Aparitaho Amin’ny Fomba Miitatra ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35
1 Ny Oktobra sy Novambra dia ho volana haha-be hatao antsika rehetra. Mandritra ireo 11 andro voalohany amin’ny Oktobra, dia hanolotra nomerao mitokana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! isika. Avy eo, manomboka ny alahady 12 Oktobra, hatramin’ny alahady 16 Novambra, dia handray anjara amin’ny fizarana maneran-tany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 isika. Ho tombontsoantsika ny hitondra hafatra lehibe iray ho any amin’ny olona rehetra eo amin’ny toerana misy antsika. Izy io dia valin’ilay fanontaniana hoe: “Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?” Mandritra io ezaka manokana io, dia hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 isika, amin’ny ankobanandro. Ny faran’ny herinandro, ho fanampin’ny fanolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, dia hampiseho ny nomerao farany amin’ireo gazety isika.
2 Iza no afaka mandray anjara? Toy ny mahazatra, ireo loholona dia ho eny amin’ny loha laharana amin’ilay asa. Mahafaly ny tsirairay ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, ary tsy isalasalana fa mpitory maro be no hirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray na ireo roa volana amin’io ezaka manokana io. Ny mpitory hafa dia haniry ny hanokana fotoana bebe kokoa noho ny mahazatra, eny amin’ny fanompoana.
3 Moa ve ianao manana fampianarana Baiboly efa lasa lavitra amin’ny fianarany ny boky Fahalalana ka hameno fepetra tsy ho ela mba hirotsaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha? Angamba mety ho afaka ny ho tonga mpitory tsy vita batisa ao anatin’ny fotoana fohy araka izay mety izy mba handraisana anjara amin’ny ezaka manokana momba ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Fampidiran-dresaka tsotra no hany ilaina mba hampidirana ilay taratasy mivalona. Ohatra, mety hilaza toy izao ny mpitory iray: “Tena zava-dehibe aoka izany itỳ hafatra itỳ, hany ka zaraina maneran-tany mandritra itỳ volana itỳ amin’ny fiteny 169. Tiako ny hanananao azy itỳ ho anao manokana.” Na dia ny ankizikely aza, dia afaka mandray anjara tsara amin’io asa mampientana io.
4 Ireo mpitarika ny fianarana ny boky dia tokony hampirisika ny mpikambana rehetra ao amin’ny fianarana ny bokin’izy ireo, mba handray anjara feno amin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Mety hisy koa mpitory nanjary tsy niasa intsony, kanefa mety hiverina hiasa indray eny amin’ny fanompoana raha mahazo ny fampirisihana ilaina. Alohan’ilay ezaka manokana, ireo loholona dia tokony hitsidika ny tsirairay avy amin’izy ireo mba hahitana izay azo atao hanampiana azy ireny hiaraka amin’ny mpitory za-draharaha amin’io endriny iray amin’ny fanompoana io.
5 Rahoviana isika no afaka mihaona ho amin’ny fanompoana? Izany asa rehetra izany dia hitaky fandaharana fanaovana fanambarana miaraka, izay sady mety no ahitam-bokatra. Na rahoviana na rahoviana hetezan’izany, dia tokony hisy fivoriana ho amin’ny fanompoana alamina ho an’ny ankobanandro sy ny faran’ny herinandro ary ny takariva. Izy ireny dia tokony hatao amin’ny fotoana izay hamela ireo mpitory sy mpisava lalana hanararaotra amin’ny fomba feno, ny fotoana anaovana fanambarana. Azo atao koa ny manao fandaharana mba hihaonana amin’ny faran’ny tolakandro mba ho tombontsoan’ireo mpianatra sy mpiasa ary ny hafa koa. Ny mpiandraikitra ny fanompoana dia tokony hanao izay hahazoana antoka fa hisy faritany ampy tsara hanaovana isan-trano, sy faritany be fandraharahana ho azo ampiasaina, mba hahafahan’ny tsirairay handray anjara feno amin’ilay asa. Rehefa betsaka ny mpitory miasa eo amin’ny faritra iray, dia tokony ho malina izy ireo ny amin’ny hoe firy no hiasa eo amin’ny tapany amin’ny faritany nomena azy ireo.
6 Ahoana ny amin’ireo tsy tratra an-trano? Isika dia maniry hiresaka mivantana amin’ny tompon-trano betsaka indrindra araka izay azo atao, mba hanazavana amin’izy ireny ny antony tokony hamakiany ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Koa raha tsy misy olona ao amin’ilay trano rehefa mitsidika ao ianao, dia raiso an-tsoratra ny adiresiny, ka tsidiho indray amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny andro izy. Raha toa amin’ny herinandro farany amin’ilay ezaka manokana ka mbola tsy nahomby ihany ny fiezahana nataonao hanatratrarana ilay tompon-trano, dia azonao atao ny mamela Vaovao Momba Ilay Fanjakana eo am-baravarana, eo amin’ny toerana tsy tazan’ny mpandalo. Any amin’ireo faritra misy fonenan’olona, dia aoka ianao ho mailaka ny hanolotra Vaovao Momba Ilay Fanjakana amin’ireo olona mandeha eny an-dalana. Rehefa miasa any amin’ireo faritra ambanivohitra, ka misy faritany betsaka azo atao mandritra ilay ezaka manokana, dia azo atao ny mamela Vaovao Momba Ilay Fanjakana amin’ireo izay tsy tratra an-trano amin’ny fitsidihana voalohany.
7 Inona no zava-kendrentsika? Ireo kongregasiona dia tokony hiezaka mafy hampiasa ny tahirin’izy ireo amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, mba hamitana ny faritanin’izy ireo manontolo, alohan’ny hifaranan’ilay ezaka manokana amin’ny 16 Novambra. Raha lehibe ny faritany nanendrena ny kongregasionanareo ka tsy mampidi-doza ny miasa irery tsy misy namana, dia mety ho hitanareo ho mandaitra ny hanaovana izany. Izany dia hanampy anareo hanatratra ireo mendrika betsaka indrindra araka izay azo atao, amin’ny vaovao tsara. (Matio 10:11). Mety hahitana tombony ny fitondrana taratasy mivalona vitsivitsy eny an-tanana sy Baiboly any am-paosy na ao anaty kitapo kely, fa tsy hampiasa ilay kitapo mahazatra. Ataovy azo antoka ny handraisana an-tsoratra tsara ireo izay naneho fahalianana.
8 Vonona ny hanomboka ve ianao? Ireo loholona dia tokony hijery mialoha hoe firy ny gazety fanampiny hilain’ny kongregasiona, ka hanao fanafarana mifanaraka amin’izany. Tsy ilaina ny hanafarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, satria hisy fonosana halefa ho an’ny kongregasiona tsirairay. Ny mpisava lalana manokana sy maharitra ary mpanampy, dia hahazo 250 avy mba hozaraina, fa ireo mpitory ao amin’ny kongregasiona kosa dia homena 50 avy. Manana ny asa nanendrena antsika isika. Moa ve ianao maika ny handray anjara amin’io asa mahafinaritra io? Tsy isalasalana fa izany tokoa. Andeha isika hizara amin’ny fomba miitatra araka izay azo atao ny hafatra lehibe miorina amin’ny Baiboly, ao amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35!