Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Febroary
Herinandron’ny 5 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: “Fanambarana ny Fahamarinana Isan’andro ho Fanahafana An’i Jesosy”. Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra faha-5.
20 min: “Apokalypsy — Fanalahidy Iray ho Amin’ny Fahasambarana Marina”. Diniho ireo fomba fampiseho anolorana hevitra, ary anaovy fampisehoana iray na roa.
Herinandron’ny 12 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
13 min: “Miomàna ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety Amin’ny Aprily”. Asongadino ny hasarobidin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! eo amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsara. Vakio ilay lahatsoratra tsy misy afa-tsy fehintsoratra roa, ary sorito izay hataon’ny kongregasiona mba hanaovana ny volana Aprily ho volana manokana ho amin’ny fizarana gazety.
22 min: “Ahoana no Ahafahako Mahita Sofina Mihaino?” Fanontaniana sy valiny. Asaivo miara-mandinika ny mpitory roa ny amin’ny fomba hanandraman’izy ireo hampiseho hafanana bebe kokoa rehefa miresaka eny am-baravarana, ka mampiasa ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra nomena ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy faha-165-167, fehintsoratra faha-10-21.
Herinandron’ny 19 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1996 — Fizarana Faha-2”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Antitrantero ny ilana hamakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.
20 min: “Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra”. Diniho ny fomba fampiseho anolorana hevitra amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika. Miara-midinika amin’ny mpitory roa na telo lafin-javatra ao amin’ny boky Fanambarana sy ny fomba azo anasongadinana azy ireny ny loholona iray. Anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho iray na roa. Manomeza fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hampitomboana fahalianana ka ahafahana manomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.
Herinandron’ny 26 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Fanomanana Fomba Fampiseho Manintona. Ny mpiandraikitra ny fanompoana na loholona hafa dia miara-midinika amin’ny mpitory roa na telo ny tombontsoa amin’ny fananana fomba fampiseho amin’ny isan-trano izay manasongadina zavatra manintona ny olona eo an-toerana. Ohatra, tatitra momba ny vaovao eo an-toerana izay mahakasika ezaka natao vao haingana mba hanatsarana ny fari-piainana; fitomboan’ny fironana hahita zava-manahirana ara-panambadiana, zaza mania, na fahasahiranana amin’ny fahitana asa; na vaovao tapatapany mampiseho hoe nahoana ny olona no manjary be fisalasalana ny amin’ny fanafodiny atolotr’ireo mpanao politika sy ireo anisan’ny klerjy. Milazà vaovao tapatapany vao haingana sasany eo amin’ny fiaraha-monina misy anao ary diniho ny fomba azo ampiasaina azy ireny mba hanombohana resaka.
20 min: Fanolorana ny Boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay Mandritra ny Volana Martsa. Lazao ireo lafin-javatra mahaliana sasany izay azo ampiasaina mba hanombohana resaka. 1) Sariho ny saina ho amin’ny sary manaitra, toy izay aseho eo amin’ny pejy faha-4-5, 86, 124-125, 188-189. 2) Asehoy ny fomba ifaranan’ny toko tsirairay amin’ny lisitra misy fanontaniana famerenana ary hazavao ny fomba azo ampiasana azy ireny ho fototry ny fomba fampiseho. Azo anontaniana ny tompon-trano raha tiany ny hahafantatra ny valiny. Mifidiana fanontaniana sasany avy amin’ireo natao lisitra eo amin’ny pejy faha-11, 22, 61, 149. 3) Asehoy ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-102, ary manomeza fanoloran-kevitra mampiseho hoe amin’ny ahoana ny “Lafiny Misongadina Sasany Amin’ny Andro Farany” no azo ampiasaina mba hanairana fahalianana. 4) Antitrantero ny hoe amin’ny ahoana ilay boky no natao indrindra hitarihana fampianarana mandroso. Fohy ireo toko, mora azo ny zavatra dinihina, andinin-teny mahery no voatonona, ary fanontaniana famakafakana maro no mifantoka amin’ny hevitra fototra. Ampirisiho mafy ny rehetra hanolotra ilay boky ka ny tanjona dia ny hanomboka fampianarana.