Ezaka Manokana Hatao ny 16 Oktobra–12 Novambra!
1 “Ho Ringana tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!” Izany no lohatenin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37, izay hozaraina maneran-tany manomboka amin’ny volana ambony. Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isika mandritra ny herinandro roa voalohany amin’ny Oktobra. Hizara betsaka araka izay azo atao amin’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 kosa isika, manomboka ny alatsinainy 16 Oktobra ka hatramin’ny alahady 12 Novambra. Mandritra an’io ezaka manokana io, dia hatolotsika miaraka amin’ny gazety ilay taratasy mivalona, rehefa faran’ny herinandro.
2 Iza no afaka mandray anjara? Asaina ny mpitory ny vaovao tsara rehetra mba handray anjara feno. Mety ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy ny mpitory sasany. Manan-janaka na mpianatra Baiboly mandroso tsara ve ianao? Ampirisiho hiresaka amin’ny anti-panahy izy, mba hahalalana raha mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. Tokony hiresaka amin’ireo tsy mitory intsony ny anti-panahy, ka hampirisika azy ireo handray anjara amin’io ezaka manokana io. Mety ho azo ampiarahina amin’ny mpitory za-draharaha izy ireny.
3 Andefasana Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 ampy tsara daholo ny fiangonana, ka afaka mahazo 50 avy, fara fahakeliny, ny mpitory rehetra. Azo omena dimy amin’izy io koa ny olona liana efa mivory nefa mbola tsy mitory, mba homeny ny fianakaviany sy ny namany. Tokony handray an-tsoratra ny isan’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana voapetrany ny mpitory rehetra, ary hosoratany ao ambadiky ny tatitra momba ny fanompoana Oktobra sy Novambra izany. Hatambatry ny mpitan-tsoratra ny isan’ny voapetraky ny mpitory rehetra ao amin’ny fiangonana, ka hosoratany ao amin’ny S-1 (eny ambany) halefa any amin’ny biraon’ny sampana, amin’ny faran’ireo volana ireo. Azo ampiasaina amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana izay ambiny, rehefa vita ilay ezaka manokana.
4 Ahoana no anolorana azy io? Aza miresaka ela, mba ho betsaka kokoa ny ho voazaranao. Afaka milaza ianao hoe: “Misy hafatra lehibe ato amin’ity taratasy mivalona zarainay amin’ny olona rehetra eran-tany ity. Ity ny anjaranao, dia mazotoa mamaky e!” Raiso an-tsoratra daholo ny anaran’ireo olona liana.
5 Ahoana no hamitana ny faritany? Isan-trano sy eny amin’ny faritany be toeram-piasana no tena tokony hizarana io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io, fa tsy eny an-dalana. Mariho ireo tsy tratra an-trano, ary miezaha miverina amin’ny fotoana hafa. Manomboka ny alatsinainy 6 Novambra, dia azo amelana iray amin’izy io ireo tsy tratra an-trano. Ahoana anefa raha lehibe ny faritanin’ny fiangonana, ka mety tsy ho vita ao anatin’ny fotoana hanaovana ilay ezaka manokana? Mety hanapa-kevitra ny anti-panahy amin’izay, fa tokony hamelana iray avy hatrany ireo tsy tratra an-trano.
6 Efa tena akaiky ny fotoana handringanana tanteraka an’i “Babylona Lehibe”, ka tokony hivoaka avy ao aminy ny olona, dieny mbola tsy tonga izany! (Apok. 14:8; 18:8) Miomàna dieny izao àry mba handray anjara feno amin’io ezaka manokana atao eran-tany io. Hampahafantatra ny olona rehetra izy io fa ho ringana tsy ho ela ny fivavahan-diso!