‘Zavatra Be dia Be Hatao ao Amin’ny Asan’ny Tompo’
1 Azo antoka fa isika dia manana fandaharam-potoana feno asa teokratika izay tsy andrintsika ny hanaovana azy, mandritra ny volana Aprily sy May! Amin’ny 14 Aprily dia hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isika. Olona betsaka araka izay azo atao no tokony hampirisihina mba hanatrika an’io fotoan-dehibe io: olom-pantatsika eo amin’ny asa, havana tsy mpino, mpiara-mianatra, olona liana vao haingana, sy mpianatra ny Baiboly. Manaova lisitr’ireo olona kasainao hasaina mba tsy hisy olona ho hadino.
2 Ny herinandro manaraka izany, dia hampirisika ny olona rehetra nanatrika ny Fahatsiarovana isika mba handre ilay lahateny ampahibemaso manokana hatao amin’ny 23 Aprily, momba ilay foto-kevitra hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”. Antenaina fa olona liana maro izay mandre an’io hafatra tsy miolakolaka io no hahita ny ilana ny hiarahana amin’ny kongregasiona amin’ny fomba tsy tapaka, fa tsy ho amin’ny fotoana manokana fotsiny.
3 Taratasy mivalona manokana Vaovao Momba Ilay Fanjakana havoaka: Ny zavatra hisongadina amin’ny fivoriana amin’ny 23 Aprily dia ny famoahana taratasy mivalona iray Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34 efatra pejy izay hozaraina be dia be mandra-pahatongan’ny 14 May. Tsy manaiky ve ianao fa hisy ‘zavatra be dia be hatao ao amin’ny asan’ny Tompo’ mandritra izao vanim-potoan’ny Fahatsiarovana izao? — 1 Kor. 15:58, NW.
4 Vaovao Momba Ilay Fanjakana betsaka no halefa any amin’ny kongregasiona tsirairay. Ireo baoritra misy ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana dia tokony hotahirizina amin’ny toerana azo antoka ary tsy tokony hosokafana mandra-pifaran’ny fandaharana amin’io 23 Aprily io. Amin’io fotoana io, ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana vao ho azo zaraina amin’ireo rahalahy sy ny besinimaro. Eo amin’ny fifaranan’ny fandaharana amin’ny fivorian’ny kongregasiona, na ny fivoriamben’ny fizaran-tany na ny andro fivoriambe manokana amin’ny 23 Aprily, ny mpanatrika tsirairay dia hahazo iray amin’izy io mba hahafahan’izy ireo hahafantatra tsara izay raketiny sy hahavoaomana tsara azy ireo ho amin’ny fizarana azy io.
5 Hanan-javatra be dia be hatao ireo loholona: Eo am-piandohan’itỳ volana itỳ ny fitambaran-doholona dia tokony hivory mba handinihana ny tsipirian’io ezaka manokana io. Ny kongregasiona dia tokony hiezaka mafy mba hiasa ny faritany rehetra nanendrena azy. Alohan’ny hifaranan’io ezaka manokana io, dia manaova fiezahana manokana mba hiasana an’ireo faritany izay tsy voasa tao anatin’ny enim-bolana farany. Noho ny maha-zava-dehibe ilay asa, dia hirintsika ny hanokana fotoana betsaka araka izay azo atao ho amin’ny fanompoana. Tsy isalasalana fa mpitory maro kokoa noho ny mahazatra no hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Tena azo inoana fa mpianatra ny Baiboly maro no hanatevin-daharana antsika koa amin’ny maha-mpitory tsy vita batisa vaovao sy ankasitrahana. Fotoana hahafaly re izany ho antsika rehefa miara-miasa mafy ao amin’ny asan’ny Tompo isika rehetra!
6 Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia tokony hanao fandaharana hentitra ho amin’ny fiarahan’ilay antokon’olona mitory ny asabotsy sy ny alahady. Ny rehetra dia tokony hampirisihina mba handray anjara amin’ny fomba mavitrika. Ho fanampin’ny asa amin’ny faran’ny herinandro, dia tokony hisy fandaharana ho amin’ny fitoriana amin’ny takariva fara farafahakeliny indray mandeha isan-kerinandro mandritra ilay ezaka manokana. Ny sasany dia mety haniry hanao fivoriana ho amin’ny asa fitoriana aorian’ny firavan’ny mpianatra mba ho fitsinjovana ireo mpianatra izay ta handray anjara bebe kokoa.
7 Tokony hisy fandaharana ho amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fitoriana mba hahafahan’ireo mpitory sy mpisava lalana hanomboka aloha be eo amin’ny fanompoana isan’andro. Tokony ho fohy ireny fivoriana ireny. Ny tsirairay avy amin’izy ireny dia tokony hanasongadina fomba fampiseho iray tsotra ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fitoriana amin’ny tolakandro dia azo atao ny mampiditra fanipazan-kevitra iray na roa momba ny fiverenana mitsidika an’ireo izay nandray ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Kanefa, mety ho tia kokoa ny hizara azy io marain-tsy hariva ny mpitory sasany. Mba hahatongavana amin’izany, ny mpiandraikitra ny asa dia haniry ny hahazo antoka fa misy faritany ampy azo iasana. Ny anarana sy ny adiresin’ireo rehetra nampiseho fahalianana dia tokony homarihina ao amin’ny fandraisana an-tsoratra isan-trano. Ireo hevi-dehibe tamin’ilay resaka fohy dia azo ampidirina eo amin’ilay tsanganana fanoratana ny fanamarihana. Izany dia hanokatra lalana ho amin’ny fiverenana mitsidika atỳ aoriana kokoa amin’ilay herinandro na ilay volana.
8 Raha misy kongregasiona iray manampy kongregasiona hafa iray mba hiasa ny faritaniny, ny anarana sy ny adiresin’ireo olona liana dia tokony haverina amin’ilay kongregasiona miandraikitra ilay faritany.
9 Ry ray aman-dreny, moa ve ireo zanakareo miezaka mba handroso ho tonga mpitory tsy vita batisa? Voamarika fa any amin’ny kongregasiona sasany, dia ankizy maro tsara fitondran-tena no nanaraka ireo ray aman-dreniny vita fanoloran-tena teo amin’ny fanompoana, efa hatramin’ny taona maro. Mahita vokatra tsara ireny ankizy ireny na dia mbola tsy mpitory ny vaovao tsara aza. Ireo ray aman-dreny dia tokony handinika raha tena mahafeno fepetra ho amin’io tombontsoa io ireo zanany. Afaka miara-mandinika ny lafin-javatra rehetra amin’ilay loham-pianakaviana ny loholona roa ary mamaritra raha azo isaina ho toy ny mpitory tsy vita batisa ilay ankizy. — om-MG p. 99-100.
10 Moa ve misy mpitory tsy manolotra intsony fanati-piderana ho an’i Jehovah ao amin’ny faritanin’ny kongregasionanareo? (Heb. 13:15). Mety ho resin’ny fahakiviana na ireo fanahiana eo amin’ny fiainana ny sasany izay tsy miasa intsony, na dia mbola mifikitra amin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ihany aza. Ny fitsidihana amim-pisakaizana ataon’ny iray amin’ireo loholona dia mety hanosika azy ireny hiverina hiaraka indray amin’ny kongregasiona ary, amin’ny fotoana mety, dia hanohy indray ny asany eo amin’ny fanompoana.
11 Afaka mandray anjara amin’io asa mahafaly io izay rehetra mahafeno fepetra: Moa ve ny sasany aminareo ankizy na zatovo mahita fa sarotra ny manao ny fanompoana isan-trano? Ahoana ny aminareo vaovao izay tena voafetra ny fanandraman-javatra hitanareo teo amin’ny asa fitoriana? Ho hitanareo fa hahafaly indrindra ny fampiasana an’io Vaovao Momba Ilay Fanjakana manokana io! Fomba fampiseho tsotra iray no hany ilaina.
Ho azonao atao ny hilaza zavatra tahaka izao:
◼ “Amin’itỳ volana itỳ izahay dia mizara hafatra lehibe iray any amin’ny tany 232 manerana izao tontolo izao. Tena lehibe ilay hafatra satria manome antsika antony mafy orina hinoana fa misy vahaolana ho an’ireo zava-manahirana atrehintsika ankehitriny. Ho tianay ny hanananao iray ho anao manokana.”
Na ho azonao atao ny hanandrana izao:
◼ “Amin’itỳ volana itỳ dia mpiasa an-tsitrapo sahabo ho dimy tapitrisa no mizara hafatra lehibe iray amin’ny fiteny am-polony maro. Izy io dia nomanina ho an’ny olona ta hahita ny faran’ireo zava-manahirana atrehintsika rehetra ankehitriny. Intỳ ny anao.”
Mety hety aminao izao fomba fampiseho tsotra izao:
◼ “Mampirisika ny rehetra hamaky itỳ hafatra lehibe iray mitondra ny lohateny hoe [vakio ny lohatenin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana] itỳ izahay. Mariho ange izay ambara eto amin’ny pejy faha-2 momba ny fitomboan’ny zava-manahirana momba ny (...) e! [mamakia fehezanteny nofantenanao avy ao amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana]. Mino izahay fa ho tianao ny hamaky ny tapany sisa amin’itỳ hafatra tonga amin’ny fotoana ilana azy itỳ. Intỳ ny anao.”
12 Manehoa fiheverana manokana an’izay rehetra mandray ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Mitenena miadana sy mazava; tsy misy ilana ny ho maimaika. Irintsika ny hiasa tanteraka ny faritanintsika sy hanao izay hahazoan’izay rehetra liana hamaky ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, ny azy manokana. Rehefa tsy misy olona ao an-trano, dia mariho amim-pitandremana ao amin’ny fandraisanao an-tsoratra isan-trano izany mba hahafahanao hiverina amin’ny fotoana mety, mba hanolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana an’ilay tompon-trano. Azo ampiasaina io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io eo amin’ny fanambarana eny amin’ny arabe rehefa liana hamaky izay raketiny ny olona iray. Tsy tokony homena be fahatany toy ny hoe taratasy anefa izy ireny. Hatony kosa ny mpandalo, ary hazavao ny maha-zava-dehibe ilay hafatra hasongadina. Ampiasao ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana eo amin’ny fitoriana tsy ara-potoana, toy ny eny am-panaovana dia, na rehefa manao fanambarana amin’ny mpiara-miasa mandritra ny fiatoana fisakafoana amin’ny antoandro. Ireo izay voatana eo am-pandriana na ireo marary hafa dia afaka manolotra azy io amin’ireo mpitsidika, sy dokotera sy mpitsabo mpanampy, mpivarotra, sy ny hafa izay tonga ao an-tranony.
13 Fiverenana mitsidika firy no hataonao mandritra io ezaka manokana io? Tsy isalasalana fa maro be, satria ireo rehetra nampiseho fahalianana tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana dia tokony hiverenana hotsidihina. Amin’ilay fitsidihana voalohany, ny tsara indrindra dia ny hanasongadinana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana fotsiny aloha. Avy eo, rehefa miverina ianao, dia miresaha fohy momba ny maha-tonga amin’ny fotoana ilana azy an’ilay hafatra ao amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Henoy amim-pitandremana ilay tompon-trano rehefa maneho ny heviny momba izay novakiny. Ny teniny dia hanampy anao hahafantatra izay tokony hatolotra amin’ireo gazety farany indrindra ary angamba koa ny fomba hiomanana ho amin’ny resaka fanampiny. Raha maneho fihetsika tsara ilay tompon-trano amin’ilay fiverenana mitsidika, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. — 1 Kor. 3:6, 7.
14 “Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina”: Mendrika ny hanaovana fiezahana ve izany asa rehetra izany? Nanome toky an’ireo Korintiana i Paoly hoe: “Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1 Kor. 15:58). Nandritra ny taona maro, ny fiezahantsika hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana dia notahina be dia be. Ny mpivady iray honina ao amin’ny trano iray tsy nisy nipetraka dia nahita iray tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana izay efa tranainy, tao anaty vatasarihana iray. Izy io ihany no hany zavatra tavela tao amin’ilay trano manontolo. Taorian’ny namakiany azy io, dia nifandray tamin’ny kongregasiona teo an-toerana izy ireo ary nangataka fampianarana Baiboly. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra izy ireo ary tatỳ aoriana dia naneho ny faniriany hatao batisa. Angamba hitondra vokany tahaka izany ny iray amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana hapetrakao! — km-MG 5/74 p. 4 na km-F 2/75 p. 1; jereo koa ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Febroary 1977, pejy 15.
15 Manana asa goavana iray isika eo anoloantsika. Ny tanjontsika dia ny hiasan’ny kongregasiona tsirairay ny faritaniny rehetra mandra-pahatongan’ny 14 May na ny faran’io volana io raha ilaina ny hanitarana ny fotoana hizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Amin’ireo Vaovao Momba Ilay Fanjakana halefa, dia hisy 250 ho an’ny mpisava lalana maharitra sy mpanampy tsirairay avy. Ny mpitory tsirairay avy ao anatin’ny kongregasiona dia hahazo hatramin’ny 50. Ny mpitory sy ny mpisava lalana dia tsy tokony haka afa-tsy izay ho azony zaraina ary hamerina ny ambiny mba hampiasain’ny hafa. Ny fiaraha-miasa tsara amin’io lafiny io dia hanome antoka fa ny betsaka indrindra amin’io hafatra lehibe io no voaely. Raha toa, noho ny fananany faritany midadasika, ka tsy voasan’ny kongregasiona sasany hatramin’ny tapaky ny volana May ny faritaniny ary mbola misy ambiny ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, dia mety hahasoa ny hanasana ny kongregasiona iray eo akaiky mba hanampy azy. Any amin’ny kongregasiona sasany dia azo atao ny manome izay ilaina eo an-toerana raha mampitombo ny asany ireo mpitory amin’ny firotsahana ho mpisava lalana mpanampy na amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana matetika kokoa.
16 Fifikirana amin’i Jehovah amin’ny fanahintsika rehetra no takina raha tiantsika ho tontosa ny asantsika. (Kol. 3:23, NW ). Ain’olona no voakasik’izany. Tsy afaka ny hamela ny tenany hody tsy hahalala ny hevitr’ireo toe-piainana eo amin’itỳ tontolo itỳ ankehitriny ny olona. Kely sisa ny fotoana tavela. Tsy maintsy eken’izy ireo fa tsy manana ny vahaolana amin’ireo zava-manahirana eo amin’itỳ tontolo itỳ ny olombelona. Andriamanitra no manana izany. Ireo izay maniry hahazo ny fitahian’Andriamanitra dia tsy maintsy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra, sy tsy misy hataka andro, mifanaraka amin’ireo fepetra takiny.
17 Eo amin’ny fifaranan’ilay ezaka manokana amin’ny 14 May, moa ve isika hampihena ny asantsika? Tsia! Ho be hatao hatrany isika, mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly ara-tsindrimandry.