Miomàna Ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety Amin’ny Aprily
Araka ny voamarika ao amin’ny Kalandrie 1996, ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia hankalazaina amin’ny 2 Aprily amin’itỳ taona itỳ. Koa satria hampaherezina amin’ny alalan’izany fisehoan-javatra lehibe izany isika, dia aoka ny tsirairay isam-batan’olona handray anjara amin’ny fizarana gazety amin-jotom-po mandritra ny volana Aprily manontolo. Gazety tonga amin’ny fotoana mety toy inona moa izao no hampiasaintsika! Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily dia hifantoka amin’ny lahateny ampahibemaso tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny taona lasa hoe: “Derao Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay!” Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily dia hanaraka ny loha hevitry ny lahateny manokana tamin’ny Aprily lasa manao hoe: “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”. Ny lahateny manokana amin’ny 21 Aprily amin’itỳ taona itỳ hoe: “Fitoerana ho Tsy Misy Tsiny eo Anivon’ny Taranaka Fangoloka”, dia tokony hanome fanentanana fanampiny.
Toy ny natao tamin’ny ezaka manokana ho fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana tamin’ny Aprily lasa, itỳ Aprily itỳ dia tokony ho volana hiavaka ho an’ny fizarana gazety. Izao no fotoana anaovana planina. Maro no haniry hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy. Arakaraka izay ilaina, dia tokony hanafatra kopia amboniny amin’ireo gazety amin’ny Aprily ianareo. Afaka manao planina isika ho amin’ny Andro Fizarana Gazety, miaraka amin’izay rehetra afaka mandray anjara — ny maraina, ny antoandro sy (na) ny takariva. Aoka isika rehetra ho “mpankatò ny teny”. Araka ny voambara mialoha momba ny Mesia ao amin’ny Salamo 69:9, dia enga anie isika koa ho afaka hiteny hoe: “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no naharìtra aina ahy”. — Jak. 1:22; Jaona 2:17.