Ahoana No Ahafahako Mahita Sofina Mihaino?
1 Tao amin’ny tanànan’i Filipy, dia “nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, (...) nihaino (...) ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly”. (Asa. 16:14). Inona no ampianarin’io fitantarana io antsika? Ny fihainoana no manokatra ny varavarana ho amin’ny fianaran’ny olona iray ny fahamarinana. Ny fahombiazantsika amin’ny fizarana ny hafatra momba ilay Fanjakana dia miankina voalohany indrindra amin’ny fahavononan’ilay tompon-trano hihaino. Raha vao mahita sofina mandre isika, dia azo lazaina hoe mora ny mampiseho ny hafatra entintsika. Ny fahitana olona mihaino anefa dia mety ho fihaikana. Inona no azontsika atao?
2 Alohan’ny handraisana anjara amin’ny fanompoana, dia tokony hihevitra ny fisehoantsika ivelany sy ny fitaovana hampiasaintsika isika. Nahoana? Ny olona dia mirona kokoa hihaino izay manana fisehoana ivelany mendrika. Mitafy amim-pahaiza-mifidy zavatra nefa amim-pahamaotinana ve isika? Na dia be mpitia eo amin’izao tontolo izao aza ny fitafiana misavoritaka, dia halavirintsika izany fanaovana kitoatoa izany satria minisitra misolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Ny fisehoantsika ivelany madio sy milamina dia hanampy porofo tsara amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izay torintsika.
3 Aoka ianao ho sariaka sy feno fanajana: Na dia eo aza ny fihetsika miovaova amin’izao andro izao, dia olona maro no mbola manaja ny Baiboly ary handray tsara amin’ny resaka feno fanajana sy atao amim-pisakaizana ny amin’izay raketin’ny Baiboly. Afaka manao izay tsy hahasanganehana ny tompon-trano sy hanokafana ny lalana ho amin’ny dinidinika mahafinaritra ny tsiky mafana sy avy amin’ny fo. Ny fahatsorantsika sy ny fahalalam-pombantsika dia tokony hiseho koa amin’ny tenintsika sy ny fitondran-tenantsika, izay mahatafiditra ny fihainoantsika amim-panajana ny fanamarihan’ilay tompon-trano.
4 Ny fikasantsika dia ny hizara ny fampanantenan’ny Baiboly amin’ny hafa. Amin’ny fanaovana izany ao an-tsaina, dia tokony ho azontsika antoka fa manintona, tsy mihantsy na mihaika ny resaka ataontsika. Tsy ilaina ny mandanilany fotoana hiadiana hevitra amin’olona izay manohitra mazava. (2 Tim. 2:23-25). Afaka mifantina avy amin’ireo fomba fampiseho maro karazana mampahery sy tonga amin’ny fotoana mety nomena antsika ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana sy ny boky Fanjohian-kevitra isika. Mazava ho azy fa mila manomana azy ireny tsara isika mba hahafahana hiteny amin’ny fomba mafana sy mampiaiky. — 1 Pet. 3:15.
5 Aorian’ny fitsidihantsika, dia tompon-trano vitsy no afaka mitadidy amin’ny fomba marina izay nolazaintsika. Kanefa, saika izy rehetra no afaka mitadidy ny fomba nitenenana izany. Tsy tokony hanamaivana mihitsy ny herin’ny hatsaram-po sy hatsaram-panahy isika. Azo antoka fa misy olona maro toy ny ondry ao amin’ny faritanintsika hanongilan-tsofina amin’ny fahamarinana tsy misy hafa amin’ny nataon’i Lydia tamin’ny taonjato voalohany. Ny fiheverana amim-pitandremana ny fisehoantsika ivelany sy ny fomba fitenintsika dia afaka mampirisika ireo olona tso-po hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy handray tsara izany. — Marka 4:20.