FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/98 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Hadinoina Ireo Tsy Mitory Intsony
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • “Miverena Amiko”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Hiverina Haingana Izy Ireo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 11/98 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Mbola mety ve ny mitarika fampianarana Baiboly amin’ny rahalahy na anabavy iray tsy mitory intsony, eo ambany fitarihan’ny iray amin’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kôngregasiôna?

Manana andraikitra hiandry ny kôngregasiôna, anisan’izany izay mpikambana rehetra nanjary tsy nitory intsony, ireo loholona. Mitsidika ny olona toy ireny izy ireo, ary mamaritra hoe fanampiana manokana inona no ilaina. Mety hahatafiditra fanolorana fianarana manokana ny Baiboly ho an’ilay olona tsy mitory intsony izany, rehefa mety ny hanaovana azy. Manazava ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika pejy faha-103, fa ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kôngregasiôna no hamaritra hoe iza no mety handray soa avy amin’ny fandaharana toy izany.

Ny mpiandraikitra ny fanompoana no mamaritra hoe iza no afaka manome fanampiana tsara indrindra, sy ny hoe foto-kevitra inona no tokony hianarana, ary ny hoe zavatra vita an-tsoratra inona no hahasoa indrindra. Angamba ilay niara-nianatra tamin’ilay olona tany am-boalohany na ny olona iray fantany sy hajainy no ho tsara toerana mba hanome fanampiana. Mety hisy anabavy mahay sy matotra iray hangatahina hanampy ny anabavy iray tsy mitory intsony. Matetika no tsy ilaina ny hiarahan’ny mpitory hafa iray amin’ilay olona notendrena. Rehefa notendrena ilay mpitory mitarika ilay fianarana, dia afaka manisa ny ora sy ny fiverenana mitsidika ary ny fampianarana. — Jereo ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 1988, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hanampy Ireo Tsy Miasa”.

Koa satria olona vita batisa ilay mpianatra, dia tsy ilaina hotohizina mandritra ny fe-potoana lava ilay fianarana. Ny zava-kendrena dia ny hanampiana ilay olona tsy mitory intsony hiverina hanatrika indray ireo fivoriana rehetra alamin’ny kôngregasiôna, sy ho tonga mpitory ny vaovao tsara tsy tapatapaka. Hanara-maso ny fandroson’ny fianarana toy izany ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ny vokatr’io fanampiana amim-pitiavana io, dia ny tokony hahafahan’ireny rahalahy sy anabavy ireny hiantsoroka ny andraikiny manokana eo anatrehan’i Jehovah sy ny hahatonga azy ireny “hamaka sy hiorina mafy” amin’ny fahamarinana. — Efes. 3:17; Gal. 6:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara