FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/92 p. 1-3
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Manomàna Tsara Rehefa Hiverina Hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 2/92 p. 1-3

Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika

1 Amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara antsika, dia nomena baiko hanao mpianatra isika. (Matio 28:19, 20). Tapany iray lehibe dia lehibe amin’ny asa fanaovana mpianatra ataontsika ny fanaovana fiverenana mitsidika. Takatsika fa misy ain’olona voakasika, ka maniry hanao ny ezaka rehetra mba hanolokoloana ny fahalianana naseho tamin’ny voalohany isika.

2 Tokony hoheverintsika ho mendrika ny hiverenana hotsidihina ny olona tsirairay nametrahantsika zavatra vita an-tsoratra. Tsy ny nametrahana zavatra vita an-tsoratra ihany anefa no tokony ho fototry ny fanaovana fiverenana mitsidika. Misy olona maro manaiky an-tsitrapo ny hiresaka momba ny hafatra ao amin’ny Baiboly nefa mandà ilay zavatra vita an-tsoratra atolotra azy. Koa raha nahatsikaritra fahalianana isika, dia tokony hiverina hitsidika mihitsy ka hiezaka hanolokolo izany.

3 Araho ny fahalianan’izay nametrahana zavatra vita an-tsoratra: Koa satria mihoatra lavitra noho ny isan’ny fiverenana mitsidika ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra voapetraka, dia ilaina ny fanatsarana lehibe amin’io lafiny io. Nahapetraka boky iray ny mpitory maharitra iray nefa tsy nahamarika fahalianana firy tamin’ilay tompon-trano. Indray tolakandro, rehefa avy nanao ireo fitsidihana hafa rehetra ilay rahalahy, dia nanapa-kevitra ny hitsidika io olona io. Natomboka ny fampianarana Baiboly.

4 Nahapetraka gazety roa tamin’ny lehilahy iray ny mpitory maharitra iray, nefa avy eo dia nanadino tanteraka ny amin’izy io, satria nihevitra izy fa tsy dia tena liana ilay olona. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nanoratra taratasy tany amin’ny kongregasiona teo an-toerana ilay rangahy ka nangataka ny hatao batisa. Nanontaniana ny anabavy misionera iray ny amin’izay noheveriny fa antony lehibe indrindra nahafahany nanampy olona 74 ho tonga mpitory. Hoy izy: “Nanao ny asa fizarana gazety be dia be izahay, ary tsy nitsahatra niverina nitsidika ireo olona nandray gazety aho mandra-panomboko fampianarana Baiboly tamin’izy ireny.”

5 Indraindray dia mety tsy ho afaka afa-tsy ny hamela taratasy mivalona amin’ilay tompon-trano isika amin’ny fitsidihana voalohany. Matetika, ireo taratasy mivalona dia azo ampiasaina amin’ny fomba mandaitra amin’ny fiverenana mitsidika mba hampisehoana ny fandehan’ny fianarana Baiboly iray. Namela taratasy mivalona iray tamin’ny ramatoa iray ny mpiandraikitra fizaran-tany iray niara-niasa tamin’ny mpitory hafa. Fohy dia fohy ilay fitsidihana, nefa nampirisika ilay anabavy mba hiverina hitsidika azy izy. Nataon’ilay anabavy ilay fiverenana mitsidika ary dia natomboka avy hatrany ny fampianarana Baiboly.

6 Rehefa miseho ny fahalianana: Rehefa tsy maka zavatra vita an-tsoratra ilay tompon-trano amin’ny fitsidihana voalohany, izany akory tsy midika foana fa tsy liana izy. Rehefa niverina nitsidika mpivady tanora iray ny mpitory iray dia nahita fa efa nanana sasantsasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika izy ireo ary efa nianatra taloha. Nanaiky avy hatrany ny hianatra indray izy ireo. Ny mpitory maharitra manokana iray dia nahatsapa fahalianana tsy niseho tao amin’ny ramatoa iray izay nanda foana ireo gazety. Nampirimin’ilay mpitory maharitra ireo gazety ary dia vonona ny handinika fehintsoratra vitsivitsy tao amin’ny iray tamin’ireo bokikely ilay ramatoa. Taorian’ny fitsidihana maromaro hafa, dia nanjary nianatra ny Baiboly indroa isan-kerinandro izy.

7 Ny olona tsirairay nanolo-tena ho an’i Jehovah dia tokony hahatsapa ho manana andraikitra handray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Rehefa miverina mitsidika tsy tapaka izay rehetra nampiseho fahalianana isika dia hijinja vokatra izay hitondra fitahiana tondraka, tsy ho an’ny tenantsika ihany, fa ho ‘an’izay mihaino antsika’ koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara