FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/96 p. 1
  • Ampio Izy Ireo Hanompo Indray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Izy Ireo Hanompo Indray
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Hadinoina Ireo Tsy Mitory Intsony
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Ampio Hiverina Haingana Izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • “Miverena Amiko”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 6/96 p. 1

Ampio Izy Ireo Hanompo Indray

1 Nanaiky ny fisian’ny loza ara-panahy iray mety hahazo ireo Kristiana namany ny apostoly Paoly, ka nanoratra hoe: “Ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika.” (Rom. 13:11). Niahy ny amin’ireo rahalahiny izay nanjary rendremana ara-panahy i Paoly; may ny hamelona azy ireo ho amin’ny asa indray izy.

2 Tena azo lazaina fa efa ho lasa ny alin’itỳ tontolo tranainy itỳ ary efa mangirana ny marainan’ny tontolo vaovao. (Rom. 13:12). Manana antony tsara isika hiahiana ny amin’ireo rahalahintsika izay nitsahatra tsy ho mpitory ilay vaovao tsara niaraka tamintsika. Tamin’ny taom-panompoana lasa, teto Madagasikara fotsiny, dia mpitory 128 no niverina nitory indray. Ahoana no hanampiantsika ireo hafa tsy mitory intsony hanompo an’i Jehovah indray?

3 Izay azon’ireo loholona atao: Ny ankamaroan’ireo tsy mitory intsony dia tsy nandao ny fahamarinana; nitsahatra tsy nitory fotsiny izy ireo noho ny fahakiviana, ny zava-manahirana manokana, ny fanantitranterana ny zavatra ara-nofo, na ny fanahiana hafa eo amin’ny fiainana. (Lioka 21:34-36, NW ). Raha azo atao, dia tsara lavitra ny manampy azy ireny alohan’ny hahatongavany ho tsy mpitory intsony. Ny mpitan-tsoratry ny kongregasiona dia tokony hampahafantatra ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona rehefa manjary tapatapaka ny mpitory iray amin’ny famerenana ny tatitra amin’ny asa fanompoana. Azo atao ny mandamina fitsidihan’ny mpiandry. Izy ireo dia tokony hiezaka hamantatra ny antony fototr’ilay zava-manahirana sy ny fomba azo anomezana fanampiana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1993, pejy 20-23.

4 Ny fomba ahafahan’ny hafa manampy: Ny ankamaroantsika dia mahafantatra olona izay nanjary tsy nitory intsony. Mety ho olona izay tena akaiky antsika izy io taloha. Inona no azontsika atao mba hitondrana fanampiana? Nahoana raha mandalo any aminy? Lazao azy fa malahelo azy ianao. Aoka ianao ho sariaka sy manorina. Lazao ny fiahianao, fa aza milaza hoe marary ara-panahy izy. Mitantarà fanandraman-javatra manorina na zavatra tsara hafa tanterahin’ny kongregasiona. Miresaha amin-kafanam-po momba ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, ary ampirisiho izy hanatrika. Ny fifaneraserana indray amin’ny kongregasiona dia mety hanampy azy bebe kokoa noho ny zavatra hafa. Manolora ny hiaraka aminy ho any amin’ireo fivoriana. Ampahafantaro an’ireo loholona ny vokatra azonao.

5 Rehefa miverina any amin’ireo fivoriana indray ny olona iray nanjary tsy nitory intsony, dia azo inoana fa hahatsapa ho sanganehana izy rehefa mihaona amin’ireo izay fantany taloha. Aza manontany hoe: “Taiza ianao?” Ataovy kosa izay hahatsapany hoe raisina an-tanan-droa izy. Ampidiro ao amin’ny resaka ifanaovana izy. Ampifankahalalao amin’ireo olona tsy fantany izy. Miaraha mipetraka aminy mandritra ny fivoriana, ka ataovy azo antoka fa manana fihirana sy ny zavatra ianarana izy. Ampirisiho izy hiverina, ary manolora ny fanampianao raha ilaina izany.

6 Manana firaiketam-po mafana amin’ireo izay nania i Jehovah sy i Jesosy, ka mifaly rehefa tafarina amin’ny lafiny ara-panahy indray ny olona toy izany. (Mal. 3:7; Matio 18:12-14). Afaka mahatsapa io fifaliana io koa isika raha mahomby amin’ny fanampiana olona hafa mba hanompo an’i Jehovah indray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara