Aza Hadinoina Ireo Tsy Mitory Intsony
1. Nahoana isika no tokony hiezaka hampahery an’ireo tsy mitory intsony?
1 Mahafantatra olona tsy mitory intsony ve ianao? Angamba izy tsy nifanerasera tamin’ny fiangonana intsony. Mety ho nihaona tamin’ny olona toy izany ianao rehefa nitory isan-trano. Tadidio fa mbola rahalahintsika izy. Tokony hasehontsika azy àry fa tiantsika izy, ary irintsika ny hanampy azy hiverina amin’ny fiangonana sy ‘amin’ilay mpiandry sy mpiandraikitra antsika.’—1 Pet. 2:25.
2. Ahoana no azontsika ampaherezana ny olona tsy mitory intsony?
2 Manehoa fiahiana: Azontsika atao ny mitsidika an’ilay olona tsy mitory intsony, na miresaka kely aminy an-telefaonina. Mety hanome toky azy izany fa tsy manadino azy isika. Inona anefa no holazaintsika? Mety hampahery azy na dia ny filazana aminy fotsiny aza hoe mahatsiaro azy isika. Zavatra mahafinaritra sy mampahery foana resahina. (Fil. 4:8) Azontsika resahina ny zavatra nahaliana antsika tamin’ny fivoriana vao haingana. Afaka manasa azy hanatrika ny fivoriana na fivoriambe manaraka koa isika, ary milaza aminy fa haka toerana ho azy.
3. Ahoana no nahatonga ny anabavy iray hiverina hitory indray?
3 Nihaona tamin’ny anabavy iray efa tsy nitory nandritra ny 20 taona mahery ny mpitory iray, teny amin’ny faritany. Tsy nanaiky hianatra Baiboly izy, kanefa niverina nitsidika azy ilay mpitory ary nanome azy gazety vaovao. Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra io mpitory io tatỳ aoriana, ary noresahiny tamin’ilay anabavy ny sasany tamin’ny hevitra nisongadina reny tany. Niverina nitory indray io anabavintsika io tamin’ny farany.
4. Ahoana no tokony handraisantsika ny olona tsy mitory intsony, rehefa mivory indray izy?
4 Rehefa miverina izy: Ahoana no tokony handraisantsika ny rahalahy tsy mitory intsony, rehefa mivory indray izy? Ahoana tokoa moa no nandraisan’i Jesosy ny mpianany, taorian’ny nandaozan’izy ireo azy? Nantsoiny tamim-pitiavana hoe “rahalahiko” izy ireo, ary nasehony fa natoky azy ireo izy. Naniraka azy ireo hanao asa tena lehibe aza i Jesosy. (Matio 28:10, 18, 19) Lasa be zotom-po izy ireo tsy ela taorian’izay, ka “tsy nitsahatra” nitory ny vaovao tsara.—Asa. 5:42.
5. Rahoviana isika no tokony hiresaka amin’ny anti-panahy, momba ny olona iray tsy mitory intsony?
5 Tokony hitady ny tari-dalan’ny anti-panahy isika, alohan’ny hampianarana Baiboly ny olona iray efa ela tsy nitory, na alohan’ny hanasana azy hiara-manompo amintsika. Mety hihaona amin’ny olona tsy mitory intsony isika rehefa manompo. Tokony hampandre ny anti-panahy koa isika amin’izay, mba hahafahan’izy ireo hanome ny fanampiana ilaina.
6. Inona no ho tsapantsika raha nanampy olona tsy nitory intsony isika?
6 Ahariharin’ny Baiboly mazava tsara fa izay manohy manompo hatramin’ny farany ihany no hovonjena. (Matio 24:13) Fantaro àry ireo olona tafintohina na nandao ny fiangonana. Hiahy lalina an’ireny olona ireny isika, raha manam-pitiavana sy faharetana toa an’i Jehovah. Ho faly hahita azy ireny hiara-manompo amintsika indray isika raha manao izany.—Lioka 15:4-10.