Mivoha Ilay Varavarana Lehibe Ahazoana Miasa Tsara
1 Tamin’ny naha-mpitory ny vaovao tsara be zotom-po azy, i Paoly dia nikaroka mafy faritany izay nila fanampiana bebe kokoa, ka iray tamin’izany ny tanànan’i Efesosy. Nahita fahombiazana tsara tamin’ny fitoriana tany izy ka nanoratra ho an’ireo Kristiana namany hoe: “Varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara”. (1 Kor. 16:9). Nanohy nanompo tao amin’izany faritany izany i Paoly, ary nanampy Efesiana maro ho tonga mpino. — Asa. 19:1-20, 26.
2 Amin’izao andro izao, dia novohana ho antsika ny varavarana iray lehibe ahazoantsika miasa. Asaina isika hanampy ireo kongregasiona izay tsy afaka miasa tanteraka ny faritaniny rehetra isan-taona. Noho izany, ny ezaka ataontsika dia afaka mameno ny zavatra ilaina any amin’ny faritra sasany. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 8:13-15.
3 Afaka manompo any amin’izay mila fanampiana bebe kokoa ve ianao? Efa nandinika sy nivavaka momba ny fahafahana hanompo any amin’ny toeran-kafa ve ianao? Mety ho afaka hanampy kongregasiona iray eo amin’ny tanànanao ianao. Nahoana raha miresaka amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany momba io raharaha io ary mijery izay lazainy? Na mety hisy mponina marenina na miteny vahiny betsaka, izay tsy misy olona afaka mikarakara ao amin’ny faritanin’ny kongregasionanao. Mba hanomezana fahafaham-po amin’izany zavatra ilaina izany, moa ve ianao afaka ny hiezaka mafy mba hianatra ny fitenin’izy ireo? Fanampin’izany, angamba efa misy antokona mpitory miteny vahiny hafa iray eo akaiky izay ‘nangataka tamin’ny Tompon’ny vokatra mpiasan’ilay Fanjakana maro kokoa’. (Matio 9:37, 38). Raha izany no izy, afaka manampy ve ianao?
4 Tao anatin’ireo am-polony taona faramparany, dia fianakaviana Kristiana an’arivony maro no nifindra tany amin’ny tany hafa mba handray anjara feno kokoa amin’ilay asa fijinjana. Ny mpivady iray izay nanao izany dia nilaza toy izao: “Naniry ny hanompo an’i Jehovah tany amin’izay hahafahanay hanampy be indrindra izahay.” Raha manana io faniriana io ianao ary mahita fa afaka mifindra any an-toeran-kafa eto amin’ny nosintsika, na raha mahafeno fepetra hanompo any amin’ny tany hafa iray ianao, dia resaho miaraka amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasionanao aloha ny fikasanao. Eto Madagasikara dia mbola misy tanàna 24 misy mponina 20 000 sy tanàna 61 misy mponina 15 000 izay tsy ahitana mpitory. Izany dia mampiseho fa mpitory maro no mbola asaina hifindra any amin’ny toerana toy izany.
5 Raha maniry hanontany ny Fikambanana momba ny toerana mila fanampiana ianao, dia omeo taratasy manoritra ny fanirianao voafaritra tsara ny Komitin’ny Fanompoan’ny Kongregasiona. Hanampy ny fanazavany izy ireo ary handefa azy io any amin’ny Fikambanana. Na manao ahoana na manao ahoana, raha mbola mivoha koa ilay varavarana lehibe hahazoana miasa, dia enga anie isika rehetra hanohy ho be atao eo amin’ny asan’i Jehovah. — 1 Kor. 15:58.