay manahy amim-pahatsorana ny amin’izay mitranga io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io. Hitarika azy ireo ho amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy io, dia ny loharanon’ny tari-dalana tsy mety diso ho an’ny olombelona. (Sal. 119:105). Tsy andrintsika rehetra izay hahazoana iray amin’io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io rehefa avoaka izy io amin’ny 23 Aprily. Mandra-pahatongan’izany, dia maro ny zavatra hatao ho fanomanana an’io ezaka manokana sy be dia be haharitra telo herinandro io.
3 Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin-jotom-po: Iza no mahazo mandray anjara amin’io asa io? Azo antoka fa izay rehetra efa mpitory dia ho dodona hanao azy io! Ahoana ny amin’ireo mpianatra ny Baiboly izay manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona? Nifanerasera tamintsika efa elaela ihany izay ny sasany amin’izy ireny ary manao fandrosoana mitohy hatrany. Raha nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina izy ireo, moa ve izy ireo mahafeno fepetra ho anisan’ny mpitory ilay Fanjakana? Azon’ilay mpitory mitarika ny fampianarana Baiboly atao ny mandinika ilay raharaha amin’ilay mpianatra. Raha maniry handray anjara amin’ny asa fanompoana ilay mpianatra, ny loholona roa dia hiara-mijery aminy ny fanazavana ao amin’ny pejy 98 sy 99 ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika. Tokony hatao haingana araka izay azo atao izany mba hahazoan’ireo mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa, handray anjara feno amin’io ezaka manokana io. Ireo mpianatra ny Baiboly mbola tsy mahafeno fepetra ho anisan’ny mpitory tsy vita batisa dia mbola azo ampirisihina hizara io Vaovao Momba Ilay Fanjakana tonga amin’ny fotoana ilana azy io, amin’ireo olom-pantany na ny mpianakaviny. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1989, pejy 17, fehintsoratra faha-8.
4 Tsy sarotra akory io asa io; afaka mandray anjara ny rehetra. Azon’ireo ray aman-dreny atao ny mampiditra fanaovana fanazarana momba ny fampiasana ilay taratasy mivalona ao anatin’ny fianaram-pianakaviana ara-baiboly isan-kerinandro. Amin’izay dia ho vonona tsara hanolotra ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana isan-trano ny mpianakavy rehetra. Ny fanolorana tsotra mazàna no tsara indrindra. Aorian’ny fampidiran-dresaka fohy, dia atolory an’ilay tompon-trano ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana, ka ampirisiho izy hamaky azy. Rehefa mampiseho fahalianana ny tompon-trano, dia mandraisa an-tsoratra mba hahafahanao hiverina sy hanolokolo ny fahalianany. (1 Kor. 3:6, 7). Ny fanaovana fanolorana tsotra sy voaomana tsara no fanalahidin’ny fahombiazana.
5 ‘Be dia be ny zavatra hatao’ mandritra ny volana Aprily sy May. Ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’ny volana manaraka, dia hisy fanazavana fanampiny homena ao amin’ny takelaka fanampiny hitondra ny lohateny hoe “Zavatra Be dia Be Hatao ao Amin’ny Asan’ny Tompo”. — 1 Kor. 15:58, NW.