Mandraisa Soa Avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1996 — Fizarana 1
1 Efa novakinao ve ny toromarika nomena niaraka tamin’ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1996”? Nomarihinao ve ireo fiovana sasantsasany? Manomboka amin’ny Janoary ka hatramin’ny Aprily, ny Anjara faha-3 dia hiorina amin’ilay bokikely hoe Foto-dresaka Araka ny Baiboly, ary manomboka amin’ny May ka hatramin’ny Desambra, izany dia hiorina amin’ilay boky vao navoaka hoe Fahalalana. Ny Anjara faha-4 dia hiorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
2 Anjaran’ny mpianatra: Ny Anjara faha-3 dia omena ny anabavy. Tokony hatao toy ny fiverenana mitsidika na fampianarana Baiboly any an-tokantrano izy io. Tokony ho tena hanampy izany satria ny boky Fahalalana dia hampiasaina be dia be mba hitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
3 Raha fampianarana Baiboly any an-tokantrano ny faritra, ireo anabavy roa dia afaka mipetraka. Tonga dia atombohy ilay fianarana amin’ny fanaovana fampidiran-dresaka fohy, ary avy eo dia apetraho ny fanontaniana vita pirinty. Ny anjara asan’ilay tompon-trano dia tokony hatao amin’ny fiheverana ny zavatra tena misy. Ireo andinin-teny voatonona dia azo jerena sy vakina arakaraka ny amelan’ny fotoana izany. Tokony hampiasa fahaiza-mampianatra ilay anabavy amin’ny fanaovana izay hitenenan’ilay tompon-trano amin’ny alalan’ny fanontaniana sy amin’ny fanjohian-kevitra amin’ireo andinin-teny ampiasaina.
4 Inona no tokony hatao raha misy andinin-teny voatonona maro kokoa ka tsy azo dinihina ao anatin’ny dimy minitra? Mifantena andininy fototra izay manasongadina ireo hevi-dehibe. Raha tsy misy afa-tsy andinin-teny vitsivitsy, dia azo dinihina amin’ny fomba miitatra kokoa ireo hevitra lehibe amin’ilay fianarana. Indraindray, dia azo vakina ary avy eo dinihina miaraka amin’ilay tompon-trano ny fehintsoratra na fehezanteny iray avy ao amin’ilay boky.
5 Ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe: “Tsapao ny Fahalalanao”, hita eo amin’ny faran’ny toko tsirairay amin’ny boky Fahalalana, dia azon’ilay mpitory manana anjara amin’ny fehintsoratra farany amin’ilay toko, jerena fohy. Ny fanazavana ao anaty faritra voafefy izay tafiditra ao amin’ireo fehintsoratra nanendrena dia azo dinihina koa arakaraka ny amelan’ny fotoana. Raha mitranga eo anelanelan’ny anjara roa ny fanazavana ao anaty faritra voafefy, dia ilay anabavy manao ny anjara voalohany no afaka mandinika azy. Ireo sary ao amin’ilay boky dia azo hazavaina isaky ny mihatra amin’ilay zavatra dinihina izy ireo.
6 Tokony ho tena mahaliana sy ho azo ampiharina ny Anjara faha-4. Ataovy mihodinkodina eo amin’ny loha hevitra ny famelabelarana, ary mifantena andininy ara-baiboly fototra izay hanampy ny mpanatrika hifantoka amin’ny Baiboly.
7 Raha manararaotra amin’ny fomba feno ny fampiofanana omena ao amin’ny sekoly isika, dia ho ampy fahaizana kokoa mba ‘hitory ny teny’ amin’ny fomba izay hampiseho ilay “fahaiza-mampianatra” tsara dia tsara. — 2 Tim. 4:2, NW.