Ampio ny Hafa mba Handraisan’ny Tenany Soa
1 I Jehovah dia mampanantena ny hampianatra antsika izay ilaintsika ho fantatra. Ao amin’ny Salamo 32:8 izy dia manome toky antsika toy izao: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” Isika dia mandray soa lehibe avy amin’io fanomezan-toky io. Tsy amim-pitiavan-tena, dia irintsika ny hampiseho amin’ny hafa ny fomba ahafahan’ny tenan’izy ireo mandray soa amin’ny fanarahana ny torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. (Isaia 48:17). Afaka manao izany isika mandritra ny Septambra, amin’ny fanolorana ny boky Hiaina Mandrakizay. Rehefa manao ny fomba fampisehontsika isika dia misy fomba samihafa azontsika ampisehoana ny maha-azo ampiharina ny Baiboly.
2 Noho ny fielezan’ny zava-manahirana ara-panambadiana amin’izao andro izao, dia mety hifidy ny hanasongadina itỳ hevitra itỳ avy ao amin’ny boky “Hiaina Mandrakizay” ianao:
◼ “Ny ankamaroan’ny olona niresahako dia manahy tokoa ny amin’ny fitomboana izaitsizy amin’ny tsy fahasambarana ara-panambadiana sy ny fisaraham-panambadiana. Ahoana no hevitrao momba io zava-manahirana io? [Avelao ilay olona hamaly.] Maro no tsy mahatakatra ny antony fototra. Raha toa ka manao fiezahana amim-pahatsorana ireo mpivady, dia tsy vitan’ny hoe ho afaka hamonjy ny fanambadiany izy ireo, fa ho afaka hahita fahasambarana marina koa. Ny fanalahidin’ny fahombiazana dia mitoetra ao amin’ny fampiharana ny torohevitra hita ao amin’ny Baiboly.” Vakio ny Efesiana 5:28, 29, 33. Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-243 ilay boky ary diniho ny fehintsoratra faha-16 sy faha-17, ary avy eo dia atolory ilay boky.
3 Ny ankizy dia mila fotoana misy vidiny sy fampianarana avy amin’ny ray aman-dreniny. Rehefa manasongadina ny boky “Hiaina Mandrakizay” ianao, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Isika rehetra dia manahy ny amin’ny fahasambaran’ireo tanorantsika amin’ny hoavy. Araka ny hevitrao, inona no fomba tsara indrindra ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hahita hoavy tsy misy fananana ahiahy? [Avelao ilay olona hamaly.] Henoy itỳ torohevitra avy ao amin’ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly itỳ, nosoratana tokony ho 3 000 taona lasa izay. [Vakio ny Ohabolana 22:6.] Na dia afaka mandray soa be dia be avy amin’ny fampianarana azony any an-tsekoly aza ny zanatsika, ny fampianarana misy vidiny indrindra ho azy ireo dia izay omen’ny ray aman-dreniny azy any an-tokantrano. Mitaky fotoana sy fitandremana ary fitiavana izany, nefa mendrika tokoa ny fiezahana atao aminy.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-245 ilay boky, diniho ny fehintsoratra faha-20 sy faha-21, ary avy eo dia hazavao ny fomba azo ampiasana ilay boky ho fototra ho amin’ny fianaran’ny fianakaviana ny Baiboly.
4 Mety hirinao ny hanolotra ny boky “Hiaina Mandrakizay” amin’ny fampisehoana ny fomba hahatonga ny tany ho paradisa:
◼ “Azoko antoka fa ianao dia manahy ny amin’ny hoe hanao ahoana ny fiainanao amin’ny hoavy. Tao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, dia nampianatra antsika i Jesosy hivavaka ho an’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Hanao ahoana ny tany rehefa hitranga izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Eto dia misy sary nataon’ny mpanakanto iray ny amin’ny tontolo paradisa. [Sariho ny saina ho amin’ny sary eo amin’ny pejy faha-12 sy faha-13. Avy eo, dia vakio ny Isaia 11:6-9, tafiditra ao amin’ny fehintsoratra faha-12.] Tsy hahafinaritra ve ny hiaina ao amin’ny tontolo iray toy izao? Itỳ boky itỳ dia hampiseho aminao ny fomba ahafahanao sy ny fianakavianao hiaina ao amin’ny paradisa tahaka an’io.”
5 Ny fanomanana mialoha ny fomba fampisehonao dia lafin-javatra fototra hanapaka ny fahombiazanao eny am-baravarana. Alohan’ny handondonana, dia ataovy azo antoka fa manana zavatra voafaritra tsara holazaina momba ny hevitra iray araka ny Soratra Masina ianao. Afa-tsy izany koa dia manàna fanazavana fohy ao an-tsaina momba ny hevi-dehibe mahaliana iray ao amin’ny gazety na ny taratasy mivalona kasainao hatolotra raha toa ka tsy raisina ny boky. Hararaoty ny fahafahana rehetra anananao mba hamafazana ny voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana mandritra ny Septambra. (Mpit. 11:6). Hanampy ny hafa ianao mba hijinja ireo soa izay haharitra mandrakizay.