“Ataovy Izay Farany Azonareo Atao”
1 Rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah isika, dia nampanantena ny hanome azy ny tsara indrindra avy amintsika. Mety indrindra ny nampirisihan’ny apostoly Petera ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany mba hanao izay farany azon’izy ireo atao, ka hahazo antoka ny amin’ny toerana notanany teo anatrehan’i Jehovah. (2 Pet. 1:10, NW ). Irintsika tokoa ny hanao izay farany azontsika atao mba hampifaly an’i Jehovah amin’ny fanompoana azy amin’izao andro izao. Inona no tafiditra amin’izany? Rehefa mihamafy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ary misaintsaina ny amin’izay rehetra nataony ho antsika isika, ny fontsika dia manosika antsika hanao ny faran’izay azontsika atao eo amin’ny fanompoana azy. Irintsika ny hanatsara ny toetran’ny fanompoantsika, ary rehefa azo atao, dia hampitombo azy. — Sal. 34:8; 2 Tim. 2:15.
2 Hitan’ny rahalahy tanora iray, izay naniry hanao bebe kokoa teo amin’ny fanompoana, fa nahatonga ny fankasitrahany an’i Jehovah ho lalina kokoa, ary nandentika tao aminy zotom-po bebe kokoa, ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Nanosika azy hanao fangatahana hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana izany. Ny anabavy iray izay nahita fa sarotra ny niresaka tamin’ny olon-tsy fantatra, dia nianatra ny sasany amin’ireo fomba fampiseho ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra ka tsy ela dia nanomboka nahita fahombiazana bebe kokoa teo amin’ny fanompoany. Afaka nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny mpivady iray, izay nanaiky ny fahamarinana, izy.
3 Mifalia amin’izay vitanao: Ny sasany amintsika dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra, toy ny tsy fahasalamana, ny fanoheran’ny fianakaviana, ny fahantrana, na ny tsy fahazoam-bokatra ao amin’ny faritany. Mety hanakantsakana ny fanompoantsika ireo zava-manahirana hafa maro izay fahita amin’izao andro farany izao. (Lioka 21:34; 2 Tim. 3:1, NW ). Midika ve izany fa tsy nahatanteraka ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah isika? Tsia, raha manompo azy araka izay rehetra azontsika atao isika.
4 Tsy fahendrena ny mitsara ny tenantsika, mifototra amin’izay vitan’ny hafa. Mampirisika antsika kosa ny Soratra Masina mba “samy hizaha toetra ny asany avy”. Ny fanolorantsika ny fanampiantsika amin’ny fomba feno hatramin’izay farany mety ho vitantsika manokana, dia mampifaly an’i Jehovah ary mahatonga antsika “hanana hafaliana”. — Gal. 6:4; Kol. 3:23, 24.
5 Enga anie isika hanaraka ny tenin’i Petera mba ‘hanao izay farany azontsika atao mba ho hitan’Andriamanitra ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana, amin’ny farany’. (2 Pet. 3:14, NW ). Hahatonga antsika tsy hanana ahiahy izany toe-tsaina izany ary hitondra ho antsika ilay filaminan-tsaina, izay i Jehovah ihany no afaka manome azy. — Sal. 4:8.